Ilay Fanantenana Lehibe

3/73

Fonjan-kevitra hoenti-mamonjy ny olona

Hitan’ny lanitra manontolo ny fahamarinan’Andriamanitra voaseho. Notakin’i Losifera ny tsy ahazoana manavotra intsony ny taranaka nanota. Fonjan-kevitra hoenti-mamonjy ny olona tsy azo lavina anefa ny fahafatesan’i Kristy. Nianjady tamin’llay mitovy amin’Andriamanitra ny sazin’ny lalàna, koa manana fahafahana hanaiky ny fahamarinan’i Kristy ny olombelona ary afaka handresy, amin’ny alalan’ny fiaiken-keloka sy ny fanetren-tena, ny herin’i Satana. IFL 12.2

Tsy hanatanteraka ny fanavotana ny olombelona fotsiny anefa no nahatongavan’i Kristy ho faty teto an-tany. Tonga koa Izy mba haneho amin’ny tontolo rehetra fa tsy azo ovana ny lalàn’Andriamanitra. Ny fahafatesan’i Kristy dia manaporofo mazava fa tsy azo ovana ny lalàna ary mampibaribary koa fa fahamarinana sy famindrampo no fanorenan’ny fitondram-panjakan’ Andriamanitra. Amin’ny fitsarana farany dia ho hita fa tsy misy antony tokony hisian’ny fahotana. Rehefa hanontany an’i Satana ny Mpitsara ny tany rehetra hoe: “Nahoana ianao no nikomy tamiko?” dia tsy hanan-kalahatra ilay niavian’ny ratsy. IFL 12.3

Tao amin’ny antso nataon’ny Mpamonjy teo am-pialana aina hoe “Vita”, no nanenoan’ny lakolosim-paty ho an’i Satana. Tapaka tamin’izay ny amin’ilay ady lehibe izay efa ela loatra no naharetany, ary azo antoka ny fanafoanana hatramin’ny fakany ny ratsy. “Fa indro, avy ny andro, mandoro toy ny fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, ka tsy hasiana miangana, na ny fakany na ny sampany” - Gen. 3:15. IFL 13.1

Tsy hiseho intsony na rahoviana na rahoviana ny ratsy. Hohajaina amin’ny maha-lalàn’ny fahafahana azy ny lalàn’Andriamanitra. Ny voary izay nandalo fisedrana ka hita ho mahatoky, dia tsy hiala intsony amin’ny fanoavana Ilay voaseho tanteraka teo anatrehany fa ny toetrany dia fitiavana tsy hita fetra sy fahendrena tsy takatry ny saina. IFL 13.2