Ny Dia Ho Eo Amin’ I Kristy
TOKO XI—Ny tombon-tsoa azo avy amin’ ny fivavahana
Amin’ ny alalan’ ny zava-boahary sy ny fanambarany tena amin’ ny fitondrany ary amin’ ny asan’ ny Fanahiny no itenenan Andriamanitra. Tsy ampy anefa izany, tsy maintsy mandoatra ny ao am-pontsika eo analrehany koa isika. Tsy maintsy manana firaisana tanteraka amin’ ny Raintsika Izay any an-danitra isika, mba hananantsika aim-panahy sy herim-po. Mety ho voatarika any aminy ny saintsika mety ho mieritreritran ny amin’ ny asany sy ny famindrampony ary ny fitahiany isika, nefa tsy izany no firaisana aminy, raha ny tena marina no holazaina. Raha te-hhiray amin’ Andriamanitra isika, dia tsy maintsy manan-javatra holazaina aminy ny amin’ ny toe-piainantsika. NK 85.1
Ny fivavahana dia famborahana ny fo amin’ Andriamanitra, toy ny amin’ ny sakaiza. Tsy maintsy atao izany, tsy noho ny mba hampahanfantatra an’ Andriamanitra ny toetsika la ny mba hampahay antsika handray Azy. Ny fivavahana dia tsy mampi dina an’ Andriamanitra ho aty amintsika, fa mampakatra antsika ho any aminy kosa. NK 85.2
Nampianatra ny mpianany hivavaka Jesosy fony tety ambonin’ ny tany. Nanoro azy Izy mba hampiesho amin’ Andriamanitra izay ilainy isan’ andro sy hametraka ny fanahiny rehetra ao aminy. Ary ny fanomezan-toky nataony taminy fa hohenoina ny fivavahany, dia fanomezan-toky ataony Amin’ ika koa. NK 85.3
Matetika Jesosy no nivavaka, fony Izy niara-monina tamintsika olombelona. Ny Mpamonjintsika dia nahao ny tenany ho mitovy amintsika amin’ ny ilaintsika sy ny fahalemeutsika tamin’ Izy tonga mpiangavy sy mpitaraina mangataka fahatevaovao amin’ ny Rainy mba hahatonga Azy ho vonona fanefa ny adidiny sy handresy ny fakam-panahy. Izy no marika alainfsika tahaka amin’ ny zavatra rehetra. Rahalahy Izy amin’ ny fahatementsika fa, “nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ ny zavitra rehetra,” nefa tsy lavo tamin’ ny rátsy Izy, satria tsy nanana ota niaritra ny àdy sy ny fijaham-panahy teto amin’ izao tontolo izao feno ota Izy. Ny toetra maha-olombelona Azy nahtonga ny fivavahana ho zavatra tsy maintsy atao sady tombon-tosa taminy. Nahita fahafinaretana sy fifaliana Izy tamin’ ny fidinihany tamin’ ny Rainy. Ary raha Ilay Mpamoujy ny olombelona, Ilay Zanak’ Andriamanitra! aza nahátsiaro fa mila fivavahana, mainka fa isika mpanota matemy, mety maty dia tokony háhatsiaro fa tsy maintsy ilaina ny fivavahana lalandava amin-kafanam-po- NK 85.4
Miandry hanome antsika ny fahafenoan ny fitahiany ny Raintsika Izay any an-danitra. Tombon-tsoa ho antsika ny higoka amin’ ny loharanon’ ny fitiavana tsy hita lany. Mahagaga loatra nv hakelin ny ivavahanlsika ! Andriamanitra dia vonona sady mankasitraka hihaino ny fivavahana marina ataon ny zanany, na dia izay mahantra indrirdra aza, nefa na izany aza, dia tsy marisika ny hilaza ny mahory antsika amin Andriamanitra isika. Mba ahoana re no hevitry ny anjely any an-danitra ny amin’ ny olombelona mahantra tsy manan-kery sady alaimpanahy, raha mangoraka azy ny fon’ Andriamanitra feno fitiavana tsy voafetra sady vonona hanome azy mihoatra noho izay hainy angatahina, na heverina, nefa kely fangataka sady kely finoana ? Te-hiankohoka eo anatrehan’ Andriamanitra ny anjely; te-ho akaiky Azy izy. Ny fidinihana amin’ Andriamanitra no heveriny ho fifaliany ambony indrindra, nefa ny olombelona teraky ny tany izay mila fanampiana fatratra izay tsy hain’ iza na iza omena afa-tsy Andriamanitra ihany dia toa afa-po mandeha mamaky ity “fiainana ity, tsy manana ny hazavan’ ny Fanahiny sady tsy miaraka aminy ? NK 86.1
