Ny Dia Ho Eo Amin’ I Kristy

11/14

TOKO X—Fahalalana an’ Andriamanitra

Maro ny fomba izay entin’ Andriamanitra hampahalala antsika ny tenany sy hampiray antsika aminy. Mitory amin’ ny saintsika tsy an-kijanona ny zava-boahary. Handairàn’ ny fitiavana sy ny voninahitr’ Andriamanitra araka izay asehon’ ny asan’ ny tànany nv fo tsotra. Hahare sady hahafantalra ny feon’ Andriamanitra amin’ ny alàlan’ ny zava-boahary ny sofina mihaino. Ny lohasaha maitso mavana, ny hazo mijoalajoala, ny tsimoka sy ny voninkazo, ny rahona mandaio, ny orana milatsaka, nv renirano migororoana, ny voninahitry ny habakabaka. dia mitory amin’ny fontsika sady mitaona antsika mba hahalala an’ Ilay nanao azy rehetra. NK 77.1

Ny zava-boahary no namehezan’ ny Mpamonjintsika ny fampianarana tsy misy toa azy nataony. Ny hazo, ny vorona, ny voninkazo eny an-dohasaha, ny havoana, ny farihy ary ny habakabaka tsara tarehy, mbamin’ ny zava-miseho sy manodidina amin’ ny fiaimpiainana andavan’ andro dia voaompana avokoa amin’ ny tenin’ ny fahamarinana mba hahatsiarovana matetika ny fampianarany, na dia ao anatin’ ny fahasahiranan’ ny olona be raharaha aza. NK 77.2

Tian; Andriamanitra raha ny zanany rehetra no hankasitraka ny asany, ka hifaly amin’ ny hatsaran-tarehy tsotra sady milamina, izay nentiny nandravaka ity tany onenantsika ity. Mpitia ny tsara tarehy Izy, ary tia ny tsara tarehy ara-panahy, mihoatra noho izay rehetra madera ivelany fotsiny. Tiany raha isika no manolokolo ny fahadiovana, ny fahatsorana ary ny fahasoavana milamina ananan’ ny voninkazo. NK 77.3

Raha mba mety mihaino isika, dia hampianatra antsika lesona tsy misy toa azy ny amin’ ny fankatoavana sy fahatokiana ny asan-tànan’ Andriamanitra. Hatramin’ ny kintana izay mizotra amin’ ny làlana voatendry mandritry ny taona alinalina mamakivaky ny habakabaka, ka hatramin’ ny atome* kitika indrindra. dia samy manoa ny sitrapon’ Ilay Mpamorona azy. Miahy sy mamelona ny zavatra rehetra izay noforoniny Andriamanitra. Ilay mitana izao tontolo izao amin’ ny habakabaka diamikarakara koa, na dia izay ilain’ ny tsikirity Kely izay mihira tsy amin-tahotra ny hirany feno fanetren-tena aza. .Raha mivoaka hiasa ny olona, na revo eo am-pivavahana raha matory amin1 ny alina izy, na mifoha amin’ ny, marina raha manao fanasana ao amin’ ny tranobe soany ny mpanankarena, na managona ny zanany hitangorona eo amin’ ny hanina kely am-bilom-bazana ny olo-mahantra, — Andriamanitra Ray kosa dia samy miaro amim-pitiavana azy rehetra. Tsy misyranomaso latsaka, ka tsy hitan’ Andriamanitra. Tsy misy hehy ka tsy voadininv. NK 77.4

Raha mba tena mino izany marina tokoa isika, dia ho levona ny fanahiam-poana rehetra. Ny fiainantsika tsy ho feno fahadisoam-panantenana, toy izao ankehitriny izao, la ny zavatra rehetra. na lehibe na kely, dia hapetraka avokoa eo am-pelatànan’ Ilay Andriamanitra Izay tsy mba sahirana noho ny habetsahan’ ny ahiahy, na ho resin’ ny havesaran’ izany. Ka dia tokony hanana fiononam-po izay tsy fantatry ny maro hatramin’ ny ela isika. NK 78.1

