Ny Dia Ho Eo Amin’ I Kristy
TOKO XII—Inona no hatao amin’ ny fisalasalana?
Maro ny olona no sahiranin’ ny fisalasalana indraindrav, indrindra fa ireo zazavao amin’ ny fiainana Kristiana. Misy zavatra ao amin ny Baiboly, izay tsy hainy hazavaina na hofantarina akory aza, ary ampiasain’ i Satana izany hanozongozona ny finoany ny amin ny maha-tenin’ Andriamanitra ny Soratra Masina. Hoy izy: “Ataoko ahoana no hahafantatra ny lalana marina. Raha tenin’ Andriamanitra tokoa ny Baiboly, atao ahoana no hahafaka ahy amin’ ireny fisalasalana sy fahasahiranan-kevitra ireny ? ” NK 97.1
Andriamanitra tsy mampino antsika na oviana na oviana, raha tsy manome porofo ampy hiorenan’ ny finoantsika. Ny fisiany, ny toetrany ary ny hamarinan’ ny Teniny dia hamarinin’ ny porofo izay mitory amin’ ny saintsika, sady ampy hanaranampo izany porofo izany. Andriamanitra anefa tsy manaisotra ny fisalasalana, na oviana na oviana. Tsy maintsy miankina amin’ ny tena azo antoka ny finoantsika, fa tsy amin’ ny fisehoana fotsiny. Izay te-hisalasala dia mahazo misalasala, fa izay tena maniry hahalala ny marina kosa. dia hahita izay tena izy ampy hiorenan’ ny finoany. NK 97.2
Tsy azon’ ny saina voafetra atao velively ny hahalala tanteraka ny toetra na ny asan’ Ilay Tsivoafetra.” Na dia amin’ ny saina mahiratra indrindra sady nahita fianarana ambony indrindra aza, dia mbola zava-miafina saro-pantarina Ilay Andriamanitra masina. “Takatry ny sainao va ny fomban’ Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha? Avo tahaka ny lanitra izany ! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsihita ! ka inona no fantatrao 1?” NK 97.3
Loa-bolana mantsy Paoly Apostoly, ka nanao hoe : “Endrey ny halalin’ ny haren’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany ! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny làlany tsy azo fantarina! 2” Nefa na dia “rahona sy aizim-pito” aza “no manodidina Azy; fahamarinana sy fitsarana no fanorenan’ ny seza fiandrianany 3.” Ny ataony amintsika sy ny anton’ izay manetsika Azy no fantatsika, ka hahaizantsika mamantatra ny fitiavana sy ny famindrampo tsy hita lany mifaningotra amin’ ny hery tsy voafetra. Ny fikasany izay mendrika ho fantatsika ihany no fantatsika ary ao an-koatr’ izany dia tsy maintsy matoky Ilay tànana mahery sy Ilay fo feno fitiavana isika. NK 97.4
Ny Tenin’ Andriamanitra dia tahaka ny toetry ny Tompony ihany, ka misy zava-miafina, izay tsy mety ho fantatra tanteraky ny zava-boahary manam-petra na oviana na oviana. Ny nidiran’ ny fahotana tamin’ izao tontolo izao, ny nahatongavan’ i Kristy ho nolo, ny fiteraham-baovao, ny fitsanganana amin’ ny maty ary ny zavatra maro hafa koa aseho ao amin’ ny Baiboly, dia zava-miafina lalina loatra, ka tsy takatry ny sain’ olombelona hohazavaina, na hoe ho fantatra tanteraka marina akory aza. Nefa tsy misy antony isalasalantsika ny amin’ ny Tenin’ Andriamanitra, satria tsy mahafantatra ny zava-miafina ao amin’ ny fitondrany isika. Amin’ ny zavatra eto amin’ izao tontolo izao, dia manodidina antsika lalandava ny zava-dalina izay tsy takatsika polopolorina. Na dia ny karazan’ aina