Hafatra Ho An'ny Tanora
Fiarovana amin’ny Faninitsiniana
Namehy ny tenany tamin’ny ahiahy sy ny sorona i Kristy; moa ve tsy afaka ny hamoy ny aina ho Azy koa isika? Ny fanatitra alatsa-dra nozakainy, fanamarinana nomanina homena antsika dia tsy ho mendrika ny fifantohantsika akory. Raha toa ka irin’ny tanora ny hitady ny harena miafina ao amin’ny Baiboly, hisaintsaina ny amin’ny famelan-keloka sy fiadanana ary ny fanamarinana mandrakizay izay hamaly soa azy tamin’ny fiainam-pahafoizany, dia tsy hanana faniriana amin’ny fialam-boly tsy misy antony izy ireo. HAT 340.1
Falifaly i Kristy rehefa ny lohahevitra ambony indrindra amin’ny famonjena no mameno ny sain’ny tanora. Dodona ny ho tonga vahiny ampiantranoina ao am-po Izy. Ny fitiavan’i Kristy dia lasa «loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay”. Na iza na iza manana io fitiavana io dia ho tia sy hitandrina ny zavatra izay nomanin’Andriamanitra ho an’ireo izay tia Azy. HAT 340.2
Andriamanitra dia nametraka tsipika mampisaraka ny olo-masina sy ny mpanota, manasaraka ireo efa niova sy tsy mbola niova. Tsy afaka ny hifangaro tsikelikely toy ny lokon’ny avana eny amin’ny lanitra ireo; tsy misy itoviany toy ny andro sy ny alina. Ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy afaka ny hifangaro velively amin’ireo izay tsy mahalala ny fahamarinana, nefa tsy eken’izy ireo izany. Raha niresaka momba ireo zavatra nataon’ny zanany ny patriarika Jakôba dia nikiakiaka izy nilaza hoe: «Aza mankeo amin’izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin’ny fiangonany, ry fanahiko»; nety ho nino izy fa hitera-doza ho an’ny voninahiny ny fiombonana amin’ny mpanota. Nomeny ny fampitandremana amin’ny loza, manasa antsika hiala lavitra ny namana tsy mahasoa mba hialana amin’ny fifindran’ny faharatsiana izy. Amin’ny alalan’ny Apôstôly Paoly, ny Fanahy Masina dia mampitandrina antsika toy izany koa: «Ary aza miray amin’ny asan’ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany”. - YI, 4 Feb. 1897. HAT 340.3