Hafatra Ho An'ny Tanora
Fivavahana tsaraina amin’ny Fitafy
Ry tanora zazalahy sy zazavavy, tsy amin’ny fanarahanao ny lamaody feno amboradara sy ny volamena ary ny haingo maro samy hafa tsy akory no itarafana ny fivavahanao na ny foto-pinoanao. Ny olona mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy dia hahafantatra ny fahalemen-tsaina sy ny fireharehan’ny fony. Aoka ho tsotra nefa mendrika ny fomba fiakanjonao, ry tanora zazavavy isany; tsy misy mitaratra ny fahazavanao ankoatra ny fahatsoran’ny toetra asehonao sy ny fitafianao. Azonao asongadina amin’izany ny fampitahanao ny zavatra mandrakizay mihoatra lavitra amin’ny zava-mandalo eo amin’ny fiainanao etỳ an-tany. — TFC, b.3, tt. 376. HAT 303.3