Raha mifaly amin’ ny hatsaran-tarehy marevaka eto an-tany ny saintsika, dia mba saino ny zavatra ho avy izay tsy hahalalana velively akory ny loza vokatry ny ota sy ny fahafatesana, dia any amin’ izay tsy itafian’ ny zava-boahary intsony ny aloky ny ozona. Alao sary an’ eritreritra ny fonenan’ ny voavonjy, ary tsarovy fa ho be voninahitra lavitra noho izay azon’ ny eritreritrao saintsainina izany. Amin’ ny fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra samy hafa ao amin’ ny zava-boahary, dia ny famirapiratan’ ny voninahiny mamelovelo kely indrindra no hitantsika, araka ny voasoratra hoe : “Izay tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina na niditra tao am-pon’ ny olona, na inona na inona. no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’ izay tia Azy 1”. NK 78.2

Manam-be holazaina ny amin’ ny zava-boahary ny poete sy ny naturaliste (mpandinika ny zava-boahary), nefa ny Kristiana ihany no mifaly indrindra amin’ ny hatsaran-tarehin’ ny tany, satria mahatsiaro ny asan-tànan ny Rainy, ka mahita ny fitia— vany eny amin’ ny voninkazo sy ny kirihitr’ ala ary ny hazo. Tsy misy olona tena hahay mifaly amin’ ny hatsaran’ ny havoana sy ny lohasaha ary amin’ ny ony sy ny ranomasina, afa-tsy izay mihevitra azy ho vavolombelon’ ny fitiavan’ Andriamanitra ny olombelona. NK 78.3

Andriamanitra dia miteny amintsika amin’ ny alàlan’ ny fitondrana ataony, sy amin’ ny alàlan’ ny Fanahy Masina ao am-po. Mety hahita lesona mahafinaritra isika amin’ ny zavamiseho sy mihatra amintsika, ary amin’ ny fiovaovana miseho isan andro manodidina antsika, raha mba misokatra handray azy ny fontsika. Hoy ny mpanao Salamo raha milaza ny fitondran’ Andriamanitra : “Henika ny famindrampon’ i Jehovah ny tany 2.” “Izay hendry dia aoka hahafantatra izany,
Ka hahalala ny famindrampon’ i Jehovah 1.”
NK 78.4

Miteny amintsika amin’ ny Teniny Andriamanitra. Amin’ izany no ananantsika fanambarana mazava kokoa ny toetrany sy ny firaharahany amin’ ny olombelona ary ny asam-panavotana lehibe. Ao koa no aseho amintsika miharihary, ny tantaran’ ny Patriarka, sy ny mpaminany, ary ny olo-masina fahiny. Lazaina fa izy ireny “dia olona tahaka antsika ihany 2.” Fantantsika ny nitolomany tamin’ ny fahakiviana, tahaka antsika sy ny nahalavoany tamin’ ny fakam-panahy, toy ny nahavoa antsika, kanefa niha-matoky indray, ka nandresy tamin’ ny alàlan’ ny fahasoavan’ Andriamanitra. Ary amin’ ny fahitana izany no mamporisika antsika hiezaka hanatratra ny fahamarinana. Raha mamaky ny tombon-tsoa nomena azy isika, dia ny amin’ ny fahazavana, ny fitiavana sy ny fitahiana nifaliany ary ny asa nataony tamin’ ny alàlan’ ny fahasoavana nomena azy sy ny fanahy izay nanetsika azy, dia hampirehitra faniriana masina ao am-pontsika, sy faniriana ho tahaka azy amin’ ny toetra, — ho tahaka azy amin’ ny fiaraha-mandeha amin’ Andriamanitra. NK 79.1

Marina ny filazan’ i Jesosy ny Soratra Masina amin’ ny Testamenta Taloha, ary mainka marina noho izany aza ny filazany ao amin’ ny Testamenta Vaovao hoe : “Ireny no manambara Ahy 3.” Ilay Mpanavotra, Izay iorenan’ ny fanantenantsika ny amin’ ny fiainana mandrakizay. Eny, milaza an’ i Kristy ny Baiboly manontolo. Hatramin’ ny tantara voalohany milaza ny namoronana izao tontolo izao, manao hoe : “raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza,” ka hatramin’ ny teny filkasana farany hoe : “Indro avy faingana Aho, 4” dia mamaky ny amin’ ny asany sy mandre ny feony isika. Koa raha ta-hahalala ny Mpamonjy hianao dia ianaro ny Soratra Masina. NK 79.2

