Ny Dia Ho Eo Amin’ I Kristy

7/14

TOKO VI—Finoana sy fandraisana

Noho ny fieritreretanao efa novelomin’ ny Fanahy Masina, dia mba efa misy hitanao ny faharatsian’ ny fahotana, ny heriny, ny hadisoany ary ny loza avy aminy, ka maharikoriko anao ny ny mihevitra azy. Tsaroanao fa ny fahotana no nampisaraka anao tamin’ Andriamanitra, sady voafehin’ ny heriny ratsy hianao. Ary arakaraky ny hamafin’ ny iezahanao hiala aminy, no ahatsiarovanao bebe kokoa ny halemenao. Maloto ny hevitrao; tsy madio ny fonao. Fantatrao fa efa feno fitiavan-tena sy fahotana ny fiainanao. Koa dia maniry mba havela heloka sy hodiovina ary hovotsorana hianao. Ary raha izay hoe fifanarahana amin’ An-driamanitra, na fitoviana aminy, inona moa no azonao atao hahazoana izany ? NK 47.1

Fiadanam-po no ilainao, izany hoe, famelan’ Andriamanitra ny helokao sy fihavanana aminy ary fitiavana ao am-po. Vola aman-karena tsy mahavidy izany fahaizana tsy mahazo azy fahendrena tsy mahatakatra azy, tsy mahazo manantena velively ny hahazo izany hianao, raha amin’ ny herin’ ny tenanao fotsiny. Nefa Andriamanitra mety manome azy ho anao maimaim-poana, “tsy amim-bola, na amin-karena 1 ”. Anao izany, raha mety manatsotra ny tànanao handray azy hianao. Hoy Jehovah hoe : NK 47.2

“Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo,
Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala,
Na dia mangatrakatraka tahaky ny sily aza,
Dia ho tahaka ny volon’ ondry fotsy 2 ”.
NK 47.3

“Homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo 3”. NK 47.4

Efa niaiky ny fahotanao hianao, ka tena niala taminy tokoa. Efa ninia hanome ny tenanao ho an’ Andriamanitra hianao, ka dia manatòna Azy, ary angalaho Izy hanadio ny fahotanao sy hanome anao fo vaovao, ary minoa fa hanao izany Izy, satria efa nanaiky fa hanao. Izany no lesona nampianarin’ i Jesosy, fony Izy tety ambonin’ ny tany, fa izay fanomazana eken’ Andriamanitra homena antsika, ka inoantsika, fa horaisina tokoa, dia ho azontsika. Nanasitrana ny aretin’ ny olona izay nino ny heriny Jesosy. Nanampy azy tamin’ny zavatra hita maso Izy mba hahatonga ireo hatoky Azy amin’ izay tsy hitany, ka hitarika azy hino ny heriny hamela heloka. Nolazainy mazava izany tamin’ ny nanasitranany ilay lehilahy mararin’ ny paralysisa, fa hoy Izy: “Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana ety ambonin’ ny tany hamela heloka, (dia hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa) : Mitsangàna, bètao. ny fandrianao, ka modia any an-tranonao 1 ” Toy izany koa no nolazain’ i Jaona Evanjelista, raha nanambara ny fanjakan’ i Kristy, fa hoy izy hoe: “Fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy Zanak’ Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin ny anarany, raha mino hianareo 2”. NK 47.5

Ny tantara tsotra ao amin’ ny Baiboly milaza ny nanasitranan’ i Jesosy ny marary, dia ahazoantsika manantena famelankeloka avy aminy. Aoka ange hotodihintsika ny tantaran’ ilay nararin’ ny paralysisa tany Betesda. Tsy nahavonjy tena Rangahy mahantra io tsy afa-nampiasa ny tongony aman-tànany izy nandritry ny valo amby telo-polo taona. Nefa Jesosy nandidy azy hoe : “Betao ny fandrianao, ka mandehàna3”. Tokony ho namaly ilay lehilahy narary, ka nanao hoe : “Tompoko, raha hanasitrana ahy Hianao, dia hanaiky ny teninao aho”. Nefa tsy izany no nataony, fa nino ny tenin’ i Kristy izy nino izy fa sitrana, ka dia nitsangana niaraka tamin’ izay. Nanao araka ny tenin’ i Kristy izy, ka dia nomen’ Andriamanitra hery. Dia sitrana izy. NK 48.1

Mpanota toy izany koa hianao. Tsy azon’ ny tenanao atao ny hahafaka ny fahotanao tamin’ ny lasa tsy hainao ny hanova ny fonao, ka hahatonga ny tenanao ho masina. Nefa manaiky hanao izany rehetra izany ho anao amin’ ny alàlan’ i Kristy Andriamanitra. Minoa izany teny fikasana izany. Itsory ny fahotanao, dia manolora tena ho an’ Andriamanitra. Miniava hanompo Azy. Ary araka ny anaovanao izany indrindra no hanatanterahan’ Andriamanitra ny teniny aminao. Raha mino izany teny fikasana izany hianao, — raha mino fa voavela heloka sady voadio hianao, dia hanefa ny anjarany kosa Andriamanitra ka ho sitrana hianao, dia tahaka an’ ilay lehilahy nararin’ ny paralysisa nomen’ i Kristy hery ho afa-mandeha, rehefa nino fa sitrana ny tenany.— Toy izany koa hianao raha mino. NK 48.2

