Ny Dia Ho Eo Amin’ I Kristy
TOKO VII—Porofon’ ny maha-Kristiana
“Koa raha misy olona ao amin’ i Kristy, dia olom-baovao izy efa lasa ny zavatra taloha, indreo efá tonga vaovao ireo 1.” NK 53.1
Angamba misy olona tsy mahalala ny tena fotoana, na ny fitoerana niovany ho Kristiana, na mahalaza izay nahatonga azy hiova fo nefa tsy porofo izany tsy akory fa tsy voaova fo izy. Hoy Kristy tamin’ i Nikodemosy : “Ny rivotra mitsoka amin’ izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy 2 .” Tahaka ny rivotra no fiasan’ ny Fanahin’ Andriamanitra ao am-pon’ ny olona tsy hita maso, nefa hita sady tsaroana ny asany. Miteraka aina vaovao ao am-po sady mamorona tena vaovao, araka ny endrik’ Andriamanitra, izany hery manavao izany izay tsy hitan’ ny mason’ olombelona. Raha mbola mangina sady tsy hita akory ny asan’ ny Fanahy Masina, dia miharihary kosa ny vokany. My toe-piainana no vavolombelona fa voaovan’ ny Fanahin’ Andriamanitra ny fo. Raha tsy mahay manao na inona na inona hampiova ny fontsika isika, na hampifanaraka ny toetsika amin ‘ Andriamanitra raha tsy mahazo miantehitra kely akory amin’ ny tenantsika, na amin’ ny asa soa ataontsika isika, ny toe-piainantsika kosa dia hampiseho fa monina ao anatintsika ny fahasoavan’ Andriamanitra. Ary dia hisy fiovana ho hita amin’ ny toe-panahy sy amin’ ny fombafomba ary amin’ ny raharaha atao. Hazava sady tsy hisy hisalasalana ny fahasamihafan’ ny toetra taloha sy ny ankehitriny. Ny mampiseho ny toe-panahy dia tsy mba ny fanaovan-tsoa tsindraindray, na ny fahadisoana tsindraindray, fa ny fiasan’ ny fiteny sy ny fanao mahazatra. NK 53.2
Marina ihany fa misy olona mahay mitondra tena, na dia tsy mbola nohavaozin’ ny herin’ i Kristy aza. Mahatonga ny olona hitondra tena tsara ny fitiavana ho to teny sy ny faniriana hohajain’ ny olona. Ny fanajantsika tena no mitarika antsika hifady ny ratsy. Misy aza olona tia tena, nefa mety hanao asam-piantrana ihany. Ka inona ary no ahaíalàntsika na voaova fo isika na tsia ? NK 53.3
An’ iza ny fontsika ? Any amin’ iza ny eritreritsika ? Ny amin’ iza no tiantsika horesahina ? An’ iza ny fitiavantsika mafana indrindra sy ny herimpontsika tsara indrindra ? Raha an’ i Kristy isika dia any aminy sy ny aminy no alehan ny eritreritsika tsara indrindra. Izay rehetra ananantsika dia atolotra Azy avokoa. Irintsika ny hitovy endrika aminy, hivelona amin’ ny fanahiny, hanao ny sitrapony ary hampifaly Azy amin ny zavatra rehetra. NK 53.4
Izay rehetra efa tonga olom-baovao ao amin i Kristy dia manana ny vokatry ny Fanahy, “dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy. fanaovan-tsoa, fahamarinana. fahalemem-panahy, fahononam-po 1 .” Tsy mety mampanaram ny tenany intsony amin’ ny fìlàna taloha izy, fa noho ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra dia manaraka ny diany izy, misaintsaioa ny toetrany, ary manadio ny tenany ho tahaka Azy. Ny zavatra izay halany “taloha tonga tiany izao, ary izay tiany taloha kosa dia halany izao. Ilay niavonavona sy nitompo teny fantatra dia tonga malemy fanahy sy manetry tena. Ilay olompoana sady mpianjonanjona efa tonga maotona sady bonaika. Ny mpidoro-dava tonga mahalala onony, ary ny janga tonga madio. llaozana ny fomba sy ny lamodin’ izao tontolo izao. Tsy mitadyny firavahana eny ivelany ny Kristiana, fa ny “toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana 2 .” NK 54.1
