Ilay Fanantenana Lehibe
Amin’ny alalan’ny finoana irery ihany
Tsy mety ho tanteraka anefa izany raha tsy amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy ihany sy amin’ny alalan’ny hery avy amin’ny Fanahin’Andriamanitra mitoetra ao anaty. Ho tsapan’ny Kristianina ny fitaoman’ny fahotana, nefa dia hotohizany tsy an-kiato ny ady ataony aminy. Eo no ilàna ny fànampian’i Kristy. Tafaray amin’ny herin’Andriamanitra ny fahalemen’olombelona ka miteny ilay mpino hoe: «Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika» - 1 Kôr. 15:57. IFL 56.1
Miandalana ny asan’ny fanamasinana. Rehefa vita fihavanana amin’Andriamanitra ny mpanota eo amin’ny fiovam-pony dia izay vao manomboka ny fiainana kristianina. Izay izy vao mandroso «ho amin’ny fahatanterahana» - Heb. 6:1, mitombo hahatratra «ny ohatry ny halehiben’ny fahafenoan’i Kristy” - Efes. 4:13. «Miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy»Fil. 3:14. IFL 56.2
Ireo izay miaina amin’ny fanamasinana araka ny Baiboly dia maneho fanetren-tena. Mahita ny tsy fahamendrehan’ny tenany, izay mifanohitra amin’ny fahatanterahan’llay tsy manam-petra, izy. Ny mpaminany Daniela dia ohatra iray amin’ny tena fahamasinana. Tsy nihambo ho madio sy masina io mpaminany heni-kaja io fa nampitovy ny tenany tamin’ny Isiraely tena mpanota tokoa, raha nitalaho teo anatrehan’Andriamanitra ho an’ny vahoakany izy: « (...) Fa tsy amin’ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin’ny halehiben’ny indrafonao». i Efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay». Hoy koa izy: «Ary raha mbola niteny sy nivavaka sy niaiky ny fahotako mbamin’ny fahotan’ny Isiraely fireneko aho (...)» - Dan. 9:18,15,20. Jereo koa ny Dan. 10:8,11 IFL 56.3
Tsy mety hisy fanandratan-tena, na fireharehana fa afaka amin’ny fahotana, ao amin’izay mandeha eo amin’ny aloky ny hazo fijalian’i Kalvary. Tsapany fa ny fahotany no nahatonga ny ady nihatra taman’aina izay nahavaky ny fon’ny Zanak’Andriamanitra, ka io fisainana io dia hitarika azy ho amin’ny fanetren-tena. Ireo izay velona akaiky indrindra an’i Jesôsy dia hahita mazava kokoa ny fahalemen’ny olombelona sy ny toe-pahotana misy azy, ary ny hany fanantenany dia ny fahamendrehan’ny Mpamonjy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana sy nitsangana tamin’ny maty. IFL 57.1
Ny fahamasinana izay mahazo laka eo amin’ny tontolon’ny mpivavaka dia miaraka amin’ny toe-tsaina manandra-tena sy manao tsinontsinona ny lalàn’Andriamanitra ary izany no anamarihana fa lavitra ny fivavahan’ny Baiboly izany. Ireo mpiaro izany dia mampianatra fa asa tontosa ao anatin’ny indray mipi-maso ny fanamasinana, ka mitondra avy hatrany ho amin’ny fahamasinana tonga lafatra amin’ny alalan’ny finoana irery ihany. «Minoa fotsiny ihany», hoy izy ireo «dia ho anareo ny fitahiana». Tsy nisy fiezahana hafa voalaza fa takina amin’izay handray izany fitahiana izany. Miaraka amin’izany koa dia laviny ny fahefan’ny lalàn’Andriamanitra, ary antitranteriny fa afaka amin’ny andraikitra amin’ny fitandremana ny lalàna izy. Anefa azon’ny olona atao ve ny ho masina, nefa tsy hifandrindra amin’ireo foto-kevitra izay fanehoana ny maha-lzy an’Andriamanitra sy ny sitrapony? IFL 57.2
Ny fanambaran’ny Tenin’Andriamanitra dia manohitra io fampianarana mamela-pandrika momba ny finoana tsy misy asa io. Tsy azo lazaina fa finoana ny mitaky ny fankasitrahan’ny lanitra nefa tsy manaraka ny fepetra izay anomezana ny famindrampo. Fiheverana feno fahasahisahiam-poana izany! Jereo ny Jak. 2:1424. IFL 57.3
Aoka tsy hisy hamita-tena amin’ny finoana fa mety ho tonga masina izy kanefa minia mandika ny anankiray amin’ny fitakian’Andriamanitra. Ny fanahy iniana hanao fahotana iray fantatra dia mampangina ny fanambaran’ny feon’ny Fanahy Masina ka mampisaraka ny fanahy amin’Andriamanitra. Na dia nanantitrantitra feno ny amin’ny fitiavana aza i Jaona dia tsy misalasala izy mampibaribary ny tena toetran’ny antokon’olona izay milaza ho nohamasinina, nefa mivelona amin’ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra. «lzay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny manna tsy ao anatiny. Fa na iza na iza mitandrina ny teniny, dia tanteraka ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra» -1 Jao. 2:4,5. Eto no fisedrana ny toetran’ny tsirairay. Raha ataon’ny olona zinona sy hamaivaniny ny fitsipika nomen’Andriamanitra, raha «mandika ny anankiray amin’ny kely indrindra amin’ireny didy ireny izy, ka mampianatra ny olona hanao toy izany koa» (jereo ny Mat. 5:18,19), dia azontsika fantarina.fa tsy marim-pototra ny fihamboany. IFL 57.4
Ny fihamboana ho tsy manam-pahotana dia porofo rahateo fa izay milaza izany dia lavitra ny fahamasinana. Tsy manampahalalana marina ny amin’ny fahadiovana sy ny fahamasinan’Andriamanitra tsy misy fetra izy, sy ny amin’ny mahazava-doza sy maha-ratsy ny fahotana. Arakaraka ny maha-be ny elanelana misy amin’ny tenany sy i Kristy, dia arakaraka izany koa no isehoan’ny tenany ho marina eo imasony. IFL 58.1