Fanompoana Kristianina

249/272

Fanetren-Tena

Eo amin’ny fifidianana lehilahy sy vehivavy ho amin’ny fanompoana Azy, dia tsy nanontany ny fari-pahaizany na ny fahaizana mandaha-teny na ny hareny araka izao tontolo izao Andriamanitra. Ny fanontaniany: “ Moa miaina amimpanetren-tena izay ahafahako mampianatra azy ny lalako ve izy? Afaka mametraka ny teniko eo amin ‘ny molony ve aho? Haneho Ahy ve izy?” - TFC, b. 7, t. 144. FK 345.2

Eo amin’ny fiezahana hanampy ny mahantra sy ny ampahorina ary ny ory, dia aza miasa ho azy hampisondrotra ny haavon’ny fahamendrehanao sy ny fahambonianao, satria raha noho izany antony izany dia tsy hahavita na inona na inona ianao. - TFC, b. 6, t. 277. FK 346.1

Ny hahatonga ny fiangonantsika hahery sy hahomby eo amin’ny ezaka ataony, dia tsy asa mitabataba fa mangina sy manetry tena; tsy matso na teny tsy misy heviny firy, fa ezaka amim-paharetana, ombam-bavaka sy fahazotoana. - TFC, b. 5, t. 130. FK 346.2

Mitondra fitahiana ny fanetren-tena noho ny faharesena amin’ny alalan’ny fanehoantsika ny tsy fahafahantsika manao ny sitrapon’Andriamanitra tsy misy ny fanampiany. - PP, t. 633. FK 346.3

Ilaina eo amin’ny asa mitety trano ny talentan’ny tambanivohitra izay manetry tena, sy afaka mahavita be amin’io asa io noho ireo manana fanomezam-pahasoavana maro sy mamiratra. - TFC, b. 9, tt. 37, 38. FK 346.4

Liana amin’ny asa izay ataon’ny mpitondra ny hafatr’Andriamanitra amin’ny anaran’i Jesôsy Kristy avy any Nazareta eto amin’izao tontolo izao, ny lanitra manontolo. Asa tena lehibe io, ry rahalahy sy anabavy, ary tokony hanetry tena isan’andro eo anatrehan’Andriamanitra isika, ary hahatsapa fa tsy tanteraka ny fahendrentsika. Tokony hifantoka ao amin’ny asa amim-pahitsiana isika. Tsy tokony hivavaka amin’Andriamanitra hampietry antsika isika, satria raha Andriamanitra no mifehy antsika, dia hampietry antsika amin’ny fomba izay tsy ho tiantsika. Kanefa isika dia tsy maintsy manetry ny tenantsika isan’andro isan’andro eo amin’ny tana-maherin’Andriamanitra. Hiasa amin- tahotra sy hovitra ho famonjena ny tenantsika isika. Rehefa Andriamanitra no miasa ao anatintsika na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony, dia hiara-hiasa Aminy isika ary Izy hiasa amin’ny alalantsika. - RH, 12 Jol. 1887. FK 346.5

Tsy maintsy miezaka mafy isika ho tafiditra amin’ny vavahady ety. Kanefa io vavahady io dia mipetaka mafy amin’ny saviliny. Tsy ho tafiditra eo ny olona misalasala. Tsy maintsy miezaka mafy hahazo ny fiainana mandrakizay isika, omban’ny hery mifanaraka amin’ny tombambidin’ny loka eo anoloantsika. Tsy vola izany na tany na toeram-boninahitra, fa ny fananana toetra tahaka ny an’i Kristy no hamoha ny vavahadin’ny paradisa ho antsika. Tsy fahamendrehana, tsy fahalalana ara-tsaina ambony, no hahazahoantsika ny satroboninahitry ny tsy fahafatesana. Ny mpankatò sy manetry tena ihany, izay manana an’Andriamanitra ho heriny no handray io fanomezana io. - SW, 16 Apr. 1903. FK 347.1

Rehefa avy manao asa misiônera ianao dia aza midera ny tenanao fa i Jesôsy ankalazaina; asandrato ny hazo fijalian’i Kalvary. - TFC, b. 5, t. 596. FK 347.2

Mialoha ny voninahitra ny fanetren-tena. Mifidy mpiasa tahaka an’i Jaona Mpanao batisa izay naka toerana ambany teo anatrehan’Andriamanitra ny Lanitra, mba hitana toerana ambony eo anatrehan’ ny olona. Ny mpianatra mitovy amin’ny zaza indrindra no mahomby kokoa amin’ny asa ho an’Andriamanitra. Afaka miara-miasa amin’izay mitady ny hamonjy fanahy, fa tsy ny hanandratra ny izaho ny hery sy ny sain’ny lanitra rehetra. - IFM, t. 468.3 . FK 347.3