Tsy misy afa-tsy ny fahatongavana hiova ho tsaratsara kokoa no azo lazaina ho porofon’ ny fibebahana marina. Raha misy mamerina ny antoka, manome indray izay norobainy, miaiky ny fahotany ary tia an’ Andriamanitra sy ny olona, dia mahazo matoky ny mpanota toy izany, fa efa tafafindra tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana. NK 54.2
Raha amin’ izao toetsika diso sady be fahotana izao isika no manatona an’ i Kristy, ka tonga mpiombona amin’ ny fahasoavany, dia hiboiboika avy ao am-pontsika ny fitiavana. Maivana avokoa ny entana rehetra, satria mora ny zioga ampitondrain’ i Kristy. Ny adidy tonga lifaliana ary ny fandavan-tena tonga fahalinaretana. Ny lalana izay toa voasaron’ ny aizina taloha dia tonga mazava azon’ ny famirapiratan’ Hay Masoandron’ ny Fahamarinana. NK 54.3
Ny hatsaran-tarehin’ ny toe panahin’ i Kristy dia ho hita amin’ ny mpanaraka Azy. Fifaliana ho Azy ny nanao ny sitrapon’ Andriamanitra. Filiavana an’ Andriamanitra sy hafanampo hampandroso ny voninahiny no hery nanapaka ny fiainan’ ny Mpamonjy. Nv litiavana no nahatonga ny asany rehetra ho tsara tarehy sady ambony. Ny fitiavana dia avy amin’ Andriamanitra. Ny fo tsy mbola nohamasinina dia tsy mahateraka, na mahatonga fitiavana. Amin’ ny fo izay anjakan’ i Jesosy ihany no ahitana io. “Isika tia, satria izy efa tia antsika taloha 1.” Ao amin’ ny fo izay efa nohavaozin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia ny fitiavana no fototry ny asa. Manova ny toe-panahy izy, manapaka ny herin-tsaina, mifehy ny faniriana, mandresy ny fandrafiana ary maha-ambony ny fitiavana. Izany fitiavana ao am-po izany no manamamy ny fiainana sady mahatonga hery manasoa ny manodidina rehetra. NK 54.4
Misy fahadisoan-kevitra roa izay tokony hotandreman’ ny zanak’ Andriamanitra indrindra — indrindra fa ireo izay vao zazavao amin’ ny finoana : Ny voalohany, izay efa voalaza rahateo, dia ny amin’ ireo izay mijery ny asan’ ny tenany, ka mitoky amin’ ny zavatra ataony mba hahazoana sitraka amin’ Andria-manitra. Izay mitady hohamasinin’ ny asan’ ny tenany amin’ ny fitandremana ny lalàna dia manandrana ny zavatra tsy lio azo atao, na oviana na oviana. Izay rehetra azon’ ny olona atao tsy ilàna an’ i Kristy dia mety ho voaloton’ ny fitiavan-tena sy ny ota. Ny fahasoavan’ i Kristy, dia ny fahasoavany ihany amin’ ny finoana, no mahazo manamasina antsika. NK 55.1
Ny fahadisoan-kevitra anankiray mifanohitra amin’ izany, sady mampididoza tsy latsaka noho izany, dia ny fiheverana fa ny finoana an’ i Kristy dia manala ny olona tsy hitandrina ny didin’ Andriamanitra. Ary satria finoana ihany no mahatonga antsika ho mpanana anjara amin’ ny fahasoavan’ i Kristy, koa dia tsy ilaina akory amin’ ny fanavotana antsika ny asantsika. NK 55.2
Nefa fantaro tsara, fa ny fankatoavana tsy fanekena fotsiny tsy akory, fa fanompoam-pitiavana. Ny lalàn’ Andriamanitra dia fanehoana ny tena toetrany indrindra. Ventin’ ny fitsipika lehibe amin’ ny fitiavana izany, ka dia fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra any an-danitra sy efy an-tany. NK 55.3
