Ilay Fanantenana Lehibe

39/73

Manafaka antsika amin’ny fankatoavana ve ny famelan-keloka?

Manana fahafahana handika ny lalàn’Andriamanitra àry ve izao ny mpanota voavela heloka? Hoy i Paoly: «Koa mahafoana ny lalàna amin’ny finoana va isika? Sanatria izany! fa mampiorina tsara ny lalàna isika». «Hataontsika izay efa maty ny amin ‘ny ota ahoana no ho velona aminy ihany?” - Rôm. 3:31; 6:2. Hoy i Jaona: «Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny” -1 Jao. 5:3 Ao amin’ny fahaterahambaovao dia ampifandrindrana amin’ny an’Andriamanitra ny fo, ampifanarahina amin’ny lalàny. Rehefa tanteraka ao amin’ny mpanota io fanovana io, dia tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy, avy tamin’ny fandikan-dalàna sy ny fikomiana ho amin’ny fankatoavana sy ny fahatokiana. Vita hatreo ny fiainana taloha; manomboka kosa ny fiainam-baovao amin’ny fihavanana sy ny finoana ary ny fitiavana. Amin’izay dia ho tanteraka «ny fahamarinana ilain’ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy” - Rôm. 8:4. Ary izao no fitenin’ny fanahy: «Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany» - Sal. 119:97. IFL 54.3

Raha tsy amin’ny lalàna dia tsy miaiky marina ny amin’ny fahotana ny olona ary tsy mahatsapa ny ilàny fibebahana. Tsy hitany ny ilàny ny ran’i Kristy manavotra azy. Ekeny ny fanantenana ny famonjena, nefa tsy misy fiovam-po tanteraka ary tsy misy fanavaozana ny fiainana. Toy izany no maha-betsaka ny fiovam-po ivelambelany fotsiny, ary marobe no miditra ho anisan’ny fiangonana nefa mbola tsy tafaray amin’i Kristy velively. IFL 55.1