Ilay Fanantenana Lehibe

1/73

Ilay Fanantenana Lehibe

Toko 1 - Nahoana No Misy Ny Fahoriana?

Maro no mahita ny asan’ny ratsy, mbamin’ny loza sy ny faharavana miaraka aminy, ka velom-panontaniana manao hoe nahoana no misy izany eo ambany fanapahan’llay Anankiray tsy voafetra amin’ny fahendrena sy ny hery ary ny fitiavana. Ireo izay mirona ho amin’ny fisalasalana dia manararaotra izany hanalana tsiny ny fitsipahany ny tenin’ny Soratra Masina. Ny lovan-tsofina sy ny dika vilana natao dia nanamaizina ny fampianaran’ny Baiboly mikasika ny toetra amam-panahin’Andriamanitra sy ny toetry ny fitondram-panjakany ary ireo foto-kevitra mamaritra ny fihetsiny amin’ny fahotana. IFL 5.1

Tsy misy fanazavana ny amin’ny niavian’ny ota azo atolotra hanomezana rariny ny fisiany. Nefa ampy ny zavatra fantatra mikasika ny niavian’ny fahotana sy izay hatao aminy amin’ny farany ho fampiharihariana ny fahamarinana sy ny hamorampanahin’Andriamanitra. Tsy tompon’andraikitra velively ny amin’ny fahotana Andriamanitra; tsy hoe nosintonin’Andriamanitra an-keriny ny fahasoavany, na nisy lesoka teo amin’ny fitondran’Andriamanitra ny fanjakany, izay nety nohararaotin’ny fikomiana. Tonga tsy nasaina ny fahotana, ary tsy misy azo anamarinana ny fisiany. Raha misy fialan-tsiny mety ho hita ny aminy, na antony mety hanazava ny fisiany, dia tsy ho fahotana intsony ny fahotana. Ny fahotana dia vokatra miseho avy amin’ny foto-kevitra iray mifanohitra amin’ilay lalàn’ny fitiavana lehibe izay iorenan’ny fitondrampanjakan’Andriamanitra. IFL 5.2

Talohan’ny nidiran’ny ratsy dia nisy fiadanana sy fifaliana nanerana izao rehetra izao. Ny fitiavana an’Andriamanitra no natao ho ambony indrindra, tsy nisy fizahan-tavan’olona teo amin’ny fifankatiavana. I Kristy, IIay Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, dia iray tamin’ny Ray mandrakizay, - iray teo amin’ny fombany, iray teo amin’ny toetra amam-panahy, iray teo amin’ny fikasana, - Izy irery no hany afaka niditra teo amin’ny filan-kevitr’Andriamanitra sy teo amin’ny fikasany rehetra. “Fa tao Aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra (...) na seza fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana”Kôl. 1:16. IFL 5.3

Satria ny lalàn’ny fitiavana no fototra iorenan’ny fitondrampanjakan’Andriamanitra dia niankina tamin’ny fanarahany tanteraka ireo foto-kevitra lehiben’ny fahamarinana hita ao ny fahasambaran’ny vahoakany rehetra. Tsy mankasitraka ny fankatoavana terena Andriamanitra, ary atolony ny rehetra ny fahafahana hampiasa ny sitrapo, mba hanaovany fanompoana araka ny nahim-po. IFL 6.1

Nisy iray anefa nifidy ny hanimba io fahafahana io. Izy no niavian’ny fahotana, dia ilay nomen’Andriamanitra voninahitra lehibe indrindra nanarakaraka an’i Kristy. Talohan’ny nahalavoany, i Losifera no voalohany tamin’ireo Kerôbima manaloka, masina sady tsy voaloto. “Izao no lazain’i Jehovah Tompo: Ry ilay nanisy tombonkase ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy, tany Edena, sahan’Andriamanitra hianao; ny vatosoa rehetra no eloelo teo amboninao (...) Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko hianao; tao antendrombohitra masin’Andriamanitra hianao; tao amin’ny vato mirehitra no nitsangantsangananao. Tsy nanan-tsiny hianao tamin’ny nalehanao hatramin’ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.”Ezek. 28:12-15 IFL 6.2

Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; efa nahasimba ny fahendrenao mbamin’ny famirapiratanao hianao.”Ezek. 28:17. “Efa nataonao ho toy ny fon’Andriamanitra ny fonao”. “Ary hianao efa nanao anakampo hoe: Any an-danitra no hiakarako, ary ambonin’ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako; dia hipetraka eo an-tendrombohitra fivoriana aho (...); hiakatra ho any ambonin’ny havoan’ny rahona aho ka ho tahaka ny Avo Indrindra” - and. 6; Isa. 14:13,14. Nitsiriritra ny laza izay natosaky ny Ray tamin’ny Zanany ity andrianan’ny anjely ity, dia nitsiriritra ny fahefana izay tombontsoan’i Kristy samirery ny mampiasa izany izy. IFL 6.3

Injao anefa fa nisy namalam-peo ka nanimba ny firindran’ny hiran’ny lanitra. Ny fanandratan-tena dia namohafoha eritreri-dratsy tao an-tsain’ireo izay nanao ny voninahitr’Andriamanitra ho ambony indrindra. Nitalaho tamin’i Losifera ny filan-kevitry ny lanitra. Nasehon’ny Zanak’Andriamanitra azy ny fahalehibeazan’ny Mpamorona,ny fahatsarany sy ny fahamarinany, ary koa ny fahamasinan’ny lalàny sy ny tsy fiovany. Raha miala amin’izany i Losifera dia hanala baraka ny Mpanao azy sy hahatonga fandringanana ho an’ny tenany. Mainka nampirongatra fanoherana anefa izany fampitandremana izany. Navelan’i Losifera hanjaka ny fialonany an’i Kristy. IFL 6.4

Ny fireharehany ny amin’ny voninahitry ny tenany dia namelompaniriana tao aminy hanana ny fahefana fara tampony. Ireo haja ambony natolotra an’i Losifera dia tsy niteraka fankasitrahana ny Mpahary. Naniry fatratra ny hitovy tamin’Andriamanitra izy. Ny Zanak’Andriamanitra anefa no nekena ho Tompon’ny lanitra, niray hery sy fahefana tamin’ny Ray. Mpandray anjara tamin’ny filankevitr’Andriamanitra rehetra i Kristy, fa i Losifera kosa tsy navela hahalala ny fikasan’Andriamanitra. “Nahoana,” hoy ny fanontanian’ity anjely mahery, “no omena an’i Kristy ny fahefana fara tampony? Nahoana Izy no omem-boninahitra ambonin’i Losifera toy izao?’’ IFL 7.1