Hafatra Ho An'ny Tanora

393/503

Fandrika ho an’ny Olon’Andriamanitra

Araka izay hitantsika dia maro amin’ireo milaza azy ho mpianatr’i Kristy no revo amin’ny lamaody sy ny fisehosehoana araka izao tontolo izao, mampanontany tena antsika izany manao hoe: moa ve tsy nandray lesona tamin’ny tantara tany aloha izy ireny? Vitsy amin’izy ireo no tena mahafantatra ny ao am-pony. Maro amin’ireo mpanara-damaody no sahy milaza ny tenany ho mpanara-dia an’i Kristy kanefa dia asehon’ny fiakanjony, ny fiteniny izay rehetra mameno ny sainy sy ny heverin’ny fony. Indrisy fa mamitaka ny fiainany ny fitiavany izao tontolo izao, izay milaza aminy fa an’izao tontolo izao izy. HAT 309.1

Ny olona izay manandrana ny fitiavan’i Kristy ve dia mbola hahita fahafinaretana amin’ny maha-zava-poana ny lamaody? Tena mampahory ny foko ny mijery ireo olona manao toy izay nataon’Ilay Mpamonjy be fitiavana sy be fanetren-tena ary malemy fanahy, kanefa dia manao izay faraheriny hitoviany amin’izao tontolo izao eo amin’ny fitafy. Na dia miseho azy ho mpivavaka aza izy dia tsy misy mahasamihafa azy akory amin’ny jentilisa. Tsy dia manana fiainam-pivavahana loatra ireny olona ireny. Tena mahasahirana azy eo amin’ny fitafy ny hanaitra ny mason’ny olona hijery azy. Atokany ho amin’ny fihaingoana sy amin’ny fisehoana avokoa ny vola aman-kareny rehetra, toy izany koa ny fotoany. HAT 309.2

Ny vehivavy no tena tratry ny fakam-panahy amin’ny faniasiavana sy ny fahababoana amin’ny fitafiana. Miantefa amin’izy ireo ny tenin’ny Apôstôly hoe: «Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena sy ny vatosoa, na fitafiana sarobidy, fa amin’ny asa tsara, araka izay mahamendrika ny vehivavy manaiky ny fivavahana amin’Andriamanitra » -1 Tim. 2:9,10. HAT 310.1