Raha havaozina araka ny endrik’ Andriamanitra ny fontsika raha aòrina ao anatin’ ny fanahintsika ny fitiavana an’ Andria-manitra moa tsy ho voaraka ao amin’ ny toe-piainantsika va ny lalàn’ Andriamanitra ? Raha ny lalàn’ Andriamanitra no miorina ao am-po, raha ny olona no havaozina araka ny endrik’ Ilay nahary azy, dia tanteraka ny teny fikasana amin’ ny fanekena vaovao hoe : “Hataoko ao am-pony ny lalàko, sady hosoratako ao an-tsainy 2.” Ary raha voasoratra ao am-po ny lalàna, moa tsy hamboatra ny toe-panahy va izany ? Fankataovana sy fanompoam-pitiavana no tena famantarana marina ny maha-mpianatr i Kristy. Ka izany no anaovan’ ny Soratra Masina hoe : “Fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny”. “Izay manao hoe : Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy no anatiny 1”. Ny finoana dia ny finoana ihany no mahatonga antsika ho mpiombona amin’ ny fahasoavan’i Kristy izay mahay mampankatò antsika, fa tsy manala antsika amin’ ny fankaloavana tsy akory. NK 55.4
Tsy ny fankatoavantsika no ahazoantsika famonjena, fa ny famonjena dia fanomezan’ Andriamanitra maimaim-poana raisina amin ny finoana. Nefa ny fanoavana dia vokatry ny finoana. “Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ola ary tsy mba misy ota ao aminy. Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota : izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy 2” Izao no tena porofo indrindra : Raha mitoetra ao amin’ i Kristy isika. raha mitoetra ao amintsika ny fitiavan’ Andriamanitra, ny fahatsiarovantsika. ny eritreritsika, ny fikasantsika, ny ataontsika dia samy hifanaraka amin’ ny sitrapon’ Andriamanitra, araka ny voalaza ao amin’ ny lalàny masina hoe : “Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo : izay manao ny marina no marina eny, marina tahaka Azy 2 .” Ny toetry ny hoe fahamarinana dia asehon’ ny’ lalàn Andriamanitra ho araka izay vonlaza ao amin’ ny Didy folo nomena tany Sinay. NK 56.1
Ny finoana an’ i Kristy izay mampihevitra fa tsy voatery hankatò an’ Andriamanitra ny olona. dia tsy finoana fa vinany. “Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ ny finoana.” Nefa “ny finoana raha tsy misy asa. dia maty mihitsy 3.” Talohan’ ny nahatongavan’ i Jesosy tety ambonin’ ny tany, dia hoy ny filazany ny tenany hoe : “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitrao ô, no sitrako; Ary ny lalànao no ato anatiko 4 .” Ary taloha kelin’ ny niakarany tany an-danitra indray, dia nolazainy fa efa nitandrina ny didin’ ny Rainy Izy. sady mitoetra ao amin’ ny fitiavany araky ny teny hoe : “Tahaka ny nitandremako ny didin’ ny Raiko sy ny itoerako amin’ ny fitiavany 5.” Hoy koa ny Soratra Masina hoe: “Ary izao no ahafantaranlsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremana ny didiny Izay milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa 6.” “Fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany 7. ” NK 56.2
Ny toetry ny fiainana mandrakizay ankehitriny dia sahala indrindra amin’ ny toetrany taloha ihany — ny toetry ny Paradisa talohan’ ny nahalavoan’ ny ray aman-drenintsika, izay nisy fankaloavana tanteraka ny lalan Andriamanitra sy fahamarinana feno, dia mbola toeny ihany koa ankehitriny. Ary raha toetra hafa latsaka noho izany no ahazoana ny fiainana mandrakizay, dia ho simba ny fahasambaran’ izao tontolo izao. Ary hivoha ny lalana hidiran ny ota mbamin’ ny forongony rehetra, dia loza sy fahoriana izay tsy ho azo vonoina mandrakizay. NK 56.3
