Fanompoana Kristianina

3/272

Toko 1 - Antson* Andriamanitra Ho Amin’ny Fanompoana

Miantehitra Amin’ny Olombelona

Tsy nifidy anjely tsy mbola lavo mihitsy Andriamanitra ho solontenany eo anivon‘ny olona, fa olombelona, olona manana fironana tahaka ireo iezahany hovonjena ihany. Nitafy ny maha-olombelona i Kristy mba hahazoany mahatratra ny maha-olombelona. Mpamonjy sady olombelona no Andriamanitra, izany no nilaina hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao. Ary nankininy tamin’lehilahy sy ny vehivavy ny hafatra masina hampahafantatra — ny haren’i Kristy tsy hita lany - VM, tt. 119,120. FK 8.1

Topazo maso ilay toe-javatra mampihetsi-po. Indro Ilay Andrianan‘ny lanitra hodidinin’ireo Roa ambin‘ny folo lahy izay nofidiny. Efa hanokana azy ireo hanao ny asany Izy. Ireto fiasana malemy no notendreny hitondra ny famonjena eo amin‘izay ahatraran‘ny rehetra azy, amin’alalan‘ny teniny sy ny Fanahiny. - VM, t. 18. FK 8.2

«Maniraha olona hankany Jopa, ka ampanalao Simona anankiray.” FK 8.3

Nasehon’Andriamanitra mazava tamin‘izany ny fanarahamaso ny asan’Filazantsara sy ny Fiangonany voalamina. Tsy nalefa hilaza ny tantaran‘ny hazo fijaliana tamin‘i Kornelio ny anjely Olona tahaka ilay kapiteny koa, izay amban’ziogan‘ny fahalemen‘ny olombelona sy ny fakam-panahy, no hilaza aminy ny tantaran‘ny Mpamonjy nohomboana tamin’hazo fijaliana sy nitsangana tamin‘ny maty. - VM, t. 119. FK 8.4

Ho afaka nanao ny asan‘i Kristy tao amin’ilay Edopiana ilay anjely nirahina teo amin‘i Filipo; tsy izany anefa no fomba fiasan ‘Andriamanitra. Ny sitrapony dia ny hiarahan’olona miasa amin’mpiara-belona aminy. - VM, t. 98. FK 8.5

«Fa manana izao rakitra izao amin’vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay». Ho azon’Tompo natao ny nanendry ny anjeliny hitory ny Teniny, satria tsy mba nanota izy ireny; kanefa tsy izany ny planany. Olombelona no nofidiny, olombelona manana ny fahalemeny. Toy izany no nametrahany ny harem-bevavan’fahamarinana tao amin’vilany tany. Tamin’alalan’olona no nandrotsahany ny fitahiany eran’izao tontolo izao; tamin’alalany no namirapiratan’voninahitr’Andriamanitra eo anivon’haizim-pahotana. Entanin’fitiavana ny asan’Andriamanitra ireny olona ireny, ka mandeha hikatsaka fanahy hotarihina ho eo am-pototry ny hazo fijaliana. Eo amin’asa rehetra ataony no hanomezany voninahitra sy haja ary fiderana an‘Ilay eo ambonin’izao rehetra izao, na manan‘aina na tsy manan’aina. VM, tt. 288,289. FK 9.1

Fikasan’Mpamonjy taorian’niakarany tany an-danitra ny ho tonga mpanelanelana ny olona, Ny mpanaraka azy no tokony hamita ny asa izay natombony. Moa ve ny olona mpiasany haneho tsy fahalianana manokana amin’fanomezana ny fahazavan’hafatry ny filazantsara ho an’ireo izay mitoetra ao amin’maizina? Misy olona sasany izay maniry ny handeha hatrany amin’faran’tany mba hitondra ny fahazavan’fahamarinana amin’olona, kanefa takin’Andriamanitra ny hikatsahan’ireo fanahy rehetra izay mahalala ny fahamarinana ka hahazo ny hafa ho tia ny fahamarinana. Raha toa ka tsy maniry ny hanao fandavan-tena manokana mba hamonjena ireo fanahy izay ho very isika, dia amin’fomba ahoana no hanisana antsika ho mendrika ny hiditra ao amin’tanànan’Andriamanitra? - TFC, b. 9, t. 103. FK 9.2

Noho ny fahendren’Andriamanitra, dia entiny ireo izay mikatsaka ny fahamarinana hifandray amin’mpiarabelona aminy izay mahafantatra ny fahamarinana. Ny drafitry ny lanitra dia izao: izay nandray ny fahazavana no mizara izany amin’izay mitakizina ao amin’haizina. Ny taranak’olombelona nigoka avy amin’ilay Loharanon’fahendrena dia manjary fitaovana, elanelana manao ny asa izay entin’filazantsara hampihatra ny heriny manova eo amin’saina sy ny fo. - VM, t. 120. FK 10.1

Azon’Andriamanitra atao ny manatanteraka ny zava-kendreny amin’famonjena ny mpanota na tsy manampy Azy aza isika; nefa mba hahazoantsika hampitombo toetra amampanahy tahaka an’i Kristy, dia tsy maintsy mandray anjara amin’asany isika. Mba hahazoana miditra ao amin’fifaliany, - dia ny fifaliana mahita fanahy voavotra noho ny sorona natao, - dia tsy maintsy mandray anjara amin’asany isika ho fanavotana azy ireo. - IFM, t. 134. FK 10.2

Mba hisolo tena Azy eo amin’olona, dia tsy anjely tsy mbola lavo no nofidin’i Kristy, fa olombelona, olona manana fironana ambany tahaka ireo mpanota iriny hovonjena ihany. Noraisin’i Kristy teo amin’tenany ny maha-olombelona mba hahazoany mahatratra ny taranak’olombelona manontolo. Ilain’maha-Andriamanitra ny maha-olombelona; satria samy ilaina ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona mba hitondrana famonjena amin’izao tontolo izao. Nilain’maha-Andriamanitra ny maha-olombelona mba hahazoan’i Kristy taranak’olombelona hanolotra fantsona mampifandray an’Andriamanitra sy ny olona. - IFM, t. 308. FK 10.3

Mila tsy ho andrin’anjely mafana fo ny fiarahantsika miasa aminy; satria tsy maintsy ho olona no hanjary fantsona hikorianan’fahasoavana ho eo amin’olona tahaka azy. Rehefa manolo-tena ho an‘i Kristy amin’fitiavam-bavaka mameno ny fontsika manontolo isika, dia mifaly ny anjely satria azony atao ny manambara ny fahasoavan‘Andriamanitra amin’alalan‘ny feontsika. - IFM, t. 309. FK 10.4

Tsy maintsy mpiara-miasa amin’Andriamanitra isika; satria tsy hamita ny Asany tsy miaraka amin‘ny olombelona Andriamanitra. - RH, 01 Mar. 1887. FK 11.1