Manarona an’ izay malaina hiivavaka ny fahamarinan’ ilay ratsy. Ny fakampanahy bitsihin’ ny devoly ao am-pony no mitaona azy hanota, ary tsy inona no mahatonga izany, fa noho ny tsy fampiasany ny tombon-tsoa nomen’ Andriamanitra azy amin’ ny fivavahana. Nahoana ny zanaka lahy sy zanaka vavin’ Andriamanitra no tsy mety mivavaka, nefa ny fivavahana no fanalahidy eo an-tanan’ ny finoana hamohana ny trano fitehirizan’ ny lanitra izay iraketana ny harin’ ny Tsitoha tsy hita lany. Raha tsy mivavaka mandrakariva sy miambina amimpahazotoana isika dia atahorana ho tonga tsy mitandrina sy miala amin’ ny lalana marina. Ny fahavalo dia mitady lalandava hisakana ny lalana mankany amin’ ny fitoeram-pamindrampo, mba tsy hahazoantsika, amin’ ny fitarainana sy finoana, fahasoavana sy hery hanoherana ny fakam-panahy. NK 86.2
Misy toetra sasany izay ahazoantsika manantena fa hihaino sy hamaly ny fivavahantsika Andriamanitra. Ny anankiray isan’ izay voalohany indrindra amin’ izany dia ny fahatsiarovantsika hila fanampiana aminy. Hoy ny fikasana nataony : “Handatsaka rano amin’ izay mangetaheta Aho,
Ary riaka ho amin’ izay tany karankaina 1 .” Izay noana sy mangetaheta fahamarinana, izay maniry an’ Andriamanitra. dia mahazo matoky fa hovokisana. Tsy maintsy vohana ny fo l iasan’ ny Fanahy Masina, fa raha tsy izany dia tsy ho azo raisina Ey fitahian’ Andriamanitra.
NK 86.3
Ny fisian’ ny zava-dehibe ilaintsika no teny tsy azo lavna sady tsara lahatra indrindra ahazoantsika sitraka. Nefa tsy maintsy mangataka ny Tompo isika hanao izany zavatra izany. Hoy Izy: “Mangataha, dia homena hianareo 1.” Ary koa : “Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra 2 ?” NK 87.1
Raha mankasitraka ota ao am-pontsika isika, raha mikikitra amin’ ny fahotana fantatra, na inona na inona isika dia tsy hihaino antsika Jehovah fa ny fivavaky ny fo torotoro sy mangorakoraka no ankasitrahana mandrakariva. Rehefa voahitsy ny diso rehetra izay fantatra dia mahazo mino isika fa hovalian’ Andriamanitra ny fitarainantsika. Ny fahamendrehan’ ny tenantsika fotsiny dia tsy hahazoantsika sitraka amin’ Andriamanitra, na oviana na oviana ny nataon’ i Jesosy ihany no hahavonjy antsika ary ny rany no hahadio antsika nefa misy asa hataontsika dia ny hampifanaraka ny toetsika amin’ ny fahasoavana. NK 87.2
Ny toetra anankiray koa ananan’ ny fivavahana manan-kery dia finoana. “Izay manatona an’ Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.3” Hoy Jesosy tamin’ ny mpianany : “Na inona na inona tononinareo amin’ ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany 4.” Ka moa mitana Azy amin’ ny teniny va isika ? NK 87.3
