Fanompoana Kristianina
Mahalala Onony
Raha mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahalalana onony eo amin’ny fihinana sy fitafy ary amin’ny asa ny zanak’Andriamanitra tsirairay, dia hahavita tsara indrindra amin’ny asan’Andriamantira izy. Rehefa teren’ny asa sy ny ahiahy ny mpiasa, ary miasa mafy loatra ny sainy sy ny vatany, dia tokony hisintaka sy haka aina kely izy, tsy noho ny fanomezana fahafaham-po ny fitiavan-tena, fa mba hahatonga azy ho voaomana tsara ho amin’ireo adidy ho avy. Manana fahavalo mailo isika, izay mamandrika antsika mandrakariva hanararaotra ny fahalementsika, ka mety hahomby ireo fakampanahy mitaona ho amin’ny ratsy. Rehefa niasa mafy ny saina ary reraka ny vatana dia mahazo vahana izy, ka tereny amin’ny fakampanahy mahery vaika ny fanahy, ka mety handavo ny zanak’Andriamanitra izy. Aoka hampiasa amimpitandremana sy tsy handanilany foana ny heriny ny mpiasa ho an’Andriamanitra; ary rehefa reraky ny asa mafy izay tsy maintsy tonga eo aminy dia avelao izy hisintaka kely sy hiala sasatra ary hiray amin’i Jesôsy. - RH, 14 Nôv. 1893. FK 347.4
Ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny herintsika ara-batana dia mahafohy ny fotoana izay ahazoantsika mampiasa ny fiainantsika ho voninahitr’Andriamanitra, ary mahatonga antsika koa tsy ho afaka hanatanteraka ny asa nomen’Andriamanitra hataontsika. Ny famelantsika ny tenantsika hamorona fahazaran-dratsy eo amin’ny fiaretantory izany, eo amin’ny fampanaranam-po ny hatendan-kanina hanimba ny fahasalamana, dia fanorenana ataontsika ho an’ny fahosana. Ny fanaovana an-tsirambina ny fampiasantena, ny fampiasana tafahoatra ny saina na ny vatana, dia mahatonga fikorontanana ao amin’ny raharaha ataon’ny rafikozatra mibaiko ny hozatra samihafa. Ireo izay mahafohy ny androny toy izany ka mahatonga ny tenany ho tsy afaka hanao asa fanompoana amin’ny finiavana handika ny lalàn’ny zavaboahary, dia meloka noho ny fandrobany an’Andriamanitra, ary mandroba ny namany koa izy. Satria nohafohezina ny fotoana izay nahazoany ho tonga fitahiana ho an’ny hafa - dia ny antony nampisy azy teto amin’izao tontolo izao. Ary nanjary tsy afaka nanao na dia izay nety ho tanterany tamin’ny fotoana fohy kokoa aza izy. Tanan’ny Tompo ho meloka isika rehefa manakana ny soa ho an’izao tontolo izao noho ny fahazarana manimba iainantsika. - HF, tt. 301, 302. FK 348.1
Tena mamindra fo sy be fiantrana ary marina ny Andriamanitsika eo amin’ny zavatra rehetra takiny. Tsy mangataka antsika hanao ezaka hahavery ny fahasalamantsika na hampahalemy ny herin’ny saintsika Izy. Tsy hampiasa antsika eo ambany fanerena sy ezaka mafy ambara-pahatrotraka sy mahalany ny herintsika Izy. Nomen’Andriamanitra herin-tsaina isika, ary ny faniriany dia ny hitaizantsika izany herin-tsaina izany sy hanaovantsika asa mifandrindra amin’ny lalàn’ny fiainana novolena ao anatintsika. Ka hankatò ireny mba hananantsika lamina voalanjalanja tsara. Mifandimby ny andro, ary samy manana ny adidy sy andraikitra entiny, fa ny asa ho rahampitso dia tsy tokony havangongo androany. Ny mpanao ny asan’Andriamanitra dia tokony hahatsapa ny fahamasinan’ny karazan’ireny, sy tokony hanomana ny tenany ho amin’ny asa rahampitso amin’ny fampiasana ny heriny amim-pahendrena anio. - RH, 7 Nôv. 1893. FK 349.1