ambany indrindra aza, dia tsy hain’ nyphilosophe olon-kendry sy lalin-tsaina mahay indrindra hazavaina. Misy zava-mahagaga tsy takatry ny saintsika eny rehetra eny. Ka dia tokony ho gaga ve isika raha mahita fa amin’ ny ara-panahy koa dia misy zava-miafina, izay tsy haintsika fantarina velively ? Ny fahalemena sy ny fahateren’ ny sain’ olombelona no tsy ahaizana izany. Andriamanitra efa nanome antsika porofo ampy ao amin’ ny Baiboly ny amin’ ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy, ka tsy tokony hisalasala ny amin’ ny Tenin’ Andriamanitra isika, satria tsy fantatsika ny zava-mialina rehetra ao amin’ ny fitondrany. NK 98.1
Lazain’ i Petera Apostoly, fa ao amin’ ny Soratra Masina dia “misy zavatra saro-pantarina, izay aolan’ ny olona kely fahalala-na sady tsy miorina tsara ka mahatonga fahaverezana ho an’ ny tenany 1. ” NK 98.2
Ny fahasarotan’ ny hevitry ny Soratra Masina no efa nampiasain’ ny tsy mino ho enti-manohitra ny Baiboly nefa hafa lavitra noho izany, fa io indrindra no porofo mahery ny amin’ ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy. Raha tsy milaza ny amin’ Andriamanitra izy, afa tsy izay mety ho fantatsika moramora ihany raha mety ho takatry ny saina voafetra ny halehibeazany sy ny voninahiny, dia tsy tokony hinoana ho avy amin’ Andriamanitra akory ny Baiboly. Ny halehibeazana sy ny mahasaropantarina ny foto-javatra indrindra izay aseho ao aminy dia tokony hiteraka finoana azy ho tenin’ Andriamanitra. NK 98.3
Ny Baiboly dia milaza ny fahamarinana amin’ ny fomba tsotra sy antonona indrindra ny fon’ olombelona, ka sady efa nahagaga sy nahafaly ny olona ambony indrindra no nahitan’ ny ambany indrindra sy ny kely fahalalana ny lalam-pamonjena. Izany fahamarinana lazaina tsotra izany no misy ny zavatra am-bony sy lalina, ka tsy mety ho takatry ny sain’ olombelona ka noho izy nolazain’ Andriamanitra ihany no ahazoantsika manaiky azy. Koa amin’ izany ny hevitr’ Andriamanitra ny amin’ ny fanavotana dia aseho amintsika mba hahitan’ ny olona rehetra izay tokony hataony amin’ ny fibebahana amin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy Kristy Tompontsika mba hovonjena araka ny fomba voatendrin’ Andriamanitra nefa ao anatin’ izany fahamarinana mora fantatra izany no misy zava-tsaro-pantarina izay mandresy ny saina fatra-pikatsaka, nefa manoro hevitra ny tena mpitady ny marina amin’ ny fanajana sy ny finoana. Ara-karaka ny habetsahan’ ny andinihana ny Baiboly no mainka mampiaiky fa tenin’ Andriamanitra velona izy, ary ny fiheveran’ olombelona dia miondrika eo anoloan’ ny fahalehibeazan’ ny fahamarinan’ Andriamanitra. NK 99.1
Ny miaiky fa tsy tena mahalala tanteraka ny fahamarinana lehibe ao amin’ ny Baiboly isika dia tsy inona fa miaiky fa ny saina voafetra dia tsy ampy handray ny tsy voafetra ny olom-belona manam-pahalalana voafetra dia tsy mahay mamantatra ny fikasan’ Ilay Mahalala ny zavatra rehetra. NK 99.2
