Fanompoana Kristianina
Toko 25 - Ny Fanahy Masina
Ny Teny Fikasana
Ho antsika, toy ny tamin’ny mpianatra voalohany ny teny fikasana momba ny Fanahy Masina. Hanao soa amin’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny hery avy any ambony Andriamanitra, tahaka ny efa nanaovany soa tamin’ireo izay nandre ny tenin’ny famonjena tamin’ny andron’ny Pentekôsta. Amin’izao andro farany antomotra izao ny Fanahin’Andriamanitra sy ny fahasoavany, dia momba ireo izay mila izany sy mitana Azy amin’ny teny nomeny. — TFC, b. 8, t . 20. FK 351.1
Tsy voafetra ho an’ny fotoan’andro iray na ho an’ny antokompirazanana iray ny teny fikasana momba ny Fanahy Masina. Nambaran’i Kristy fa hiaraka amin’ny mpanaraka Azy hatramin’ny farany ny herin’Andriamanitra miasa mangina avy amin’ny Fanahiny. Hatramin’ny Andron’ny Pentekôsta ka hatramin’izao fotoana izao, dia nalefa ny Mpananatra ho an’izay rehetra nampilefitra feno ny tenany tamin’ny Tompo sy ho amin’ny fanompoana Azy. — VM, t. 44. FK 351.2
Tian’Andriamanitra ny hamelombelona ny olony amin’ny alalan’ny fanomezan’ny Fanahy Masina, dia ny fanaovana batisa azy ka handray ny fitiavany. Tsy ilaina ny tsy fisian’ny Fanahy Masina eo anivon’ ny fiangonana. Taorian’ny niakaran’i Kristy, ny Fanahy Masina dia nirotsaka tamin’ny fahafenoana sy ny hery izay nahatratra ny fo rehetra, tamin’ireo mpianatra mpino mbola nivavaka sy niandry fatratra. Voalaza fa hohazavain’ny voninahitr’Andriamanitra ny tany amin’ny fotoana ho avy. Amin’izay dia hiasa mangina ny Herin’Andriamanitra mba handehanana amin’izao tontolo izao manomboka amin’ireo izay nohamasinina tamin’ny fahamarinana. Ho voahodidin’ ny rivo-pahasoavana ny tany. Hiasa amin’ny fon’olombelona ny Fanahy Masina, ary handray zavatra avy amin’Andriamanitra ka haneho izany amin’ny olona. — SW, 5 Sept. 1905. FK 351.3
Marina fa amin’ny andro farany, rehefa mifarana ny asan’Andriamanitra eto an-tany, dia hisy fanehoana manokana ny fankasitrahan’Andriamanitra hanaraka ny ezaka mafana ataon’ireo mpino nanolotena eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina. Ny endriky ny ranonorana aloha sy aoriana, izay milatsaka any atsinanana amin’ny fotoana famafazana sy ny fijinjana, no nentin’ny mpaminany hebreo nanambara mialoha ny firotsahan’ny fahasoavana ara-panahy amin’ny fatra mahagaga eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra. Ny firotsahan’ny Fanahy tamin’ny andron’ny Apôstôly no fiantombohan’ny ranonorana aloha na voalohany, ary be voninahitra ny vokatr’izany. Hatramin’ny andro farany dia hitoetra eo amin’ny fiangonana marina ny fanatrehan’ny Fanahy. - VM, t. 49. FK 352.1
Ny narotsaky ny Fanahy Masina tamin’ny andron’ny Apôstôly dia ny “ranonorana aloha”, ary be voninahitra ny vokatr’izany, fa ny fara orana kosa dia ho be lavitra noho izany. Inona no teny fikasana ho an’ireo izay velona amin’izao vanim-potoana izao? “Mitodiha amin’ny fiorenana ianareo izay voafonjan’ny fanantenana; anio no hilazako fa hitahy anareo indroa avo heny Aho.” Mangataha ranonorana amin’ny Tompo ianao amin’ny andron’ny ranonorana farany, mba hanaovan’Andriamanitra ny lanitra ho manga, sy handrotsahany rotsak’orana ho an’ny ahitra tsirairay eny an-tsaha. — TFC, b. 8, t. 21. FK 352.2