Aza miandry hahatsiaro sitrana hianao, fa ataovy hoe : “Mino aho fa sitrana izany tokoa, tsy satria nahatsiaro fa sitrana, fa satria fikasan’ Andriamanitra ny hanasitrana ahy”. NK 48.3

Hoy Jesosy : “Na inona, na inona tononinareo amin’ ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany 3 .” Misy fepetra amin’ izany fanekena izany, dia ny amin’ ny hivavahantsika araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Fa sitrapon Andriamanitra ny hanadio antsika ho ufaka amin’ ny fahotana sy ny hanangana antsika ho zanany ary ny hananantsika toe-piainana masina. Ka dia mahazo mangataka ireny fitahiana ireny isika, ary minoa fa voaraintsika izy, dia misaora an’ Andriamanitra fa efa voaraintsika tokoa ireny. Tombon-tsoa ho antsika ny ahazoa-manatona an’ i Jesosy hodioviny, ka hitsangana tsy amin-kenatra na ama-nenina eo anatrehan’ ny lalàna. “Ary amin’ izany dia tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i Kristy Jesosy, — izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny fanahy. 1 NK 48.4

Hatramin’ izany dia tsy an’ ny tenanao intsony hianao, fa olom-boavidy. Tsy zavatra mety ho simba tahaka ny volafotsy sy ny volamena no nanavotana anareo.... fa ny ra soan’ i Kristy, toy ny ran’ ny zanak’ ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina 2”. Amin’ izany finoana tsotra an’ Andriamanitra izany, no efa naharian’ ny Fanahy Masina fiainambaovao ao am-ponao. Toy ny zazakely vao teraka ao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra hianao, ka tiany tahaka ny itiavany ny Zanany. NK 49.1

Koa satria efa nomenao an’ i Kristy ny tenanao, dia aza mihemotra na miala aminy, fa manaova isan’ andro hoe : “An’ i Kristy aho efa nomeko Azy ny tenako”. Ary angataho Izy mba hanoine anao ny Fanahiny, sy hitahiry anao amin’ ny fahasoavany. Ary satria ny fanoloranao ny tenanao ho an’ Andriamanitra sy ny finoanao Azy no mahatonga anao ho zanany, dia aoka ho araka izany koa no hivelomanao ao aminy. Hoy ny Apostoly hoe: “Tahaka ny nandraisanareo an’ i Kristy Jesosy Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa 3”. NK 49.2

Ny olona sasany mihevitra, fa tsy maintsy mihatsara aloha, sady tsy maintsy mampiseho fiovan-toetra eo anatrehan’ Andria-manitra, vao mahazo mandray ny fitiavany. Nefa na dia amin’ izao aza, dia mety ho azony ihany ny fitahian’ Andriamanitra. Tsy maintsy manana ny fahasoavany izy, dia ny Fanahin’ i Kristy mba hanampy azy amin’ ny fahalemeny, fa raha tsy izany dia tsy hahatohitra ny ratsy izy. Tian’ i Jesosy ny hanatonantsika Azy amin’ izao toetrantsika izao, dia izao ratsy sy malemy ary tsy mahaleo tena izao. Azontsika atao ny mitondra ny fahalementsika sy ny fahadalantsika ary ny faharatsiantsika ho eo aminy, ka hiankohoka eo an-tongony amin’ ny fibebahana. Voninahitra ho Azy ny misakambina amin’ ny tanam-pitiavana sy ny mamehy ny ferintsika ary ny manadio antsika ho afaka amin’ ny fahalotoana rehetra. NK 49.3

Izao no mahadiso ny olona betsaka : Tsy mino izy fa tena avelan’ i Jesosy ny helony. Tsy mitana an’ Andriamanitra amin’ ny tony nataony izy. Tombon-tsoa ho an’ izay rehetra manaiky ny fiantsoana ny mahalala fa ny famelan-keloka dja omena maimaim-poana hanafaka, na ota inona, na ota inona. Esory ny fisalasalana amin’ ny fiheverana hce tsy kasaina ho anao ny teny fikasan’ Andriamanitra. Ho an’ ny mpanota mibebaka rehetra izany. Hery sy fahasoavana efa voaomana amin’ ny alalan’ i Kristy no entin’ ny anjely mpanompo ho an ny fanahy mino rehetra. Tsy misy olona, na ratsy toy inona, na ratsy toy inona, ka tsy hahita hery sy fahadiovana ary fahamarinana ao amin’ i Jesosy Izay efa maty nisolo azy. Miandry izy mba hanendaka ny fìtafiany voapentina sy voaloton’ ny ota, ka hampiakanjo azy ny akanjo fotsin’ ny fahamarinana maniry ny hahavelona azy Izy, fa tsy ny hahafaty azy. NK 49.4

