Fanompoana Kristianina

229/272

Fangorahana Sy Fahaizana Mifandray Aman’Olona

Eo amin’ny sampana tsirairay eo amin’ny asan’Andriamanitra dia mila lehilahy sy vehivavy mangoraka ny fahorian’ny olombelona; kanefa vitsy ny fangorahana toy izany. - RH, May 6, 1890. FK 326.3

Mila maneho ny fangorahana betsaka toa an’i Kristy isika; ka tsy mangoraka fotsiny ireo izay miseho ho tsy manan-tsiny eo amintsika, fa mangoraka ireo fanahy mahantra, mijaly ary miady mafy, izay latsaka tampoka matetika ao amin’ny fahadisoana sy ny fahotana ka mifona, ary alaim-panahy sy kivy. Handeha any amin’ireo mpiarabelona amintsika isika, amin’ny fo tohina mahatsapa ny fahalemeny tahaka ilay Mpisoronabentsika Mpamindra fo. - GW, t. 141. FK 326.4

Amin’ny maha-vahoaka iray antsika dia betsaka ny zavatra verintsika noho ny tsy fahampian’ny fifangorahana sy ny fahaizana mifandray. Izy izay miresaka fahaleovantena sy manidy ny tenany samirery dia tsy mahafeno ny toerana kendren’Andriamanitra fa tokony ho azy. Zanak’Andriamanitra isika, mifampiankina mba hisian’ny fahasambarana. Miantso antsika Andriamanitra sy ny olombelona tahaka antsika. Tsy maintsy manao ny anjarantsika amin’izao fiainana izao isika rehetra. Ny fikolokoloana ireo toe-javatra ara-piaraha-monina araka ny toetrantsika no hitondra antsika ho amin’ny fangorahana ny rahalahintsika, sy hanome antsika fifaliana eo amin’ny ezaka ataontsika hanasoa ny hafa. - TFC, b. 4, tt. 71, 72 . FK 327.1

Nasaina tamin’ny fanasan’ny Fariseo iray ny Mpamonjy indray andro. Nanaiky ny fiantsoana avy amin’ny manan-karena tahaka ny avy amin’ny mahantra Izy, ary araka ny fanaony dia nampifandraisiny tamin’ny lesona momba ny fahamarinana izay zavatra nandalo teo anatrehany. - HF, t. 187. FK 327.2