Ilay Fanantenana Lehibe

21/73

Ho voavonjy daholo ve ny olona rehetra?

Ireo izay mino fa ho voavonjy daholo ny olona rehetra dia manolana ny Soratra Masina. Averin’ny mpitandrina milaza azy ho mpanompon’i Kristy ny lainga nolazain’ny menarana tany Edena hoe: «Tsy ho faty tsy akory hianareo». «Amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an’Andriamanitra hianareo». Nambarany fa ny mpanota faran’izay ratsy indrindra - ny mpamono olona, ny mpangalatra, ary ny mpijangajanga - dia hiditra ao amin’ny fahasambarana mandrakizay aorian’ny fahafatesana. Tena angano mahafinaritra tokoa, mifanentana indrindra amin’izay hamalifaly ny fo araka ny nofo! IFL 35.1

Raha marina fa mandeha mivantana ho any an-danitra ny olona rehetra amin’ny ora ahafatesany, dia aleontsika mitsiriritra ny fahafatesana toy izay ny fiainana. Maro no voataonan’izany finoana izany hanapitra ny androny. Rehefa manafotra ny adintsaina sy ny hadisoam-panantenana, dia toa mora foana ny manapaka ny tady marefon’ny aina ka handeha hiakatra ho any amin’ny fahasambarana any amin’ilay toerana maharitra mandrakizay. IFL 35.2

Nomen’Andriamanitra ao amin’ny teniny ny porofo azo antoka maneho fa hofaiziny ny mpandika ny lalàny. Be famindrampo loatra ve Izy ka tsy hampihatra ny didim-pitsarany amin’ny mpanota? Jereo ny hazo fijalian’i Kalvary. Ny nahafatesan’ny Zanak’Andriamanitra dia vavolombelona maneho fa «fahafatesana no tambin’ny ota» - Rôm. 6:23, fa tsy maintsy handray ny valiny sahaza azy avokoa ny fandikana rehetra ny didin’Andriamanitra. I Kristy, llay tsy nanana ota dia natao ota ho an’ny olona. Nizaka ny heloky ny fandikan-dalàna Izy, sy niaritra ny nanafenan’ny Rainy ny tavany taminy, mandra-pahavaky ny fony sy mandra-pahafaka ny ainy. Izany rehetra izany no nataony dia ny mba hahazoana manavotra ny mpanota. Koa ny fanahy rehetra izay mandà, tsy mety hanana anjara amin’ny fanavotana nomanina tamin’ny fomba sarobidy toy izany dia tsy maintsy mizaka samirery ny heloky ny fandikan-dalàna sy ny sazin’izany. IFL 35.3