Tsy tahaka ny fifampiraharahantsika samy olombelona no iraharahan’ Andriamanitra amintsika. Ny heviny dia hevi-piantrana, hevi-pitiavana, hevi-pamindrampo. Hoy Izy : NK 50.1

“Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany,
Ary ny tsy marina hahafoy ny heviny
Ary aoka hiverina ho amin’ i Jehovah ireny,
Fa hamindra fo aminy Izy,
Eny, ho amin’ Andriamanitra,
Fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy 1 ”.
“Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona,
Ary ny fahotanao tahaka ny rahona 2”.
NK 50.2

“Fa tsy sitrako ny fahafatesan’ izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebàha hianareo mba ho velona 3”. Vonona hanala ny toky omen’ Andriamanitra anefa Satana. Ta-hanaisotra ny fanantenana mamelovelo sy ny fahazavana kely mangirana ao am-po izy, nefa aza avela hanao izany. Aza henoina ny feon’ ny mpaka fanahy, fa valio hoe : “Efa maty Jesosy mba hahavelona ahy. Tia ahy Izy ary tsy sitrany ny hahafatesako. ManandRay be indra-fo any an-danitra aho, ary na dia efa naniratsira ny fitiavany aza aho, na dia efa nandanilany foana ny fitahiana eta nomeny ahy aza aho, hitsangana aho dia hanatona ny Raiko, ka hanao hoe: “Efa nanota tamin’ ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy miendrika halao hoe zanakao intsony fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ ny olona karamainao aho 4”. Dia hoy ny filazan’ ny fanoharana aminao ny fomba nandraisana an’ ilay mpirenireny : “Fa raha mbola lavitra izy, dia tazaa-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy 5”. NK 50.3

Nefa na dia ity fanoharana feno fitiavana sady mampaogorakoraka ity aza. dia tsy mbola ampy hilazana tsara ny famindrampo tsy misy fetra ananan’ Ilay Ray any an-danitra. Hoy Jehovah, raha niteny tamin’ ny mpaminany : NK 50.4

“Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao,
Koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao 1.”
NK 51.1

Raha mbola lavitra ny tranon’ ny Ray ilay rapanota, ilay nandanilany foana ny fananany tany an-tany lavitra, dia nangoraka azy kosa ny fon’ ny Ray ary ny faniriana rehetra ao am-po izay voahetsika hiverina amin’ Andriamanitra, dia tsy inona fa fìtaoman’ ny Fanahy izay manambitamby sy miangavy ary mitaona ny mpirenireny ho ao amin’ ny fon’ Ilay Ray feno fitiavana. NK 51.2

Moa mbola misy isalasalanao ihany va izany teny fikasana mahafatra-po avy ao amin’ ny Baiboly, ka voapetraka eo anoloanao izany ? Raha ny mpanota mahantra no maniry hiverina ka ta-handao ny fahotany, moa ataonao va fa hisakana azy aminkatezerana Andriamanitra mba tsy hibebahany eo an-tongony ? Mialà amin’ ny hevitra toy izany ! Tsy misy zavatra mety manimba kokoa ny fanahinao, mihoatra noho ny iheveranao an’ Andriamanitra Ray ho toy izany. Halany ny fahotana, nefa tiany ny mpanota, ka nanolotra ny tenany tamin’ ny alalan’ i Kristy Izy, ka hovonjena izay rehetra mety mba hanana fahasambarana mandrakizay ao amin’ ny fanjakan’ ny voninahitra. Inona moa no teny mahery kokoa, na feno antra kokoa azo ampiasaina ho enti-manambara ny fitiavany antsika mihoatra noho ilay efa nolazainy hoe : NK 51.3

“Mety manadino ny zanany minono va ny vehivavy
Ka tsy hamindra fo amin’ ny zanaka naloaky ny kibony?
Eny, mety manadino ihany izy,
Fa Izaho kosa tsy mba manadino anao 2
NK 51.4

Akaro ambony kokoa ny fijerinareo izay misalasala sy mangovitra, fa velona hanao fifonana ho antsika Jesosy. Isaorana anie Andriamanitra, noho ny nanomezany ny Zanany malalany, ary mangataha mba tsy ho foana ny nahafatesany hisolo anao. Miantso anao ny Fanahy Masina anio. Manatòna an’ i Jesosy amin’ ny fo rehetra dia ho azonao ny fitahiany. NK 51.5

Raha mamaky ny teny fikasana hianao dia tsarovy fa fanehoam-pitiavana sy indrafo tapitra ohatra izy ireny. Ny fon’ Ilav Fitiavana tsy voafetra dia tarihin’ ny famindrampo tsy” hita lanv hanavotra ny mpanota : “Izy no ananantsika fanavotana amin’ ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika 3.” Eny, minoa fotsiny, fa mpanampy anao Andriamanitra. Tiany hohavaozina indray ny endriny ara-panahy ao amin’ ny olombelona. Raha manatona Azy amin’ ny fitsorana sy ny fibebahana hianao, dia hanatona anao amin’ ny famindrampo sy famelan-keloka Izy. NK 51.6