Lavin’ ny mpisalasala sy ny tsy mpino ny tenin’ Andriama-nitra, satria tsy takany ny zava-miafina ao aminy ary na dia izay rehetra milaza ny tenany ho mino ny Baiboly aza tsy ary afaka amin’ ny fahavoazana amin’ izany. Hoy ny Apostoly hoe : “Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’ Andriamanitra velona 1.” Koa dia mety ny mandinika tsara ny fampianaran’ ny Baiboly sy mikaroka ny “saina lalina izay an’ Andriamanitra 2.” araka izay anambarana azy ao amin’ ny Soratra Masina. Kanefa “an’ i Jehovah Andria-manitsika ny zava-miafina fa antsika. . . . . .kosa ny zavatra ambara 3.” Nefa raharahan’ i Satana ny mamely ny herin-tsaina mahay mandinika. Misy fireharehana mifangaro amin’ ny fiheverana ny Baiboly, ka mahatsiaro tsy faharetana sy fahakiviana ny olona raha tsy hainy hazavaina mahafa-po azy tsara ny teny rehetra ao amin’ ny Soratra Masina. Ataony fa mahafa-baraka azy ny tsy mahalala ny teny avy amin’ Andriamanitra. Tsy mety miandry amim-paharetana izy ambara-pampisehon’ Andriamanitra ny marina aminy araka izay ataony ho mety. Ataony fa ny fahendreny fotsiny, araka ny maha-olombelona azy, dia ampy hampahalala azy ny hevitry ny Soratra Masina, ka rehefa tsy araka izany, dia laviny an-kitsirano izao ny mahamarina azy. Marina fa misy maro ny hevitra sy ny fampianarana izay heverin’ ny olona ho avy amin’ ny Baiboly no tsy araky ny fampianaran’ ny Baiboly, fa mifanohitra amin’ ny totalin-kevitry ny Soratra Masina aza. Izany rehetra izany no efa nahatonga fisalasalana sy fahasahiranana tao an-tsain’ ny olona maro. Tsy azo atao ho tsinin’ ny Tenin’ Andriamanitra nefa izany, fa tsinin’ ny olona izay marnpivily ny heviny. NK 99.3
Raha hain’ ny zava-noharina atao ny hahalala tanteraka an’ Andriamanitra sy ny asany, ka tonga amin’ izany fanaperana izany izy, dia tsy hisy fahitana ny marina intsony, tsy hisy fitomboana amin’ ny fahalalana intsony, tsy hisy fivelaran’ ny saina na ny fo intsony. Tsy ho ambony indrindra Andriamanitra ary ny olona, noho izy efa mahatratra ny fetry ny fahalalana sy izay tokony ho tratra dia hitsahatra tsy handroso intsony. Isaorana anie Andriamanitra fa tsy izany no izy. Andriamanitra dia tsy voafetra ao aminy no “iafenan’ ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra 1.” Ary mahazo mikaroka sy mianatra hatrany amin’ ny faran’ ny mandrakizay ny olona, nefa tsy hahatapitra ny rakitry ny fahendreny sy ny fahatsarany ary ny heriny. NK 100.1
Na eto amin’ ity fiainana ity aza dia kasain’ Andriamanitra haseho amin’ ny olony ny hamarinan’ ny Teniny. Lalana iray monja anefa no ahazoana izany fahalalana izany. Ny fanazavan’ ny Fanahy ihany izay nahazoana ny Teny no ahazoantsika fahalalana ny Tenin’ Andriamanitra. “Tsy misy mahalala ny ao am-pon’ Andriamanitra, afa-tsy ny Fanahin’ Andriamanitra ihany — fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, ria dia ny saina lalina izay an’ Andriamanitra aza 2.” Ary ny teny fikasana nataon’ ny Mpamonjy tamin’ ny mpanaraka Azy dia hoe : “Raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana. dia Izy hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra; . . . . . . fa handray avy amin’ ny Ahy Izy, ka hanambara izany aminareo 3.” NK 100.2