Talohan’ ny nahalavoan’ i Adama dia azonynatao ny hanana toetra marina noho ny fankatoavany ny lalàn’Andriamanitra. Nefa tsy nahatanteraka izany izy, ary noho ny fahotany dia simba ny toetsika, ka tsy haintsika atao ny mahatonga ny tenantsika ho marina. Noho isika mpanota sady ratsy dia tsy azontsika atao ny hankatò tanteraka ny lalàna’ masina. Tsy ampy hifamatra amin’ izay ilain’ ny lalana ny fahamarinana ananantsika. Nefa Kristy efa nanao lalana hahafaka antsika. Velona teto ambonin’ tany Izy sady nohodidin’ ny fizahan-toetra sy ny fakampanahy toy izay mihatra amintsika. Velona tsy nanana ota Izy. Maty nisolo antsika Izy, ary izao dia manaiky hitondra ny fahotantsika sy hanome antsika ny fahamarinany. Raha omenao Azy ny tenanao, raha manaiky Azy ho Mpamonjy anao hianao, dia hisaina ho marina hianao noho” ny alalany, na dia efa ratsy fanahy aza. Ny toetr’ i Kristy no nisolo ny toetrao, ary ankasitrahana eo anatrehan’ Andriamanitra hianao, toy ilay tsy nanota iny akory. NK 57.1
Mihoatra noho izany dia manova ny fo koa Kristy. Mitoetra ao am-ponao amin’ ny finoana Izy. Tsy maintsy manao izay hampaharitra izany fikambanana amin’ i Kristy izany hianao amin’ ny finoana sy amin’ ny fanolorana ny sitraponao ho Azy. Ary arakaraka ny anaovanao izany no hiasany ao anatinao, na amin’ ny fikasana, na amin’ ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony. Ka dia azonao atao ny milaza hoe : “Izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra, Izay efa tia ahy, ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy 1.” Koa izany no nilazan’ i Jesosy tamin’ ny mpianany hoe : “Fa tsy hianareo no miteny, fa ny Fanahin’ ny Rainareo no miteny ao anatinareo2.” Amin’ izay, noho Kristy miasa ao anatinao, dia hampiseho toe-panahy sy hanao asa mitovy amin’ ny azy hianao. dia asam-pahamarinana sy fankatoavana. NK 57.2
Koa dia tsy manana na inona na inona amin’ ny tenantsika izay azo ireharehana isika. Tsy manana antony izay azo andokafan-tena isika. Ny hany anton’ ny fanantenantsika, dia ny fahamarinan’ i Kristy isaina ho antsika sy ny asan’ ny Fanahy Masina miasa ao anatintsika. NK 57.3
Raha milaza ny amin’ ny hoe finoana isika dia misy famarafarana tokony hotsarovana. Misy izay inoan’ ny saina nefa samy hafa mihitsy amin’ izay atao hoe finoana. Na dia Satana sy ny miaramilany aza dia tsy mahazo mandà velively akory ny fisian’ Andriamanitra sy ny heriny ary ny fahamarinan’ ny teniny. Lazain’ ny Baiboly fa “ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra 1” nefa tsy finoana izany. Ny tena finoana dia tsy finoana fotsiny ny tenin’ Andriamanitra, fa fanoavana ny sitrapony sy fanolorana ny fo ho Azy ary fanompanana ny fitiavana aminy — dia finoana izay miasa amim-pitiavana sady manadio ny fanahy. Amin’ izany finoana izany dia havaozina ny fo ho araka ny endrik’ Andriamanitra. Ary amin’ izany finoana izany, ny fo izay mbola tsy voaova, ka tsy mety sady tsy mahay mankatò ny lalàn’ Andriamanitra, dia manjary faly, ka miray feo amin’ ny mpanao Salamo hoe : “Endrey ny fitiavako ny lalànao !
