Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana

236/342

Manalavitra ny Fanahy amin’ny Fahamarinana

Manalavitra ny fanahin’ny mambra amin’ny fahamarinana miezinezina tsy takatry ny sain’ny mety maty ireo karazana hetsika mitovy, izay mitarika ho amin’ny faniriana hanan- karena vetivety amin’ny fangalana tombony mihoapampana. Mety hiseho tahaka ny fomba fanao tsara izany mandritra ny fotoana voafetra kanefa hiafara amin’ny fahafonganana mandrakariva. Tsy manaiky hetsika toy izany ny Tompo. Raha toa ka ekena mantsy io fomba fanao io dia maro no ho voasarika amin’ny tedkasan’ny fitadiavana tombony mihoapampana izay tsy hifanalavitra sady ho sarotra avahana amin’ny asa fanehoana ny fahamarinana miezinezina natao ho an’ny olona amin’izao vaninandro izao. - SpT, Andiany B, Lah. 17,19. TF 255.3