Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

97/342

Amin’Andriamanitra ny Adidy Voalohany

Misy olona mahatsapa fa manana adidy masina manoloana ny zanany. Tsy maintsy manome ampaham-pananana ho an’ny zanany tsirairay avy izy ireo, saingy mahatsiaro izy ireo fa tsy afaka manangom-bola mba hanampiana ny asan’Andriamanitra. Manala tsiny ny tenany izy ireo amin’ny filazana fa manana adidy manoloana ny zanany. Mety ho marina izany, saingy manoloana an’Andriamanitra ny adidiny voalohany (...). Aoka tsy hisy olona haneho ny fitakiany aminareo, ka hitarika anareo handroba an’Andriamanitra. Aoka tsy hangalatra ny fanatitrareo avy eo amin’ny alitaran’Andriamanitra ho amin’ny tombontsoany manokana ny zanakareo. - 1T 220. TF 102.3