Fanompoana Kristianina
Ny Fototry Ny Faharisihana Amin’ny Fanompoana Mahomby
Fa na inona na inona zava-bita natao tamin’ny fitiavana madio, na zavatra faran’izay kely sy bitika indrindra eo imason’olombelona aza, dia mamokatra tokoa; fa Andriamanitra mijery lavitra ny halehiben’ny fitiavan’ny olona miasa, fa tsy ny halehiben’ny asa vitany. — TFC, b. 2, t. 135. FK 367.3
Ny mpiasa folo voaova fo marina, manana fahavononantsaina tsy ombam-pitiavan-tena, dia mahavita be lavitra noho ny mpiasa zato izay mamikitra ny fiezahany amin’ny fomba ivelambelany sy amin’ny fanaraham-pitsipika mahazatra fotsiny, miasa tsy misy fitiavana lalina ho an’ny olona. — TFC, b. 4, t. 602. FK 367.4
Tsy ireo fahaiza-miasa anananao ankehitriny na mety mbola ho azonao no hanome anao fahombiazana, fa izay azon’ny Tompo atao ho anao. Tokony ho kely mihitsy ny fitokisantsika izay azon’ny olona atao, fa ny fitokisantsika izay azon’Andriamanitra atao ho an’ny fanahy mino kosa, dia tokony ho be lavitra. Iriny indrindra ny hikatsahanao Azy amin’ny finoana. Iriny indrindra ny hanantenanao zava-dehibe avy aminy. Iriny indrindra ny hanome anao fahatsapana eo amin’ny zavatra ara-nofo sahala amin’ny eo amin’ny zavatra arapanahy. Afaka mandranitra ny saina Izy. Afaka manome fahaizana mifandray amin’ny olona sy fahaizana manao zavatra Izy. Apetraho eo amin’ny asan’Andriamanitra ny talentanao, ary mangataha fahendrena Aminy, dia homena anao izany. — HF, t. 119. FK 368.1
Ny menaky ny fahasoavana no manome herim-po ny olona, mitondra faharisihana ho azy, hanaovany isan’andro ny asa izay notendrena hataony. Nanana fanilo ny virijiny dimy adala (izany hoe, mahafantatra ny fahamarinan’ny Soratra Masina), fa tsy nanana ny fahasoavan’i Kristy kosa. Mandeha mamonjy ireo fanompoam-pivavahana sy mamita ny andraikiny isan’andro isan’andro izy, nefa tsy manana aina ny fanompoany ka miavona amin’ny fahamarinan’i Kristy. Tsy niposaka tamin’ny fony sy ny sainy ny Masoandron’ny Fahamarinana, ary izy tsy nanana ny fitiavana ny fahamarinana izay mikolokolo ny fiainana sy ny toetra, izay sary sy famantarana an’i Kristy. Tsy niaraka tamin’ny fiezahany ny menaky ny fahasoavana. Salohy maina sy poak’aty tsy misy voa no vokatry ny fivavahany. Nihazona fatratra karazana foto-pampianarana maro izy, nefa voafitaka eo amin’ny fiainany maha-Kristianina izay feno fanamarinan-tena, ka tsy mahomby amin’ny fianarana ireo lesona ao amin’ny sekolin’i Kristy izay ho nampahendry azy ho amin’ny famonjena raha niainany. - RH, 27 Mar. 1894. FK 368.2
Ho tonga amin’ny fahatanterahany ny asan’Andriamanitra noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny irak’Andriamanitra sy ny olombelona. Mety harisika ihany eo amin’Andriamanitra ireo izay tsy miankin-doha amin’ny hafa, nefa handamoka kosa ny asany raha toa ka tsy mivavaka izy. Raha mijery ny fandorana emboky ny anjely izay mipetraka eo amin’ny alitara volamena manoloana ny seza fiandrianany boribory toa avana izy, dia ho hitany fa tsy maintsy miaraka amin’ny fivavahantsika sy ny herim-pontsika ny hatsaran’i Kristy, raha tsy izany dia ho zava-poana toy ny fanatitr’i Kaina. Raha jerentsika ny asan’ny fandraisan’ny olombelona anjara araka ny isehoany eo amin’Andriamanitra, dia ho hitantsika fa izay natao tamin’ny vavaka mafana izay nohamasinin’ny fahatsaran’i Kristy irery ihany no hahajoro eo amin’ny fitsapan’ny fitsarana. Rehefa tonga ny fitsarana lehibe, dia hitodika sy hanavaka izay nanompo an’Andriamanitra sy izay tsy nanompo Azy ianao. - RH, 04 Jol. 1893. FK 369.1
Tsy hanome valiny mahafa-po ho an’izao vanim-potoana izao ny fivavahana manaraka lalàna fotsiny. Azontsika aseho izay fihetsika rehetra maneho fanompoana, nefa dia mbola tsy amintsika ihany ny hery mangina sy haingana avy amin’ny Fanahy, tahaka ny tsy nisian’ny ando sy orana tamin’ny tendrombohitr’i Gilboa. Ilaintsika ny hamandoana ara-panahy, ary ilaintsika koa ny hazavana mamiratra avy amin’ny tanamasoandron’ny Fahamarinana hanalefaka sy hamelombelona ny fontsika. Tokony ho mafy fototra mandrakariva tahaka ny vato isika. Natao hampiasaina ny fotokevitry ny Baiboly, ary avy eo hazonina amim-pahamasinana eo amin’ny fiainana. — TFC, b. 6, tt. 417,418. FK 369.2
(...) Tsy dia miankina be loatra amin’ny talenta mantsy ny fahombiazan’ny zavatra atao, fa amin’ny herim-po sy ny finiavana ihany. Tsy ny fananana talenta kanto no mahatonga antsika hanao fanompoana azo ekena mitera-boka-tsoa iray, fa ny fanatontosana amim-pahamarinana ny asa fanao andavanandro, ny toe-tsaina vonon-kiasa ary ny fitiavana tsy mihambahamba sy tsotra hitady izay mahasoa ny hafa. Azo atao ny mahita ny fahatanterahana eo amin’ny anjara voatendry tsotra indrindra. Ny raharaha faran’izay ambany, nefa atao amim-pitiavana sy amim-pahatokiana, dia kanto eo imason’Andriamanitra. - MM, t. 181. FK 369.3
Ny fahombiazana eto amin’ity fiainana ity ahazoantsika miditra any amin’ny fiainana mandrakizay, dia miankina amin’ny fahamarinana ataontsika eo amin’ny zava-bitika. Na ny kely. indrindra na ny lehibe indrindra teo amin’ny asa famoronana dia nasiana tombokasen’ny fahatanterahana. Ny tanana izay nampihevaheva ny tany teo amin’ny habakabaka ihany no tanana nahary ireo voninkazo malia any an-tsaha koa. Tahaka ny fahatanterahan’Andriamanitra teo amin’ny asa ataontsika. Ny toetra tsara sy matanjaka ara-drafitra sy milamina tsara dia azo avy amin’ny asa aman-draharaha mifampitohy vitaina amim-pahendrena hatramin’ny antsipiriany madinika indrindra. Tsy vitan’ny mamalifaly ny lalana eo amin’ny fiainana fotsiny ny asam-piantrana kely atao, fa koa, mamela marika mahasoa izay tsy ho levona mandrakizay - PM, t. 605. FK 370.1