Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana
Ary Hotorina amin-Kery ny Hafatra
Tokony hampihatra fahaiza-mitahiry fatratra mihitsy ny vahoakan’ Andriamanitra eo amin’ny fitantanany ny hareny, mba hahafahany manan-javatra haterina eo Aminy, ka hilazany hoe “Fa avy tamin'ny Anao ihany no nanomezanay Anao.” Noho izany fitahiana noraisiny avy Aminy izany no anolorany fisaorana ho an’Andriamanitra. Ary mbola noho izany koa no hiariany ho azy ireo harena eo akaikin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. TF 336.1
Tokony nampiasaina hanomezana sakafo sy fitafiana ireo izay mijaly matin’ny hanoanana sy ny hatsiaka ny volabe lany araka ny fanaon’izao tontolo izao amin’ny fividianany fitafiana. Maro amin’ireo izay nanoloran’i Kristy ny ainy no zara raha mba manana ny fitafiana farany mora indrindra, sy izay fanaon’ny besinimaro, nefa ny hafa dia sahy mandany an’arivony dôlara amin’ny ezaka hanomezana fahafaham-po ny fitakiana tsy manam-piafaran’ny fanarahan-damaody. TF 336.2
Miantso ny olony Andriamanitra mba hiala amin’izao tontolo izao, sy hisaraka aminy. Ny fitafiana haitraitra sy lafo vidy dia tsy hambabo ireo izay mino fa efa velona amin’ny fiafaran’ny androm-pahasoavana isika ankehitriny. “Koa tiako,” hoy ny apôstôly Paoly raha nanoratra; “ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masina, tsy amin'ny fahatezerana na amin'ny fifandirana. Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin’ny volo mirandrana sy ny volamena, na vato soa, na fitafiana saro-bidy, fa amin’ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin'Andriamanitra. ” — 1 Tim. 2:8-10. TF 336.3
Na dia amin’ireo izay milaza ny tenany ho zanak’Andriamanitra aza dia mbola ahitana ireo izay manao fandaniana mihoapampana noho izay tokony holanina amin’ny resaka fitafiana. Marina fa tokony ho voahevitra sy manendrika tsara ny fitafiana anaovantsika nefa, aoka ry rahavaviko, mba hoheverinareo mandrakariva ny asa izay mbola miandry hotontosaina eo amin’ny tanim- boaloboky ny Tompo isaky ny mividy fitafiana ho anareo sy ny zanakareo ianareo. Tena mety ny mividy zavatra tsara, sy manara-penitra. Fahaiza-mitsitsy izany. Tsy ilaina akory ny firavahana lafo vidy, satria ny fileferana amin’izany dia fandaniana amin’ny fampanaranam-po ny tenany ny vola izay tokony hanohanana ny asan’Andriamanitra. TF 337.1
Tsy ny fitafiantsika no manome lanja antsika eo imason’Andriamanitra. Ny firavahana ao anaty, ny fahasoavana atolotry ny fanahy, ny teny feno halemem- panahy, ny fananana fiheverana feno fanajana ny hafa izay manana tombam-bidy eo anatrehan’Andriamanitra. Aoka isika handà ny firavahana sy ny haingo tsy ilaina, ka hametraka izany vola izany ho amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra. Ianaro ny leson’ny fandavan-tena, ary ampianaro ny zanakao izany. Ny vola rehetra voatahiry tamin’ny fandavan-tena dia tena ilaina hamitana ny asa mihitsy ankehitriny. Ireo mijaly dia tsy maintsy ampitonena; ny mitanjaka dia tsy maintsy tafian-damba ary ny noana dia tsy maintsy fahanana; tsy maintsy ambara amin’ireo izay tsy mbola mahalala ny fahamarinana amin’izao vanim-potoana izao. Amin’ny fanehoantsika fandavan-tena amin’izay rehetra tsy ilaina no hahafahantsika mandray anjara amin’ny asa lehiben’Andriamanitra. TF 337.2
Vavolombelon’i Kristy isika, ka tsy hamela ny rehak’izao tontolo izao handany ny fotoantsika sy hitana ny saintsika ka hahatonga antsika tsy hanam-pahalianana amin’ny zavatra izay nolazain’Andriamanitra fa tsy maintsy omena ny toerana mialoha. Misy zavatra ambonimbony kokoa tsy maintsy omena toerana. “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.” — Mat. 6:33. Natolotr’i Kristy manontolo ho an’ny asa nahatongavany ny tenany, ary izao no teny ambarany amintsika, “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.” — Mat. 16:24. Izany hoy Kristy no hahatonga anareo ho mpianatro. TF 338.1
An-tsitrapo sy am-pifaliana tanteraka no nanoloran’i Kristy ny tenany hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Nanaiky hatramin’ny fahafatesana Izy, dia ny fahafatesana tamin’ny hazo fijaliana. Moa ve heverintsika ho zavatra mavesatra loatra ny hanehoantsika fandavan-tena? Holavintsika ve ny fiarahana mitondra fahoriany? Tokony hamohafoha ny retsika rehetra eo amin’ny vatantsika ny fahafatesany, ka hanefy antsika hanam-paniriana hanokana izay rehetra ananantsika sy izay rehetra momba antsika ho amin’ny asany. Tokony ho feno fitiavana ny fontsika eo am- pieritreretana izay rehetra nataony ho antsika. TF 338.2
Rehefa iveloman’ireo izay mahafantatra ny fahamarinana ny fandavan-tena ankasitrahana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia handeha amin-kery ny hafatra. Hohenoin’ Andriamanitra ny vavaka asandratsika ho amin’ ny fambaboana Fanahy. Ary ny vahoakan’ Andriamanitra dia hampamirapiratra ny fahazavany aloha, ka rehefa mahita ny asa tsara ataony ireo tsy mpino, dia hanome voninahitra ny Raintsika any an-danitra. Aoka isika hampifandrindra ny fiainantsika amin’ Andriamanitra eo amin’ ny fandavan-tena omban’ny fankatoavana. TF 338.3