Fisaintsainako mandrakariva izany2 ” Ary tanteraka “ny fahamarinana ilain’ ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araky ny Fanahy 3 .”
NK 57.4
Misy olona izay efa nahalala ny fitiavan’ i Kristy hamela heloka sady mba naniry marina tokoa ho tonga zanak’ Andriamanitra nefa tsaroany fa tsy mendrika ny fitondrantenany, be tsiny ny toe-piainany, ka dia misalasala izy, na efa nohavaozin’ ny Fanahy Masina ny fony, na tsia. Amin’ ny olona toy ireny dia hoy aho hoe : Aza mihemotra amin’ ny famoizam-po Tsy maintsy hihohoka sy hitomany matetika eo an-tongotry Jesosy isika noho ny tsy fahombiazana sy ny fahadisoantsika tsy tokony ho kivy. Ary na dia hoe resin’ ny devoly aza isika dia tsy ariana, na afoy na lavin’ Andriamanitra akory. Sanatria. Eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra Kristy manao fifonana ho antsika. Hoy Jaona mpianatra malalan’ ny Tompo hoe : “Izany zavatra izany no soralako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin’ ny Kay isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina 4.” Ary aza hadinoina koa ny tenin’ i Kristy manao hoe : “Fa ny Hay dia tia anareo 5.” Maniry anao ho tafaverina eo aminy Izy mba hahitany ny fahadiovana sy ny fahamasinan’ ny tenany mitaratra eo aminao. Ary raha mety manolotra ny tenanao ho Azy hianao dia Izy Izay nanomboka asa tsara tao anatinao, no hampandroso izany asa tsara izany ho amin’ ny andron i Jesosy Kristy. Mivavaha amin-kafanam-po bebe kokoa ary minoa amim-pahatokiana misimisy kokoa. Rehefa tonga tsy matoky ny herin’ ny tenantsika isika, dia aoka hatoky ny herin ny Mpanavotra antsika ary dia hidera Azy, dia Izy izay azontsika ianteherana. NK 58.1
Arakaraka ny anakaikezanao an’ i Jesosy, no mainka hisehoan’ ny tenanao ho bo, tsiny kokoa eo anatrehanao, satria mihamazava kokoa ny fahitanao ary ny kilemanao koa ho hita mifanohitra indrindra amin’ ny toetrany tsy misy tsiny. Izany no vavolombelona fa efa lany hery ny fanangolen’ i Satana; ka ny hery mahavelona avy amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra no manetsika anao. NK 58.2
Tsy misy fitiavana lalina an’ i Jesosy mahazo monina ao am-pon’izay tsy mahatsiaro ny faharatsian’ ny tenany. Hidera ny toetrany masina ny fanahy izay voaovan’ ny fahasoavan’ i Kristy nefa raha tsy mahita ny kileman’ ny toe-panahintsika isika, dia izany no vavolombelona tsy misy diso, fa tsy mbola nahazo antsaina akory ny fahatsarana sy ny fahambonian’ i Kristy isika. NK 59.1
Arakaraka ny hakelezan’ izay tiantsika hodokafana amin’ ny tenantsika no habetsahan’ izay hitantsika hodokafana amin’ ny fahadiovana sy ny hatsaran’ ny Mpamonjintsika. Ny fahalalantsika ny faharatsiantsika no manesika antsika ho any amin’ Ilay mahavela heloka. Ary raha ny fanahy izay mahatsiaro tsy fahombiazana no mitady an’ i Kristy dia hiseho amin-kery amin’ izany fanahy izany Izy. Arakaraka ny fanesiky ny fahantrantsika ho any aminy sy ho amin’ ny Tenin’ Andriamanitra no hiderantsika ny toetrany sy hanahafantsika ny endriny kokoa. NK 59.2