Ilay Fanantenana Lehibe

14/73

Nolavina ny fahamarinana satria misy hazo fijaliana tafiditra ao

Arakaraka ny maha-maivana ny lafiny ara-panahy amin’ny fampianarana izay aseho sy ny maha-kely ny fahafoizan-tena takiny, dia arakaraka izany no maha-lehibe ny fankasitrahana handray azy. Vonona i Satana hanatanteraka ny fanirian’ny fo, ka vola sandoky ny fitaka no asolony ny fahamarinana. Toy izany no nahazoan’ny fahefana papaly hery hangeja ny sain’ny olona. Ary amin’ny fandavany ny fahamarinana satria misy resaka hazo fijaliana ao amin’izany, dia mizotra amin’io lalana io koa ny Prôtestanta. Izay rehetra mikatsaka izay mampilamindamina ny fiainany sy ny tetika izay tsy hiavahany amin’izao tontolo izao, dia havela handray ny «sain-diso mahavery» (2 Pet. 2:1) ho toy ny fahamarinana. Izay tsiravina eo am-pahitana fitaka anankiray dia mety ho vonona handray fitaka hafa. IFL 25.4