Fenoy ny tenin’ Andriamanitra ny fo rehetra. Rano velona mahafaka ny hetahetanao mirehitra izy. Mofon’ aina avy any an-danitra izy. Hoy Jesosy hoe : “Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.” Hoy koa Izy, raha nilaza ny tenany; “Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana 5.” Ny tenantsika dia velomin’ ny zavatra hanintsika sy sotrointsika ary mba toy izany araky ny nofo izany koa ny ara-panahy, fa izay eritreretintsika no mahatonga tanjaka sy hery, ho an’ ny fanahintsika. NK 79.3

Ny foto-kevitra ny amin’ ny fanavotana no zavatra tian’ ny anjely hodinihina. Izany no ho science sy tonon-kiran’ ny voavotra mandrakizay doria doria. Ka moa tsy mendrika ny hoheverina tsara sy hodinihina fatratra va izany izao? Ny famindram-po sy ny fitiavan’ i Jesosy tsy voafetra ary ny fanalamboady nataony ho antsika, dia tokony ho eritreretina lalina dia lalina. Tokony ho ao an-tsaintsika ny toetry ny Mpanavotra sady Mpisolo malalantsika. Tokony ho eritreretintsika ny raharahan’ Ilay tonga hamonjy ny olony amin’ ny fahotany. Áry raha misaintsaina ny zavatry ny lanitra toy izany isika, dia hihamatanjaka ny finoantsika sy ny fitiavantsika, ary hitombo ny fankasitrahan’ Andriamanitra ny fivavahantsika, satria mitombo ny fifangaroany amin’ ny finoana sy ny fitiavana. Ho tonga mahatsinjo ny lavitra sady ho mafana ny fivavahantsika. Ilisy fitokiana an’ i Jesosy maharitra lalandava kokoa sy fahazoana am-po isan’ andro ny heriny hamonjy hatramin’ ny farany indrindra izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alàlany. NK 79.4

Raha mieritreritra ny fahatanterahan’ ny Mpamonjy isika, dia maniry mba hovana tanteraka ary hohavaozina araka ny endriky ny fahadiovany. Ilisy hanoanana sy hetahetam-panahy, mba ho tonga tahaka Azy Izay ankalazaintsika. Arakaraka ny habetsahan’ ny isaintsainantsika an’ i Kristy no habetsahan’ ny ilazantsika Azy amin’ ny olon-kafa sy ainpisehoantsika Azy amin’ izao tontolo izao. NK 80.1

Tsy nosoratana ho an’ ny olo-mahay ihany ny Baiboly, la nokasaina ho an’ ny an-kabeazam-bahoaka koa. Ny zava-dehibe tsy maintsy ilaina amin’ ny famonjena dia natao miharihary toy ny mitataovovonana, ary tsy hisy ho diso afa-tsy izay manaraka ny hevitry ny tenany ihany, fa tsy ny sitrapon’ Andriamanitra voambara mazava ao amin’ ny teniny. NK 80.2

Tsy tokony handray ny fanambaran’ olona, na iza na iza, ny amin’ izay ampianarin’ ny Soratra Masina isika, fa ny tenantsika no tokony handinika ny tenin’ Andriamanitra. Raha ny olon-kafa no avelantsika hihevitra ho antsika, dia ho mikolepaka ny hafanampontsika, ary ho botry ny fahaizantsika. Ny herintsaina ambony dia tonga hetry, noho ny tsy fampiasana azy amin’ ny zavatra mendrika hihandrinany, ka very ny fahaizany handray hevi-dalina ao amin’ ny tenin’ Andriamanitra. Mihamalalaka ny saina raha ampiasaina amin’ ny fikarohana ny firaisan’ ny foto-kevitra ao amin’ ny Baiboly, ka mampitaha ny soratra amin’ ny soratra ary ny momba ny fanahy amin’ ny fanahy. NK 80.3

