Hafatra Ho An'ny Tanora
Fialan-Tsasatra Kristianina
Tsy hoe omena fahafahana fotsiny hiala sasatra ny Kristianina fa tsy maintsy mandray andraikitra hampiala sasatra ny sainy ary hampahatanjaka ny rantsam-batany amin’ny fialan-tsasatra madio, mba hampiasany ny herim-batany sy ny herin-tsainy rehetra ka hanomezany voninahitra an’Andriamanitra. Kanefa ny zavatra takina amin’izy ireo dia tsy fialan-tsasatra mampitotongana velively. Aoka hikendry mandrakariva ny mahasoa sy manandratra izay rehetra mandray anjara amin’ny fanatanterahana izany andraikitry ny fiainana kristianina izany. HAT 316.2
Tsy manala tsiny izay rehetra manao fialam-boly manimba ny tenany mba hahatanteraka ny andraikiny andavanandro sy haningotra ny fahafahany midera Ilay Tsitoha sy ny zavatra any ambony Andriamanitra. Manapariaka ny fifaliana sy ny hery miasa mangina manandratra ny fivavahana. Ambonin’ny vanivany adala sy ny sangisangy maivamaivana rehetra izy. Ny fialan-tsasatra rehetra atao dia tokony hikendry mandrakariva hery sy tanjaka vaovao avy amin’Ilay Loharanon-kery, mba hahatraran’ny fiainantsika fahadiovana sy fahatsarana ary fahamasinana ambonimbony kokoa. HAT 316.3