Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

5/342

Ny Voninahitry ny Filazantsara

Mba tsy hahavery ny vokatra feno fitahiana noho ny fahalalahan-tanana, dia novolavolain’ny Mpanavotra antsika ny drafitra fandraisana ny olona ho mpiara-miasa Aminy. Azon’Andriamanitra notratrarina tsy nisy ny fanampian’ny olona ny tanjony ho fanavotana ny mpanota; saingy fantany fa tsy afaka ny ho sambatra ny olona raha tsy mandray anjara eo amin’io asa lehibe io. Amin’ny alalan’ny toe-javatra maro mifanesy, izay manainga ny fiantran’ny olona, no anomezan’Andriamanitra azy ireo fitaovana tsara indrindra mba hambolena fahalalahan-tanana, sy ihazonany azy ho zatra hanome mandrakariva mba hanampiana ny mahantra sy hampandrosoana ny asany. Manan-javatra ilainy ity tontolo efa simba ity, ka izany no isintonany talenta avy amintsika, dia ny hoenti-manana sy ny hery miasa mangina, mba hanehoana amin’ny lehilahy sy amin’ny vehivavy ny fahamarinana, izay tena ilain’izy ireo fatratra. Ary raha mihaino ireo antso ireo isika, amin’ny alalan’ny asa sy amin’ny alalan’ny fahalalahan-tanana, dia ho voaova ho lasa tahaka ny endrik’Ilay izay lasa mahantra noho ny amintsika isika. Rehefa manome isika dia mitahy ny hafa, ary dia mamory harena tena izy amin’ny alalan’izany. TF 10.1

Ny filazantsara dia miorina eo amin’ny foto-kevitry ny famerenana ny endrik’Andriamanitra eo amin’ny taranaka lavo amin’ny alalan’ny fanehoana fahalalahan-tanana tsy an-kiato, ary dia vonihahitra ho azy izany. Nanomboka tany amin’ny toeram-pitsaran’ny lanitra io asa io. Tany no nanomezan’Andriamanitra ny olombelona ny porofo mazava sy mitohaka amin’ny tenda ny amin’ny fitiavany azy ireo. “Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. ” - Jao. 3:16. Maneho ny fon’ny Ray io fanolorana an’i Kristy io. Manaporofo izany fa raha notontosainy ny fanavotana antsika, dia tsy hiaro na inona na inona Izy, na dia lafo aza ny saran’izany, raha ilaina ho amin’ny fanatanterahana ny asany izany. TF 10.2

Ny toe-tsain’ny fahalalahan-tanana no toe-tsain’ny lanitra. Naseho teo amin’ny hazo fijaliana ny fitiavan’i Kristy feno fahafoizan-tena. Mba hahavoavonjy ny olona, dia nomeny avokoa izay rehetra nananany, ary rehefa izay dia natolony ny Tenany. Miantso ny fahalalahan-tanan’ireo mpanara-dia ny Mpamonjy rehetra ny hazo fijalian’i Kristy. Ny foto-kevitra asehony eto dia ny hoe: manome, ary manome hatrany. Io foto-kevitra io, izay tanterahina amin’ny alalan’ny fanaovan- tsoa marina sy ny asa tsara, no tena vokatry ny fiainana Kristianina marina. Ny foto-kevitra iainan’izao tontolo izao dia ny handray, ary handray hatrany. Amin’izany no anantenany fa hahazoany fahasambarana; kanjo fahoriana sy fahafatesana no vokatr’izay nafafiny. TF 11.1

Manameloka ny fitiavan-tena ary mampirisika ny fiantrana sy ny fahalalahan-tanana ny fahazavan’ny filazantsara izay mamirapiratra avy eo amin’ny hazo fijalian’i Kristy. Tsy tokony ho zavatra mampitaraina ny fitombon’ny antso mba hanome. Miantso ny olony Andriamanitra, ao anatin’ny fitondrany soa, mba hiala avy eo amin’ny sehatr’asa voafetra misy azy ireo, ka hiantsoroka asa lehibe kokoa. Ezaka tsy misy fetra no takina amin’izao fotoana izao, izay andrakofan’ny fahamaizinana ara-pitondran-tena izao tontolo izao. Olona maro amin’ny vahoakan’Andriamanitra no tandindomin- doza ho latsaka ao anatin’ny fandriky ny fiainana feno ny rehak’izao tontolo izao sy ny fitiavan-karena. Tokony ho takatr’izy ireo fa ny famindrampon’Andriamanitra no mampitombo ny fangatahana ny hoenti-manana eny aminy. Tokony hapetraka eo anoloany ireo tanjona izay miantso ny hisian’ny fahalalahan-tanana, raha tsy izany dia tsy afaka ny hanahaka ny toetran’ilay Ohatra lehibe izy ireo. TF 11.2