Ilay Fanantenana Lehibe
Averina amin’ny laoniny indray ny fahamarinana
Ny asa fanavaozana momba ny Sabata izay voatondro hotanterahina amin’ny andro farany dia voambara mialoha ao amin’ny faminanian’i Isaià: «lzao no lazain’i Jehovah: Tandremo ny rariny ary manaova ny marina, fa efa madiva ho tonga ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako. Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany ary ny zanak’olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tànany tsy hanao izay ratsy akory (...)” ” Ary ny hafa firenena, izay efa nanaiky ho an’i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’i Jehovah mba ho mpanompony - dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko - dia hoentiko any an-tendrombohitro masina, ka hampifaliako ao antranoko fivavahana” - Isa. 56:1,2,6,7. IFL 68.3
Ireo teny ireo dia ampiharina amin’ny andro kristianina, araka ny asehon’ny teny manaraka: «lzao no lazain’i Jehovah Tompo, izay mamory ny Isiraely voaroaka: mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy» - and. 8. Voambara mialoha eto ny fanangonana ny Jentilisa amin’ny alalan’ny filazantsara, rehefa hotorian’ny mpanompony amin’ny firenena rehetra ilay hafatra entin’ny vaovao mahafaly. IFL 69.1
Izao no baikon’ny Tompo: «Fehezo ny teny vavolombelona, ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin’ny mpianatro» - Isa. 8:16. Ny tombo-kasen’ny lalàn’Andriamanitra dia hita ao amin’ny didy fahefatra. Io ihany, amin’izy folo, no sady mampiseho ny anarana no manambara koa ny fahefan’llay Mpanome ny lalàna. Rehefa novan’ny fahefana papaly ny Sabata, dia nesoriny tsy ho eo amin’ny lalàna ny tombo-kase. Antsoina ny mpianatr’i Jesôsy hamerina izany amin’ny fanandratana ny Sabatan’ny Didy fahefatra ho amin’ny tena toerany maha-tsangambaton’ny Mpamorona Azy sy famantarana ny fahefany. IFL 69.2
• Ankehitriny dia manantitrantitra ny Prôtestanta fa ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny Alahady no nahatonga izany ho Sabata kristianina. Tsy nanome voninahitra toy izany io andro io na i Kristy na ny Apôstôly. Ny nahatonga ny fitandremana ny Alahady ho fomba kristianina dia avy amin’ny “zava-miafin’ny tsy fankatoavan-dalàna. “2 Tes. 2:7, izay efa nonomboka ny asany, na dia tamin’ny andron’i Paoly aza. Antony misy lanjany inona no najoro anohanany fanovana izay tsy ankatoavin’ny Soratra Masina? IFL 69.3
Eken’ny Prôtestanta fa ” mangina tanteraka ny Testamenta Vaovao momba ny baiko mazava mampitandrina ny Sabata [Alahady, andro voalohany amin’ny herinandro] sy momba ny fitsipika mazava ny amin’ny fomba fitandremana izany.” - George Elliott, The Abiding Sabbath, t. 184. IFL 69.4
“Hatramin’ny fotoana nahafatesan’i Kristy, dia tsy nisy fiovana momba ny andro”; ary, ” araka ny asehon’ny teny firaketana, ny apôstôly dia tsy nanome baiko mazava mitarika ny olona hiala amin’ny Sabatan’ny andro fahafito ka hitandrina izany amin’ny andro voalohany amin’ny herinandro.” - A. E. Waffle, The Lord’s Day, tt. 186-188. IFL 70.1
Eken’ny Katôlika Rômanina fa ny fiangonany no nanova ny Sabata, ary nambarany fa manaiky ny fahefany ny Prôtestana amin’ny fitandramany ny Alahady. Izao no fanambaran’izy ireo: “Tamin’ny andron’ny lalàna taloha, dia ny Asabotsy no andro nohamasinina; nefa ny Eglizy, izay nampianarin’i Jezo Kristy, sy notarihin’ny Fanahin’Andriamanitra, dia nanolo ny Asabotsy tamin’ny Alahady; noho izany isika ankehitriny dia manamasina ny andro voalohany fa tsy ny andro fahafito. Ny Alahady dia midika hoe andron’ny Tompo ary izany izy ankehitriny!“(Katesizy Katôlika momba ny Fivavahana Kristianina). IFL 70.2
Mbola miverina ihany ny baiko manao hoe: «Ezaho ny fiantsoanao, fa aza atao malemy, asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ny anjomara, ka ambarao amin’ny oloko ny fahadisoany». Ireo izay lazain’i Jehôvah fa “oloko”, no anariny noho ny fandikandalàna ataony, antokon’olona izay mihevitra ny tenany ho marina ary toa maneho zotom-po fatratra amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Porofoin’ny fanomezan-tsiny henjana sy manetriketrika ataon’llay Mpandinika ny fo anefa fa manitsakitsaka ny didin’Andriamanitra izy. (Isa. 58:1,2). IFL 70.3
Toy izao no ampibaribarian’ny mpaminany ny didy izay navela: ” ary izay taranakao no hanangana izay efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe: ‘Mpanamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin’ny tany’. Raha miaro ny tongotrao amin’ny sabata hianao ka tsy manao izay tianao amin’ny androko masina, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin’i Jehovah hoe mendrika hohajaina ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin’ny lalanao na manao izay tianao, na miteniteny foana, - dia hiravoravo amin’i Jehovah hianao“Isa. 52:12-14. IFL 70.4
Nahabangana ny lalàn’Andriamanitra rehefa novan’ny fahefana rômanina ny Sabata. Tonga anefa ny fotoana hamerenana amin’ny laoniny indray iza efa naorin’Andriamanitra. IFL 70.5
Ny Sabata dia notandreman’i Adama fony izy tsy nanan-tsiny tao Edena masina; ary mbola notandreman’i Adama koa rehefa lavo izy nefa nibebaka, ka voaroaka hiala tamin’ilay toerampahasambarana nisy azy. Notandreman’ireo patriarka rehetra izany, nanomboka tamin’i Abela ka hatramin’i Nôà ilay marina, hatramin’i Abraháma sy i Jakôba. Rehefa nanafaka an’i Isiraely i Jehôvah, dia nambarany tamin’ny fomba manetriketrika indrindra tamin’ny vahoaka marobe tafavory ny lalàny. IFL 71.1