Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

30/342

Manome amim-Pifaliana Lehibe

Hihamatanjaka ny toe-tsain’ny fahalalahan-tanana kristianina rehefa ampiharina, ary tsy mila entanina amin’ny alalan’ny fomba tsy mendrika izany. Ireo rehetra manana io toe-tsaina io, ny toe-tsain’i Kristy, dia hitondra amim- pifaliana lehibe ny fanomezany ho ao an-trano firaketan’ny Tompo. Entanim-pitiavana an’i Kristy sy ireo fanahy izay nahafatesany ireo, ka mahatsiaro faharesen-dahatra laliny ny hanao ny anjarany amim-pahatokiana. — RH, 16 May 1893. TF 32.1