Fanompoana Kristianina

272/272

Miandry Amim-Paharetana Ny Valisoa

Raha mitady ho toa lava ny fotoana iandrasana ny fiavian’Ilay Mpanafaka antsika, raha toa isika, miondrika noho ny fahoriana sy manao asa mafy, ka mahatsapa ho tsy mahandry ny iraka ho antsika hamarana sy handray fahafahana mendrika amin’ny ady, dia aoka hotsaroantsika — aoka ny fahatsiarovana hahita ny fimenomenomana rehetra — fa napetrak’Andriamanitra eto an-tany isika hisedra oram-baratra sy fifandirana samy hafa, sy haneho fiainana maha-Kristianina ka hanana fifandraisana tsaratsara kokoa amin’Andriamanitra Raintsika sy amin’i Kristy Zoky Lahimatoantsika, ary koa hanao ny asa ho an’Ilay Mpananatra, hahataona fanahy maro ho eo amin’i Kristy, ka handrenesantsika amin’ny fo ravoravo ny teniny manao hoe: “Tsara izany ry mpanomo tsara sady mahatoky; midira amin’ny fifalian’ny Tomponao”. — RH, 25 Okt. 1881. FK 384.1

Mahareta ry miaramila kristianina. Mahandrasa kely fa tsy maintsy ho avy Ilay andrasana. Tsy ho ela dia hifarana ny alina hiandrasana sy hiambenana ary hisaonana. Efa akaiky ny fotoana hanomezana antsika ny valisoa ary efa ho tonga ilay andron’ny mandrakizay. Tsy fotoana fatoriana intsony izao, ary tsy misy fotoana holaniana amin’ireo alahelo tsy misy ilàna azy intsony Efa nomena antsika ny tombontsoa masina amin’ny fanangonana amboara amin’ny fotoampijinjana lehibe; ary ny fanahy avotra tsirairay dia ho kintana fanampiny eo amin’ny satro-boninahitr’i Jesôsy, Ilay FK 384.2

Mpanavotra mamintsika. Iza no tsy mahandry hametraka ny fiadiany, fa rehefa mahatohitra ny ady elaela izy, dia hahazo fandresena vavao sy hahazo amboara vaovao ho amin’ny mandrakizay”. — RH, 25 Okt. 1881. FK 385.1