Ilay Fanantenana Lehibe

50/73

Notandremana hatrany ny tena Sabata marina

Hatramin’izay andro izay ka mandraka ankehitriny dia notrandremana ny Sabata. Na dia nahomby aza “ilay lehilahin’ota” tamin’ny fanitsakitsahana ny andro masin’Andriamanitra, dia nisy fanahy niafina tany amin’ny toerana mangina izay nanaja ny Sabata. Hatramin’ny fanavaozana ara-pivavahana no ho mankatý dia nisy olona nitozo tamin’ny fitandremana azy isan-taranaka nifandimby. IFL 71.2

Ireo fahamarinana ireo, araka ny ifandraisany amin’ny “filazantsara mandrakizay’’ dia hampiavaka ny fiangonan’i Kristy amin’ny fotoana hisehoany. ” Indro, ny faharetan’ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy“Apôk. 14:12. IFL 71.3

Ireo izay nandray ny fahazavana mikasika ny fitoerana masina dia diboky ny hafaliana raha nahita ny firindran’ny fahamarinana. Niriny ny hizara amin’ny Kristianina rehetra ny fahazavana. Nefa ny fahamarinana izay ho nampiavaka azy tamin’izao tontolo izao dia tsy nankasitrahan’ny maro izay mihambo ho mpanaraka an’i Kristy. IFL 71.4

Rehefa naseho ny fitakian’ny Sabata dia betsaka no nisaina hoe: ” Nitandrina ny Alahady foana izahay, ny razanay nitandrina izany, ary maro ny olona tsara sy tia vavaka no maty tamimpahasambarana teo am-pitandremana izany. Ny fitandremana ity Sabata vaovao ity dia hampifanipaka anay amin’izao tontolo izao ka tsy ho afaka hiasa mangina aminy izahay. Inona no mba azon’ny antokon’olom-bitsy mitandrina ny andro fahafito antenaina hatao hoenti-manohitra an’izao tontolo izao izay mitandrina ny Alahady?” Fonjan-kevitra toy izany no niezahan’ny Jiosy nanamarina ny fandavany an’i Kristy. Toy izany koa tamin’ny andron’i Lotera, nandahatra ny papista fa Kristianina marina no efa maty tamin’ny finoana katôlika, koa noho izany dia ampy ho famonjena io fivavahana io. Ny fomba fisaina toy izany dia hita fa tena fefy manakana tokoa ny fandrosoana rehetra eo amin’ny finoana. IFL 71.5

Betsaka no nanantitrantitra fa foto-pinoana efa niorina ny fitandremana ny Alahady sady fanao efa mahazatra hatraiza hafraiza ny fiangonana efa an-jaton-taona maro izao. Hoentimanohitra io fonjan-kevitra io dia naseho fa efa tranainy kokoa sy niely bebe kokoa ny Sabata sy ny fitandremana azy, eny, fahagola tahaka an’izao tontolo izao mihitsy. IFL 72.1

Noho ny tsy nahazoany niantehitra tamin’ny fanambaran’ny Soratra Masina, dia maro no nikiribiby nanantitrantitra hoe: “Nahoana ny olona ambony ao amintsika no tsy mahalala ny momba io Sabata io? An-kavitsiana no mba mino tahaka anareo. Tsy azo ekena mihitsy izany hoe ny anareo no marina fa diso avokoa ireo olona manam-pahaizana eto amin’izao tontolo izao“. IFL 72.2

Mba hanoherana ny fonjan-kevitra toy izany dia ampy ny nilaza ny fampianaran’ny Soratra Masina sy ny tantaran’ny fifandraisan’ny Tompo tamin’ny vahoakany nandritra ny taona nifandimby. Ny antony tsy ifidianany matetika loatra olona manam-pahalalana sy ambony toerana hitarika ny fihetsehana fanavaozana dia noho izy ireny mitoky amin’ny fanekem-pinoany, ny laha-kevitra sy ny rafitra ara-teôlôjia eo aminy ka tsy mahatsapa fa mila hampianarin’Andriamanitra. Indraindray olona tsy nandia fianarana tany amin’ny sekoly ambony no antsoina hanambara ny fahamarinana, tsy noho izy tsy manam-pahalalana anefa, fa noho izy tsy mihevi-tena loatra ho ampy ka azon’Andriamanitra ampianarina. Ny fanetren-tenany sy ny fankatoavany no mahalehibe azy. IFL 72.3