Hafatra Ho An'ny Tanora

391/503

Toko 120 — Hery Miasa Mangina avy amin’ny Fitafiana

Tsy tokony hanome tsiny ny fahatsaran’ny fitafiana isika. Tsy afaka ny hanameloka ny fitiavana endrika tsara mihitsy isika. Ho hitan’ny olona taratra etỳ ivelany amin’ny alalan’ny fomba fiakanjontsika sy ny fomba fiasantsika eny ihany fa mifanaraka amin’ny finoana ny fiainantsika. Kanefa ny tsy fitiavana fihaingoana tsara sy tsy fanarahan-dalàna ary ny tsy fahadiovana eo amin’ny fitafy dia midika fa tsy mba andairan’ny fahamarinana izany olona izany: mampietry ny tena ary tsy manome hasina izany. Mampalahelo ny fahamarinana ny olona manao baranahiny amin’ny fomba fitafy: sady maraorao toetra no tsy mahay mahalala fomba. Ny Apôstôly rehefa nomena fahitana dia namaritra antsika fa: «natao ho fizahan ‘izao rehetra izao, na anjely na olona » -1 Kôr. 4:9. Jeren’ny lanitra manontolo ary dinihiny fatratra ny hery miasa mangina ampitain’ny mpianatr’i Kristy amin’izao tontolo izao (...) HAT 307.3

Ny vehivavy manam-pahendrena sy mihevitra mandrakariva izay hahasoa azy dia hiakanjo fitafiana tsotra sy maotina. Tsaraintsika amin’ny fomba fitafiny ny toetry ny olona iray. Ny vehivavy mendrika araka an’Andriamanitra dia manao izay fitafiana tsotra sy tsara kanefa maotina. Mahay misafidy fiakanjoana tsotra kanefa mety amin’ny toe-javatra miseho ny olona manana toe-tsaina ambony. Tena ravaky ny fiaraha monina ny vehivavy tsy mba andevozin’ny lamaody. Ny fananana toe-tsaina ambony no tena manan-danja indrindra amin’ny vehivavy; tokony ho fantatra tsara izao, tokony hiakanjo tsotra sy maotina ary tsy misy fihetsika hafahafa ny tiana hambara amin’izany. Tsiky toa inona re no ambaran’ny fitafiana tsotra sy manaja mihoatra ny voninkazo eny an-tsaha! — The RH, 17 Nôv.1904. HAT 308.1