Maniry ny olona hampiasa ny herin-tsainy Andriamanitra ary ny fandinihana ny Baiboly no hanatanjaka sy hanandratra ny saina, mihoatra noho izay azon’ ny fandinihana hafa atao. Nefa tokony hosorohintsika ny hanambony loatra ny fiheverana fa andairan’ ny fahalemena sy ny fahosan’ olombelona izy. Raha tiantsika hibaribary amin’ nv fahalalantsika nv Soratra Masina, ka irintsika ho fantatra ny marina tsotra indrindra, dia tsy maintsy manana ny fahatsorana sy ny finoan’ ny zazakely isika, vonon-kianatra ary mangataka ny fanampian’ ny Fanahy Masina. Ny fìheverana ny herin’ Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny tsy fahatakarantsika ny fahalehibeazany, dia tokony hampietry tena antsika, ka tokony hanokatra ny Teniny amin-tahotra masina, toy ny mankeo anatrehany isika. Rehefa tonga eo amin’ ny Baiboly isika dia tsy maintsy miaiky fa misy fahefana ambony noho ny fahamarinantsika ary tsy maintsy mihohoka amin’ Ilay Izaho Izay Izy lehibe ny fo sy ny saina. NK 100.3
Misy zavatra maro tena manahirana sady maizina, izay hohazavain’ Andriamanitra sady hotsoriny amin’ izay mangataka fahalalana ny amin’ izany. Nefa raha tsy misy ny fitarihan’ ny Fanahy Masina, dia mety hanova mandrakariva ny hevitry ny Soratra Masina isika, na ho diso fandray azy. Betsaka ny famakiana ny Baiboly no tsy wahasoa akory, fa vao mainka tena manimba mihitsy aza. Raha sokafana tsy amim-panajana sy tsy amim-pivavahana ny Tenin’ Andriamanitra raha tsy miorina amin’ Andriamanitra ny hevitra sy ny fitiavana, na tsy mifanaraka amin’ ny sitrapony, dia maizin’ ny fisalasalana ny saina, ary amin’ ny fandinihina ny Baiboly indrindra aza, no vao mainka mihabe ny fiahanahanana. Mifehy ny saina ny fahavalo, ka mampiseho hevi-teny tsy marina. Na rahoviana, na rahoviana ny olona no tsy mitady fifanaraka amin’ Andriamanitra amin’ ny teny sy ny atao, dia mety ho diso ny fahalalany ny Soratra Masina. na manao ahoana na manao ahoana lahaizany, ka tsy azo itokiana ny fanazavany azy. Izay mijery ny Baiboly hitady tsy fifanarahana ao, dia olona tsy manana tena fahalalana tanteraka.Noho ny fijeresa vilana dia hahita antony maro izy izay mahatonga fisalasalanasy tsy finoana amin’ ny zavatra izay tena mazavasady tsotra. NK 101.1
Aoka hamily ny heviny ny olona, raha tiany izany, nefa ny tena anton’ ny fisalasalana sy ny tsy finoana amin’ ny ankabeazan’ olona dia tsy inona fa fitiavana ota. Tsy ankasitrahan’ ny fo tia ota sady be avona ny fampianarana sy ny fandrarana ao amin’ny Tenin’ Andriamanitra,ary izay tsy ta-hankato ny asainy atao dia vonona hisalasala ny amin’ ny mahamarina azy. Raha te-ho marina isika dia tsy maintsy tena maniry tokca hahalala ny marina sady mety hankatò azy. Ary izay rehetra manana izany toe-panahy izany ho enti-mianatra ny Baiboly, dia hahita porofo ampy, fa Tenin’ Andriamanitra tokoa izy ary hahalala ny hamarinany izay hampahahendry azy ho amin’ ny famonjena. NK 101.2
Kristy efa nanao hoe : “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy 1.” Raha misy tsy fantatrao dia aleo milandrina r.y fahazavana izay misy ao aminao rahateo, toy izay manadinadina sy mamalivaly foana ny amin’ izany, dia hahazo fahazavana bebe kokoa hianao. Noho ny fahasoavan’ i Kristy, vitao ny adidy rehetra efa nampahalalaina anao, dia hahalala sy bahavita izay mampisalasala anao izao hianao. NK 101.3
