Hafatra Ho An'ny Tanora

274/503

Kolontsaina Ambony

Afaka mifanakalo hevitra amin’ireo patriarka sy mpaminany ny mampaky, afaka manatrika ireo toe-javatra misy fampianarana tsara avy amin’ny tsindrimandry; azony atao ny mahita an’i Kristy, Ilay Mpisoron’ny lanitra, mitovy amin’Andriamanitra, nidina tetỳ an-tany mba hanatanteraka ny planin’ny famonjena, nandrava ny fatorana nangejan’i Satana ny zanak’olombelona, mba hisaloran’ny olombelona ny hery sy ny endrik’Andriamanitra. Kristy nitafy ny maha-olombelona, niaina toa antsika telopolo taona, ary nanolotra ny ainy ho sorona ho takalon’ny fahotana, mba hanafahana ny olona avy amin’ny fahaverezana ho amin’ny famonjena: io no tokony ho toe-javatra mendrika indrindra hifantohan’ny fandalinana sy ny fikarohana lalin’ny zanak’olombelona... HAT 223.1

Ny fanahy resy lahatry ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra, dia tsy afaka hampanidintsidina ny sainy intsony na mbola hianatra lohahevitra maivan-danja: ho rikoriko sy hiodina izy raha sendra mifanehatra amin’ny fialam-boly manimba saina ataon’ny tanora ankehitriny. Ireo izay nifandray tamin’ny pôeta sy ny olon-kendrin’ny Baiboly, izay nampihetsika amin’ny endri-piderana ireo mahery fon’ny finoana, dia hanana ao an-tsaina ao fanahy mihaja, ambony, fo madio lavitra noho izay azony tamin’ny fanarahana ireo mpanoratra tsy masina tahaka an-dry Farao, Herôda, Kaisara. HAT 223.2

Mijanona ho mandry ny herin’ny fahatanorana amin’ny ankamaroany satria hadinony fa ny «fahatahorana an'Andriamanitra no fiandoham-pahendrena” -Sal. 111:10. Nomen’Andriamanitra fahendrena sy fahalalana i Daniela satria tsy tiany ny hifindran’ny herin’ny toetra sy fomba amam-panao mifanohitra amin’ny fitsipi pivavahany. Vitsy ny olo-manga, manam-paharetana sy tombam-bidy ambony lavitra vokatry ny fizahozahoana sy ny fisarahany amin’ny Lanitra. HAT 223.3

Tsy mba atahoran’ny olon-dehibe sy ny ankizy ary tsy tiany sy hajainy Andriamanitra. Tsy araka ny fitompoan-teny amin’ny fitondrana ny anarana no ivavahana. Tsy afaka hanao zava-dehibe ho an’ny olombelona Andriamanitra, satria mirona ho amin’ny fireharehana izy ireo, ary voafetra ny finoany. Maniry ny hampitombo ny fahafaha-manaontsika Andriamanitra, mba hampivelatra sy hanolokolo ny fiainantsika. Ny fiainana hatramin’ny fahafatesana dia samy fanomanana ny fiainana any an-danitra. HAT 224.1