Fanompoana Kristianina
Faharetana
Miasa ho an’Andriamanitra ny tena Kristianina marina, tsy noho ny fahatairana, fa noho ny foto-kevitra; tsy mandritra ny indray andro na iray volana, fa mandritra ny fiainana manontolo. - CT, t. 518. FK 325.2
Mpiasa tsy nety sasatra ny Mpamonjy Tsy noferany tamin’ny ora ny asany. Ny fotoanany, ny fony, ny heriny dia nomena ho amin’ny asa hanasoa ny olombelona. Natokany ho amin’ny asa ny tontolo andro, nolaniany tamin’ny vavaka ny alina manontolo, mba haha-voaomana Azy hiatrika ny fahavalo fetsy amin’ny asa famitahany, sy nampaherezana Azy hanao ny asa fanandratana sy fanarenana ny olombelona. Tsy mandrefy ny asany amin’ny adin’ny valo ny lehilahy izay tia an’Andriamanitra. Miasa amin’ny ora rehetra izy, ary tsy mba mitomoemoe-poana. Raha mbola azony atao dia manao soa izy. Na aiza na aiza, amin’ny fotoana rehetra, ary amin’ny toerana rehetra dia ahitany fomba hiasana ho an’Andriamanitra. Mitondra fofomanitra miaraka aminy eny amin’ny toerana rehetra alehany izy. - TFC, b. 9, t. 45. FK 325.3
(...) Izay mametraka ny asan’ny Tompo eo amin’ny fahafaham-baraka amin’ny alalan’ny fihetsika tsy voahevitra, na mampiraviravy tanana ny mpiara-miasa aminy, dia mampifotitra eo amin’ny toetrany ihany ny loto izay tsy ho afaka mora foana. Manangana zava-mibahana lehibe eo amin’ny lalana tokony harahiny mba hahatonga azy ho mahasoa izy. - MM, tt. 540, 541. FK 326.1
“Ento ny ziogako”, hoy Jesosy. Fitaovana hoenti-miasa ny zioga. Asiana zioga ny omby mba hoentiny miasa ary tena ilaina ny zioga mba ahazoany miasa marina. Ampianarin’i Kristy antsika, fa nantsoina hanompo isika raha mbola maharitra koa ny fiainantsika. Tsy maintsy horaisintsika eo amintsika ny ziogany, mba hahatonga antsika ho mpiara-miasa Aminy. - IFM, t. 347. FK 326.2