Misy porofo mety ho takatry ny olona rehetra,na izay mahay indrindra, na izay bado indrindra, dia ny porofo avy amin’ ny fanaovana na ny fanandramana. Mangataka ny tenantsika Andria-manitra hanaporofo ny mahatò ny Teniny sy mahamarina ny fikasany, fa hoy Izy amintsika : “Andramo. ka izahao, fa tsara Jehovah 1 .” Ny tenantsika no asai-manandrana, fa tsy hiantehitra amin’ nv tenin olon-kafa. Hoy Izy : “Mangataha, dia hahazo hianareo 2.” Tsy maintsy tanteraka ny fikasany. Tsy mbola diso, na oviana na oviana ireny, ary tsy hety diso koa, na oviana na oviana. Ary raha manatona an’ i Jesosy isika, ka mifaly amin’ ny fahafenoan ny fitiavany. dia ho levona amin’ ny bazavan’ ny tavany ny fisalnsalantsika sy ny fahamaizinantsika. NK 102.1
Paoly Apostoly milaza la Andriamanitra “nahafaka antsika tamin’ ny fahefan’ ny maizina ka namindra antsika ho amin’ ny fanjakan’ ny Zanany malalany 3.” Ary izay rehetra efa niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana dia mahazo “manisy tombo-kase fa marina Andriamanitra 4.” Mahazo manambara hoe izy : “Nila fanampiana aho. ka nahita tao amin’ i Jesosy. Izay rehetra ilaina dia misy avokoa. ka ny fanahiko noana dia novokisana ary amiko izao ny Baiboly dia fanambarana an’ i Kristy, Hanontany va hianao, nahoana moa aho no mino an’ i Jesosy? — Satria Mpamonjy ahy Izy. Nahoana moa aho no mino ny Baiboy ? — Satria hitako fa feon’ Andriamanitra miteny amin’ ny fanahiko izy.” Mety banana vavolombelona ao amin’ ny tenantsika isika la n arina ny Baiboly ary Krisly no Zanak’Andriamanitra.Fantatsika fa tsy manaraka angano tsara lahatra foana isika. NK 102.2
Petera dia nampirisika ny rahalahiny, ka nanao hoe : “Mitomboa amin’ ny fahasoavana sy ny fahalalana an’ i Jesosy Krisly Tomponlsika sy Mpamonjy 5.” Raha milombo amin’ ny fahasoavana ny olon’ Andriamanitra, dia hahazo fahalalana mazava ny Teniny izy. Hahita fahazavana sy fahatsarana amin’ ny hamarinany masina izy. Marina izany tamin’ ny tantaran’ ny fiangonana hatrany hatrany ary mbola haharitra ho toy izany ihany hatramin’ ny farany. “Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina,
Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro 6.”
NK 102.3
Amin’ ny finoana no ahazoanlsika mijery ny any an-koatra sy mitana ny tena fanekena nalaon’ Andriamanitra hampitombo fahalalana ary hampifamatotra amin’ ny an’ Andriamanitra ny herin-tsain’ olombelona ary ny herim-panahy rehetra hakambana mivantana amin’ Ilay Loharanom-pahazavana. Mahazo mifaly isika, fa izay rehetra nanahirana antsika tamin’ ny fitondran’ Andriamanitra dia hiharihary amin’ izay ary ny zavatra saropantarina dia ho voazava ary amin izay tsy ahitan” izao saintsika kely voafetra izao, afa-tsy likorontanana sy fikasana diso dia hahita fifanarahana tanteraka sady tsara indrindra isika. “Fa ankehitriny isika mizaha ao amin’ ny fitaratra, ka tsy mahita marina, fa rahatrizay dia mifanatrika ankehitriny sombintsombiny no fantatro : fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy 1.” NK 103.1