Ilay Fanantenana Lehibe

20/73

Ny fampianaran-diso ny amin’ny fampijaliana mandrakizay

Vokatry ny fampianaran-diso ny amin’ny fampijaliana mandrakizay ny’ratsy. Ny fivavahan’ny Baiboly, izay feno fitiavana sy hatsaram-panahy, dia hamaizinina amin’ny finoanoam-poana sy tafina horohoro. Tamin’ny endrika diso no nanoritan’i Satana ny toetra amam-panahin’Andriamanitra. Atahorana, angovitana, eny, ankahalaina mihitsy aza ny Mpahary antsika be famindrampo. Ireo sary mahatsiravina anehoana an’Andriamanitra izay miely patrana eran-tany noho ny fampianarana avy eny ambony polipitra, dia nahatonga olona an-tapitrisany tsy mino an’Andriamanitra intsony sy lasa mandà Azy. IFL 34.1

Ny fampijaliana mandrakizay dia anankiray amin’ireo fampianaran-diso voaharoharo ao amin’ny divain’ny fijangajangan’i Babilôna, izay ampisotroiny ny firenena rehetra (Apôk. 14:8; 17:2). Nanaiky io fampianaran-diso avy tamin’i Rôma io ireo irak’i Kristy, tahaka ny nandraisany ny sabata sandoka. Raha miala amin’ny tenin’Andriamanitra isika, ka manaiky fampianaran-diso satria nampianarin’ny razantsika izany, dia ho tratry ny fanamelohana an’i Babilôna isika ka misotro amin’ny divain’ny fijangajangany. IFL 34.2

Misy antokon’olona maro voatarika ho amin’ny hevi-diso mifanohitra amin’izany. Hitany fa asehon’ny Soratra Masina ho be fitiavana sy mangora-po Andriamanitra ka tsy azony inoana fa handefa ny olona nohariny ho amin’ny afon’ny helo mirehitra mandrakizay Izy. Tazonin’izy ireo anefa ny toetra tsy mety maty rahateo ananan’ny fanahy, ka tsoahiny avy amin’izany ny fehinkevitra milaza fa ho voavonjy ny olombelona rehetra. Noho izany dia azon’ny mpanota atao ny mivelona amin’ny fahafinaretana feno fitiavan-tena, tsy miraharaha izay fitakian’Andriamanitra nefa dia manantena ny hahazo ny fankasitrahany. Ny fampianarana toy izany, izay mitompo teny fantatra ny amin’ny famindrampon’Andriamanitra, nefa tsy te hahalala ny fahamarinany, dia mahafaly ny fo ara-nofo. IFL 34.3