Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana
Ny Fandavan-Tena sy Fanaovana Antoka ny Fiangonana
Ny fanontaniana tokony hapetraky ny Kristianina amin’ny tenany dia izao: “Moa ve aho manana fitiavana an’i Jesôsy ao amin’ny fanahiko lalina indrindra? Moa ve tiako ny tabernakeliny? (...) Moa ve tena matanjaka tsara afaka mitondra ahy amin’ny fandavan-tena ny fitiavako an’Andriamanitra sy ny Mpamonjy ahy? Ary rehefa tonga ny fakam-panahy ka mitarika ny fironana ho amin’ny fahafinaretana sy ny fankamamiana ny fitiavan-tena, dia moa mba afaka hilaza ve aho hoe: “Tsia, tsy handany vola na dia izay farany kely indrindra ho fanaranam-po ny tenako aho raha mbola atao antoka na vesaran’ny trosa ny tranon’Andriamanitra!” TF 283.2
Moa ve tsy i Kristy no tokony hitana ny toerana voalohany sy ambony indrindra eo amin’ny fieritreretantsika? Moa ve tsy efa nangatahiny tamintsika izany tandindona maneho ny fanajana sy ny fahitsiantsika manoloana Azy izany? Izany no tokony hibahan-toerana ao am-pontsika sy hanenika ny fiainan-tokantrano ary hampanjakaina ao amin’ny fiainam-piangonana. Raha tena atolotrao manontolo ho an’Andriamanitra ny fo, ny fanahy, ny hery ary ny fiainanao; ary raha omenao ho Azy tanteraka ny fitiavanao, dia ho lasa lohalaharana sy ho ambony indrindra amin’ireo asa fanompoana rehetra ataonao Andriamanitra. Ny vokatr’izany dia ho lasa tsapanao misimisy kokoa ny dikan’izany hoe tonga mpiara-miombona antoka amin’i Jesôsy Kristy eo amin’ny sahany masina izany. Tsy tokony havela hovesaran’ny trosa ny fanorenana fiangonana. Ny fanekena izany dia toy ny fandavana ny finoana mihitsy TF 284.1