Malalaka sady isy voafetrany fanomezan-toky ary mahatoky Izy Izay nanome toky. Na dia tsy ilay zavatra angatahintsika indrindra aza no raisintsika amin’ ny fotoana angatahantsika dia mbola mino ihany isika, fa mihaino Jehovah ary hamaly ny fivavahantsika. Diso hevitra sady tsy mahatazan-davitra isika, ka indraindray mangataka zavatra tsy mahasoa antsika, ary ny Raintsika Izay any an-danitra, noho ny fitiavany, dia mamaly ny fivavahantsika amin’ ny anomezany antsika izay hahasoa antsika indrindra, dia izay tokony hirin’ ny tenantsika raha mba hazavain’ ny Fanahy Masina ny saintsika, ka mahazo mahita ny zavatra renetra araka izay tena toetrany. Raha toa tsy mivaly ny fivavahantsika dia ho tokony nitana ny teny fikasana ihany isika, satria tsy maintsy ho tonga ny fotoana hamaliana azy ary horaisintsika ny fitahiana izay tena ilaintsika indrindna. Fahasahiana loatra ny mihevitra fa hovallana manarakafiva araka ny roroana sy ny tarehy aniriantsika azy indrindra ny fivavahana. Hendry lcatra Andriamanitra, ka tsy mety ho diso ary tsara loatra, ka tsy mety mamihina ny tsara ho an’ izay mandeha mahitsy. Koa dia aza matahotra hiankina aminy, na dia tsy hitanao miaraka amin’ izay aza ny valin’ ny fivavahana. Miantehera amin’ ny fanomezan-toky nataony hoe: “Mangataha, dia homena hianareo 1.” NK 87.4
Raha mandray toro-hevitra avy amin’ ny fisalasalana sy ny tahotsika isika, na mitady hanazava ny zavatra rehetra izay maizimaizina amintsika vao hino, dia hitombo sy hihalalina ny fahasahiranana. Nefa raha manatona an’ Andriamanitra isika, ka mahatsiaro ny tenantsika ho tsy manan-kery, sady tsy mahaleo tena, dia araka ny tena toetsika tokoa ary amin’ ny finoana mietry tena sady matoky no milaza izay ilaintsika aminy Izay manam.-pahalalana tsy voafetra, ka mahita sy manapaka ny zavatra ary rehetra amin’ ny teniny sy ny sitrapony, dia Izy no mahay sady mety mihaino ny fitarainantsika, ka hamela ny mazava hamirapiratra ao am-pontsika. Amin’ ny fivavahana marina no maha-tafaray antsika amin’ ny sain’ Ilay Tsimanampetra. Mety tsy hisy famantarana lehibe miseho amintsika amin’ ny fotoana iondrehan’ ny tavan’ ny Mpanavotra antsika eo ambonintsika amin’ ny famindrampo sy ny fitiavana nefa izany mihitsy no izy. Mety tsy hotsaroantsika ny fikasihany antsika hita maso, nefa ny tànany dia eo ambonintsika amim-pitiavana sy amim-pangorakorahana. NK 88.1
Raha tonga mangataka famindrampo sy fitahiana amin’ Andriamanitra isika, dia tokony hanana toe-panahy tia sy mamela heloka ao am-pontsika. Ahoana no ahazoantsika mivavaka hoe : “Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay, 2” nefa mbola manana fanahy tsy mety mamela heloka ? Raha manantena ny fivavahantsika hovaliana isika, dia tsy maintsy mamela ny heloky ny olona, araka ny toetra sy araka ny habetsahan’ ny fanantenantsika hamelana ny helotsika. NK 88.2
Ny faharetana amin’ ny fivavahana koa no toetra anankiray ahazoana valiny. Tsy maintsy mivavaka mandrakariva isika, raha te-hitombo amin ny finoana sy ny fahalalana. Tsy maintsy “maharitra amin’ ny fivavahana isika, ary miambina amin’ izany amin’ ny fisaorana 3.” Nananatra ny mpino Petera ka nanao hoe : “Hendre, ka mahonóna tena ho amin’ ny fivavahana 4.” Paoly nanoro hoe : “Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra 5.” Ary hoy Joda : “Fa hianareo kosa, ry malala mivavaha ao amin’ ny Fanahy Masina ary tehirizo ny tenanareo ao amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra 1 .” Ny fivavahana tsy an-kijanona no firaisana tsy tapaka mampikambana ny fanahy amin’ Andriamanitra, dia ho tonga ao amin’ ny fiainantsika ny fiainana avy amin’ Andriamanitra, ary hivoaka avy amin’ ny fiiainantsika kosa ho an’ Andriamanitra ny fahadiovana sy fahamasinana. NK 88.3
