Hafatra Ho An'ny Tanora

232/503

Samy Manana ny Toerany avy ny Tsirairay

Samy manana ny toerany avy ny tsirairay ao amin’ny drafitra mandrakizain’ny lanitra. Ny tsirairay dia hiasa miaraka amin’i Kristy ho amin’ny famonjem-panahy. Azo antoka tahaka ny toerana izay nomanina ho antsika any amin’ny trano fonenana lehibe any an-danitra ny toerana manokana izay voatendry hiasantsika ho an’Andriamanitra eto an-tany. - COL, tt. 326, 327. HAT 193.2