Hafatra Ho An'ny Tanora

338/503

Toko 103 — Fanomezana amin’ny Andro Fety

Efa manantomotra ny andro fety. Tokony heverina mandrakariva ny tombambidin’ny vola lanintsika isan-taona ho an’ireo izay tsy mila izany akory. Manan-danja loatra mantsy ny fahazarana sy ny fomba amam-panao ka toa ananan-tsiny amin’ireo namana ny tsy fanomezana azy izany. Kanefa tokony hotadidintsika mandrakariva fa ambony lavitra noho ireo namantsika etỳ an-tany Ilay Mpanome avy any an-danitra. Moa tsy vanim-potoana tokony hanomezantsika fanatitra ho an’i Jehôvah va ny vanin’androm-pety toy ireny? Na dia ny ankizy aza dia manana andraikitra handray anjara amin’izany. Anisan’ny fanaovana ny iraka napetraky ny Tompo ny fanomezana akanjo sy zavatra maro samy hafa ilain’ny mahantra. HAT 271.2