Tsy maintsy ilàna fahazotoana koa ny fivavahana aoka tsy hisy na inona na inona hisakana anao amin’ izany. Ataovy izay rehetra azo atao hampaharitra ny firaisan’ ny fanahinao amin’ i Jesosy. Hararaoty ny fotoana rehetta azonao hankanesana any amin’ ny fitoerana anaovana fotoam-pivavahana. Izay tena mitady firaisana marina tokoa amin’ Andriamanitra, dia izay mazoto amin’ ny fotoam-pivavahana, sy azo itokiana amin’ ny fanaovana ny adidiny ary mafana fo, sady maniry mba handray ny soa mety ho azo amin’ izany. Hararaotiny ny fotoana rehetra, mba hahazoany mandray ny tànam-pahazavana avy any an-danitra. NK 89.1
Tokony hisy fotoam-pivavahana ao amin’ ny ankohonantsika, ary mihoatra noho izany, tsy tokony hanadino ny fivavahana mangina isika, fa izany no ain’ ny fanahy — Tsy hety vanona ny fanahy, raha atao an-kambo ny fivavahana. Tsy ampy ny fivavahana ao amin’ ny ankohonana, na ao amin’ ny fivoriana ihany. Ao amin’ ny mangingina no aoka hamborahana ny fo eo anoloan’ ny mason’ Andriamanitra mandinika. Ny fivavahana mangina dia tsy ren’ iza na iza, afa-tsy Ilay Andriamanitra mpihaino vavaka ihany. Tsy misy sofina liana ta-handray ny fitarainana toy izany. Amin’ ny fivavahana mangingina no ahafahan’ ny fanahy amin’ ny fanelingelenan’ ny zavatra manodidina sy amin’ny fahataitairana. Ho tafakatra ao amin’ Andriamanitra ny fivavahana mangina atao amin-kafanam-po. Ho mamy sady ho maharitra ny hery mivoaka avy ao amin’ ilay mahita ao amin’ ny mangingina, sady malady mihaino ny fivavahana miloatra avy ao am-po. Amin’ ny finoana tony sady tsotra no iraisan’ ny fanahy amin’ Andriamanitra sy anangonany tànam-pahazavana masina amin’ ny tenany, hanatanjaka sy hanohana azy amin’ ny adiny amin’i Satana. Andriamanitra no tilikambo mafy ho antsika. NK 89.2
Mivavaha ao amin’ ny efi-tranonao ary raha mandeha ho any amin’ ny raharahanao hianao, aoka hakarina any amin’ Andriamanitra ny fonao. Toy izany no niarahan’ i Enoka nandeha tamin’ Andriamanitra. Miakatra toy ny fofo-manitra, eo anoloan’ ny seza fìandrianan’ ny fahasoavana ireny fivavahana mangina ireny. Tsy azon’ i Satana resena izay manana fo tsara antoka toy izany ao amin’ Andriamanitra NK 89.3
Tsy misy fotoana na fitoerana izay tsy mendrika ny hampakarana fitarainana amin’ Andriamanitra. Tsy misy na inona na inona mahazo misakana antsika tsy hanandratra ny fontsika amin’ ny fivavahana mafana. Eny anaty vahoaka amin’ ny arabe, ao afovoan’ ny raharaha mifanjevo, dia azontsika atao ny mampakatra fitarainana amin’ Andriamanitra, ary mangataka fitarihan-dàlana avy aminy, toy ny nataon’ i Nehemia, raha nanao fangatahana teo anatrehan’ i Artaksersesy mpanjaka. Ny fitoerana mangina hanaovam-pivavahana dia mety ho hita, na aiza na aiza misy antsika. Tokony hivoha lalandava ny varavaran’ ny fontsika, ary angatahina Jesosy mba ho tonga honina sy ho tompon-trano ao. NK 89.4
