Hafatra Ho An'ny Tanora

114/503

Fanandramana Miandalana ny Fahamasinana

Asa miandalana ny fanamasinana. Tanisaina amintsika ireo dingana tsirairay ao amin’ny tenin’i Petera: «Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa jahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahonanam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra, ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavana ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra. Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan'izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo ami'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy Tompontsika.» «Ary amin’izany dia mazotoa kokoa ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo,fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay; fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an'i Jesosy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika». HAT 93.1

Izany no lalana izay hananantsika antoka fa hahita fahombiazana isika. Ireo izay hampiasa ny fanambarana hahazoana ireo fahasoavana kristianina, dia mahazo toky fa hampiasa ny fampitomboana kosa Andriamanitra amin’ny fanomezana azy ireo ny Fanahiny. HAT 93.2

Miteny amin’ireo izay nandray finoana sarobidy tahaka izany i Petera: «Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.” Amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra, ireo izay hananika ireo zana-tohatra mamiratra avy eto an-tany mankany an-danitra, ary amin’ny farany, «amin’ny fihobiana sy ny fifaliana mandrakizay», dia hiditra ny vavahadin’ny tanànan’Andriamanitra. — RH, 15 Nôv. 1887. HAT 93.3

Ampiasain’Andriamanitra ireo fizahan-toetry ny fiainana, hanalana ny fahalotoana sy ny faharatsiana amin’ny toetra. Ny fanapahana, ny fanitsiana, ny fanefena, ny fanalamana dia asa maharary, mafy ny terena hidina eo amin’ny milina fanapotipotehana. Nefa dia hoentina homanina ny vato mba haka ny toerany ao amin’ny tempolin’ny lanitra. Tsy hiondrika hanao asa voatandrina sy tanteraka tahaka izany amin’izay fitaovana tsy ilaina ny Tompo. Ireo vato sarobidy ihany no hataony malama mitovy amin’ny lapa. — TFMB, tt. 23, 24. HAT 94.1