Hafatra Ho An'ny Tanora
Fahasimbana Ara-Panahy
Tsy avy amin’Andriamanitra ny fitiavana mirehitra sy ny tsindrimandry toy izany, fa avy amin’ny tany. Amin’alahelo lehibe tokoa no ijeren’ny anjelin’ny lanitra ny tsy fiheveran’ny olona izay nanaovan’i Kristy ny tsara indrindra. Rehefa sendra ny aretina sy ny fahafatesana ny olona izay tsy mitady afa-tsy ny fahafinaretana dia hahatsapa fa hay efa lany ny solika ao amin’ny fanaovan-jirony ary mbola tsy vonona hamarana ny tantarany eto an-tany izy kanefa efa tara loatra izany fahatsapana izany. HAT 338.1
Ao anatin’ny fivorian’ny mpiara-monina no ahitana ny ao am-pon’ny olona. Tsy aseho amin’ny sangisangy sy ny hatsikana i Kristy, na amin’ny teny mikendry fampihomehezana. Tsy te hihevitra izany rahateo ny olona manao izany any amin’ny andro farany. Fihetsiky ny saina diso fotsiny no misy eo amin’izay mihaino dia feno fahafaham-baraka i Kristy. Indrisy! Raha mba nampianarina hahay hifehy ny fomba fiteniny mantsy ny olona! Amin’ny alalan’ny teny no hanamelohana na hanamarinana ny tena. Saino fa miaraka aminao mandrakariva i Jesôsy, mihaino ny teny ambara sy mandray naoty ny zavatra atao. Tsy mba menatra ve ianao mandre ny feony sy mahafantatra fa henony avokoa ny resakao? (...) HAT 338.2
Ny Kristianina nazoto taloha, mandray anjara amin’ny fialam-bolin’izao tontolo izao, dia mitoetra eo amin’ny toerana mampidi-doza. Mamoy ireo toerana voatsokan’ny rivotry ny lanitra ka lasa manjepizepy any amin’ny zavona aman’erika. Matetika ny fahafinaretana azo amin’ny fivoriana toy izany no manipy any amin’ny fivavahana amin’i Kristy ny fahafaham-baraka. HAT 338.3
Tsy afaka ny hanao izany ny olona iray mifandray amin’ Andriamanitra. Tsy mifankahazo amin’ny Kristianina ny teny ampiasaina amin’ireny; tsy toy izany ny teny ampiasaina any amin’ny tany Kanàna. Tsy mirindra amin’ny hiran’ny lanitra ireny teny ireny ka tsy tokony hameno ny sain’ny ankizy. HAT 339.1