Na dia misy atmosphère maloto sady lo aza manodidina antsika, dia tsy tokony hifoka ny poizina ao aminy isika, fa mahazo miaina amin’ ny rivotra madion’ ny lanitra ihany. Azontsika arindrina ny varavarana rehetra, mba tsy hidiran’ ny fisainana maloto sy ny eritreritia tsy masina, raha asandratra amin’ ny fivavahana marina ny fanahy ho eo anatrehan’ Andriamanitra. Izay manana fo mivoha handray ny fanampiana sy ny fitahian’ Andriamanitra, dia handeha amin ny rivotra madio noho ny an’ ny tany, ary hanana firaisana maharitra amin’ ny lanitra. NK 90.1
Tokony hanana hevitra mazava kokoa ny amin’ i Jesosy sy fahalalana feno kokoa ny amin’ ny hatsaran’ ny fiainana mandrakizay isika. Ny hatsaran-tarehin’ ny fahamasinana dia tokony hameno ny fon’ ny zanak’ Andriamanitra, ary mba hahatanteraka izany, dia tokony hotadiavintsika izay hisehoan’ ny zava-masina amintsika. NK 90.2
Aoka halefa hiakatra ny fanahy mba hahazoan’ Andriamanitra mampiaina antsika amin’ ny atmosphere-n’ ny lanitra. Tokony hanakaiky an’ Anndriamanitra isika, mba hitodihan’ ny saintsika any aminy, raha mamely tampoka ny fakampanahy, dia toy ny fitodiky ny voninkazo any amin’ ny masoandro. NK 90.3
Ento eo anoloan’ Andriamanitra ny ilainao, ny tifalianao, ny fahorianao, ny fanahianao, ny tahotrao. Tsy hahasasatra na hahavalaka Azy ny anaovanao izany. Tsy hanao tsinontsinona izay ilain’ ny zanany Ilay mahay manisa ny volon-dohanao. “Miantra indrindra ny Tompo sady be famindrampo 1 .” Ny fony feno fitiavana dia mangoraka noho ny fahoriantsika, eny na dia noho ny filazantsika izany ihany aza. Ento any aminy ny zavatra rehetra manahirana ny saira. Tsy misy zavatra mavesatra loatra, ka tsy ho zakany, satria Izy no mitana izao tontolo izao, Izy no manapaka ny ranaraha rehetra amin’ izao tontolo izao. Tsy misy, na inona na inona izay mo nba ny fiadanantsika no azo atao hoe kely loatra ka tsy ho hitany. Tsy misy toko ao amin’ ny zazamihatra amintsika azo atao hoe maizina loatra, ka tsy ho voavakiny tsy misy zava-tsarotra manahirana loatra, ka tsy ho hainy hazavaina. Tsy misy loza mahazo mihatra na dia amin’ izay kely indrindra amin’ ny zanany aza, tsy misy tebiteby mampijaly ny fanahy, tsy misy fifaliana mahamiramirana, tsy misy fivavahana marina navoaky ny vava izay tsy voadiniky ny Raintsika Izay any an-danitra, na tsy nampaninona Azy. “Mahasitrana ny torotoro fo Izy sy mamehy ny feriny 1.” Ny firaisan’ Andriamanitra sy ny fanahy tsirairay avy dia miharihary sady tanteraka, ka mahatonga ny fanahy hiaramiahy aminy eto ambonin’ ny tany, nefa tsy hafa fa ilay fanahy nomeny ny Zanany malalany ihany. NK 90.4
Hoy Jesosy hoe : “Hangataka amin’ ny anarako hianareo ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin’ ny Ray ho anarec fa ny Ray dia tia anareo.” “Izaho no nifidy anareo mba homen’ ny Ray anareo izay rehetra hangatehinareo amin’ ny anarako na inona na inona 2.” Nefa ny hoe mivavaka amin’ i Jesosy dia mihoatra noho ny manonona fotsiny ny anarany amin’ ny fiandohana sy ny fiafaran’ ny fiva-vahana. Ny tena mivavaka amin’ ny anaran’ i Jesosy dia izay mivavaka araka ny toe-tsaina sy toe-panahin’ i Jesosy, ka mino ny teniny sy matoky ny fahasoavany ary manao ny asany. NK 91.1
