Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

88/342

Voarakitra an-Tsoratra ny Mihazona izay an’Andriamanitra noho ny Fitiavan-Tena

Mamaky ny eritreritra feno fitiavam-bola ao amin’ny fo tsirairay izay mikasa ny hihazona ny anjarany Andriamanitra. Hitan’Andriamanitra ireo izay manao tsirambina feno fitiavan-tena ny fandoavana ny ampahafolony sy ny fitondrana ny fanomezana sy ny fanatitra ho ao an-trano firaketany Fantatr’i Jehôvah Tompo avokoa izany rehetra izany. Tahaka ny isian’ny boky iray izay soratana eo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehôvah sy mihevitra ny anarany, no andraketana an-tsoratra ihany koa ireo rehetra izay maka ho an’ny tenany ny fanomezana izay nankinin’Andriamanitra tamin’izy ireo, mba hampiasaina ho famonjem-panahy. - RH, 16 May 1893. TF 95.2