Hafatra Ho An'ny Tanora

176/503

Fahalalana sy Fifehezan-tena

Ireo izay noana fahalalana mba hahafahany mitahy ireo olona namany dia handray fitahiana avy amin’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fianarana ny Teniny no hamohazana ny herin-tsaina ho amin’ny asa feno fahazotoana. Hisy ny fivelarana sy fitomboan’ny fahaizana, ary hahazo hery sy fahombiazana ny saina. HAT 149.2

Tsy maintsy ampiharin’ny olona rehetra izay maniry ny ho Mpiasan’Andriamanitra ny fifehezan-tena. Izany dia hahavita lavitra mihoatra noho ny fahaiza-miteny na ireo talenta mamiratra indrindra. - COL, tt. 334, 335. HAT 150.1