Andriamanitra tsy mihevitra antsika ho tonga mpitoetra manirery na mpitoka-monina, ka hiala amin’ izao tontolo izao mba hanoiotra ny tenantsika ho amiu’ ny raharaham-pivavahana. Tsy maintsy ho tahaka an’ i Kristy ny toe-piainantsika — dia eo anelanelan’ ny tendrombohitra sy ny vahoaka. Izay tsy manao na inona na inona afa-tsy ny mivavaka, vetivety foana dia hijanona tsy hivavaka intsony, na ho tonga fahazarana ara pomba fotsiny ny fivavahany. Izay miala amin’ ny firaisana sy fifaneraserana amin’ ny olona, dia miala amin’ ny adidy Kristiana sy ny fitondrana hazo fijaliana izay mitsahatra tsy miasa aminkafanam-po ho an’ ny Tompo izay niasa tamin-kafanam-po ho azy, dia hahavery ny votoatin’ ny fivavahana, ary tsy hanana faniriana hivavaka intsony. Ny fivavahan’ ny olona toy izany dia ataony ho an’ ny tenany ihany. Tsy hainy ny mivavaka hangataka izay mahasoa ny olombelona, na ny handrosoan’ ny ianjakan’ i Kristy, na ny hila hery ho enti-miasa. NK 91.2
Maty antoka isika raha tsy mikambana hifanatanjaka sy hifamporisika amin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra. Tonga very tsy ho ao an-tsaintsika ny hery sy ny hatsaran’ ny hamamnan’ my Teniny. Manjary tsy hazavaina, na hetsehin’ ny heriny manamasina ny fontsika ary mihena ny hamasinantsika. Maty antoka be isika amin’ ny fikambanantsika Kristiana, raha tsy mifankatia amin’ ny fo. Ny miolonolona samy irery, dia tsy manatanteraka ny anton’ ny nikasan’ Andriamanitra azy. Ny fanamboarana tsara ny toetra tia fikambanana ao an-tsaintsika, dia mahatonga antsika ho tia fatratra ny hafa, sady fototry ny fandrosoana sy ny hery ho antsika amin’ ny raharahan’ Andria-manitra. NK 91.3
Raha mety mikambana ny Kristiana, ka mifampiresaka ny amin’ ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny amin’ ny hamarinan’ ny fanavotana, dia ho velombelona ny fanahiny, sady hifamelombelona koa izy. Tokony hianatra bebe kokoa isan’ andro ny amin’ ny Raintsika Izay any an-danitra isika, dia habazo fahalalana vaovao ny amin’ ny fahasoavany amin’ izay dia haniry hilaza ny fitiavany isika ary raha manao izany isika, dia hihamafana sy hihamarisika ny fontsika. Raha mihevitra sy miresaka bebe kokoa ny amin’ i Jesosy isika, ary kelikely kokoa ny amin’ ny tenantsika, dia hahazo an’ i Kristy mifanatrika be lavitra noho izao isika. NK 92.1
Raha isika no mba mety hihevitra an’ Andriamanitra isaky ny ahatsiarovantsika ny fiahiany antsika, dia tsy ho afaka antsaintsika Izy, sady ho faly hiresaka Azy sy hidera Azy isika. Miresaka ny zavatra momba izao fiainana izao isika, satria mankamamy azy. Miresaka ny amin’ ny sakaizantsika isika, satria tia azy, ka miara-miroborobo aminy raha faly, ary miaramitomany aminy, raha ory. Nefa manana antony lehibe lavitra ny itiavantsika an’ Andriamanitra isika, noho ny itiavantsika ny sakaizantsika ary tokony ho zavatra mety indrindra amin’ izao tontolo izao ny hanao Azy ho voalohany indrindra ao an-tsaina, ka hiresaka ny hatsarany sy hilaza ny heriny. Ny fanomezantsoa nomeny antsika, dia tsy nokasainy hitelina ny saintsika sy ny fitiavantsika, ka tsy hananantsika na inona na inona homena an’ Andriamanitra — fa natao hahatsiarovantsika Azy lalandava sy hamatorana antsika amin’ ny kofehin’ ny fitiavana sy ny fankasitrahana hiompana amin’ Ilay Mpanisy soa. Monina akaiky loatra ny lemaka eto an-tany isika. Aoka isika hanandratra ny masontsika any amin’ ny varavaran’ ny fitoerana masina any ambony, any amin’ ilay amirapiratan’ ny voninahitr’ Andriamamanitra. eo amin’ ny tavan’ i Kristy Ilay “mahavonjy tokoa izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany1.” NK 92.2