Tsy misy zavatra azo heverina ho manatanjaka ny saina kokoa mihoatra noho ny mandinika ny Soratra Masina. Tsy misy boky hafa manan-kery hanandratra ny eritreritra sy hanatanjaka ny toe-tsaina tahaka ny lahamarinan’ ny Baiboly izay malalaka sady mahasoa. Raha ny tenin’ Andriamanitra no dinihina araka izay tokony handinihina azy, dia hanana saina malalaka sy toetra ambony ary faharetana izay tsy hita afa-tsy indraindray foana amin’ izao andro izao. NK 80.4

Nefa raha atao an-kamehana ny famakiana ny Soratra Masina, dia kely foana ny soa amin’ izany. Angamba misy olona mahavaky ny Baiboly tapitra, nefa tsy mahita ny hatsaràny, na mahalala ny heviny lalina sady miaiina. Andininy anankiray dinihina ambara-pahazo tsara ny heviny, sy ambara-pahazava ny ikambanany amin’ ny plan’ ny famonjena dia mahasoa, noho ny mamaky toko maro tsy misy antony voafetra kendrena, na fahalalana azo ho enti-manao ny tsara. Aza avela hisaraka aminao ny Baibolinao. Mamakia azy isaky ny misy fotoana kely ahafahanao. Mahazo mamaky andininy iray hianao, na dia mandeha eny an-dalambe aza, dia eritrereto izay ho tafalentika ao an-tsainao. NK 81.1

Tsy hahazo fahendrena isika, raha tsy mikendry fatratra sy mandinika amim-pivavahana. Tsotra ny teny sasany ao amin’ ny Soratra Masina, ka mora azo, fa ny sasany kosa lalina, ka tsy mety ho azo avy hatrany. Tsy maintsy ampifampitahaina ny teny ao amin’ ny Soratra Masina. Tsy maintsy misy fikarohana lalina sy fiheverana fatratra arahim-bavaka amin’ ny anaovana izany. Hisy voka-tsoa lehibe ny fandinihana toy izany. Toy ny mpamaky vato mahita tsoriam-batosoa raha mihady tany, no hahitan’ izay mikaroka amim-paharetana ny Tenin’ Andriamanitra, ho toy ny rakitra miaiina, ka hahita ny fahamarinana ambony vidy indrindra, izay miaiina eo imason’ ny mpitady manao an-kambo Ny tenin’ ny Soratra Masina eritreretina ao am-po, dia toy ny ony mivoaka avy ao amin’ ny loharanon’ aina. NK 81.2

Aza mba mandinika ny Baiboly, na oviana na oviana, raha tsy mivavaka. Alohan’ ny hanokafana azy dia tokony hangataka ny fanazavan’ ny Fanahy Masina, ary dia ho azo izany. Rehefa tonga teo amin’ i Jesosy Natanaela, dia hoy Izy : “Indro ny tena Isarelita tsy misy fitaka. Hoy Natanaela taminy : Ahoana no ahafantranao ahy ? Dia namaly Jesosy, ka nanao taminy hoe : Fony tsy mbola niantso anao Filipo. dia hitako teo ambanin’ ny aviavy hianao 1 „ Tsinjon’ i Jesosy koa isika eo amin’ ny toerana mangina ivavahantsika, raha mangataka fahazavan-tsaina aminy, mba hahalalantsika ny marina, Homba izay mitady fitarihandàlana masina amin’ ny fo feno fanetren-tena ny anjely avy any amin’ ny lonenan’ ny mazava. NK 81.3

Mauandratra sy manome voninahitra ny Mpamonjy ny Fanahy Masina. Ny raharahany dia ny mampiseho an’ i Kristy sy ny hadiovan’ ny fahamarinany ary ny famonjena lehibe ananantsika amin’ ny alàlany. Hoy Jesosy hoe “Handray avy amin’ ny Ahy Izy, ka hanambara izany aminareo 1.” Ny Fanahin’ ny fahamarinana no hany Mpampianatra mahay manoro ny fahamarinan’ Andriamanitra. Endrey ny fahambonian’ ny fiheveran’ Andriamanitra ny zanak’ olombelona, fa nomeny ny Zanany ho faty hisolo azy, ary notendreny ny Fanahiny ho Mpampianatra sy ho Mpitari-dàlana azy lalandava ! NK 81.4