Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

99/342

An’Andriamanitra Ihany koa ny Ampahafolony tsy Naloa

Olona maro no nanao tsirambina nandritra ny fotoana ela ny fanehoana fahatokiana manoloana ny Mpanao azy. Tsy vitan’izy ireo ny nanokana ny ampahafolony isan- kerinandro, ka navelany nitambatambatra izany, mandra- pitentiny vola be, ka tena miahotra izy ireo ankehitriny ny hanao ny marina. Nohazonin’izy ireo io ampahafolony tsy naloa io, ka nampiasainy tahaka ny hoe azy mihitsy. Fananan’Andriamanitra anefa izany, izay tsy neken’izy ireo harotsaka ao amin’ny firaketany. - RH, 23 Des. 1890. TF 104.4