Tokony hidera an’ Andriamanitra misimisy kokoa isika “noho ny famindrampony sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona 1.” Tsy tokony ho fangatahana sy fandraisana fotsiny no atao amin’ ny fivavahantsika. Aoka isika tsy hihevitra mandrakariva izay ilaintsika, nefa tsy hihevitra na oviana na oviana ny soa noraisintsika. Ataontsika fa kely ny fangatahantsika, nefa ny fisaorantsika no tena kely loatra. Mandray ny famindrampon’ Andriamanitra lalandava isika, nefa kely foana ny fankasitrahana ataontsika, kely foana ny fiderantsika Azy noho izay nataony tamintsika. NK 92.3
Fahiny, raha nivory hanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah ny Israely, dia nandidy azy Izy hoe : “Any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo, ary hifalianareo amin’ izay rehetra harin’ ny tànanareo. izay efa nitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.2” Izay atao ho voninahitr’ Andriamanitra dia tokony hatao amin’ ny fo feno fifaliana sy fiderana ary fisaorana, fa tsy amin’ ny toetra ory na manjombona. NK 93.1
Andriamanitra dia Ray miantra sady mamindra fo. Tsy tokony hoheverina ho zavatra mampahory na mampalahelo ny fanompoana Azy. Tokony ho fifaliana ny mivavaka amin’ i Jehovah sy ny manao ny asany. Tsy tian’ Andriamanitra raha ny zanany izay efa nomeny famonjena lehibe no hihevitra Azy ho toy ny mpampiasa lozabe sady mamoritra. Sakaizantsika tsara indrindra Izy ary raha mivavaka aminy isika, dia manantena ho ao amintsika Izy hitahy sy hampionona antsika ary hameno fifaliana sy fitiavana ny fontsika. Irin’ ny T( mpo ny zanany mba hifaly amin’ ny fanompoana Azy, ka hahita fahafinaretana bebe kokoa noho ny fahasahiranana amin’ ny raharahany. Izay tonga hivavaka aminy dia iriny, rehefa miverina ao an-tranony, hitondra hevitra mamy ny amin’ ny fiahiany sy ny fitiavany, mha ho falifaly amin’ ny raharaham-pivelomana rehetra isan’ andro sy mba hananany fahasoavana, ka ho marina sy mahatoky amin’ ny zavatra rehetra. NK 93.2
Aoka isika hankeo am-pototry ny hazo fijaliana. Ary Kristy, dia Izy voahombo no tokony ho fototr’ izay hobanjinina sy resahina ary ifaliantsika. Tokony hotadidina ao an-tsaintsika ny fitahiana rehetra noraisintsika tamin’ Andrirmanitra ary raha mahatsiaro ny fitiavany lehibe isika, dia tokony hety hametraka ny zavatra rehetra eo amin’ ilay tànana nofantsihana teo ambony hazo fijaliana ho antsika. NK 93.3
Amin’ ny elatry ny fiderena no ahazoan’ ny fanahy hiakatra ho eo akaikikaikin’ ny lanitra kokoa Ankalazaina amin’ ny tonon-kira sy ny mozika ao amin’ ny lapany ao ambony Andriamanitra ary amin’ ny ampisehoantsika ny fisaorantsika no anatonantsika kokoa ny fotoam-pivavahana ataon’ ny ankamaroan’ ny ao an-danitra. “Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra 1 ” an’ Andriamanitra. Koa dia aoka isika hankeo anoloan’ ny Mpanao antsika amin’ ny fifaliana feno fanajana mitondra “ny fisaorana sy ny feo fiderana 2.” NK 93.4