Fanompoana Kristianina
Tsy Mihevitra Ny Tena
Ohatra ho antsika ny asan’i Kristy. Nanao soa mandrakariva Izy. Tao an-tempoly sy ny sinagôga, teny amin’ireo lalambe tao antanàna, teny an-tsena sy ny toeram-pivarotana, teny amorondranomasina sy teny an-tampon-kavoana, no nitoriany ny filazantsara sy nanasitranany ny marary. Fanompoana tsy nisy fitiavantena ny fiainany, ka lesona ho antsika. Manitsy ny fitiavantenantsika sy ny tsy fangorahantsika ny fitiavany malemy fanahy sy mamindra fo. - TFC, b. 9, t. 31. FK 340.2
(...) Tsy misy antony ny fikendrena hahazo tombontsoa manokana ho an’ny tena eo amin’ny asan’Andriamanitra. Nisy hatry ny ela ny fandavan-tena sy ny toe-tsaina nanana fahafoizana ary hijanona mandrakizay ho toe-panahy voalohany ilaina hamitana ny asa ankasitrahan’Andriamanitra izany Tsy mihevitra ny hampiasa singan-kofehin’ny fitiavantena iray akory ao amin’ny taozavatra ataony Ilay Tompo sady Mpampianatra antsika. Aoka hiseho eo amin’ny asantsika ny fahamalinana, ny hakingana, ny fahamarinan’ izay atao ary ny fahendrena izay notakin’Ilay Andriamantry ny fahatanterahana tamin’ireo mpanorina ny tabernakely teto an-tany. FK 340.3
Tokony hotsarovana anefa fa ny talenta ambony indrindra, ny asa faran’izay namirapiratra indrindra, dia tsy ankasitrahan’ny Tompo, raha tsy apetraka eo ambony alitaran’ny fahafoizana ny izaho ananantsika. - MM, t. 50.3. FK 340.4
Ny mpitarika fanavaozana no tokony ho olona tsy mihevitra ny tenany indrindra, malemy fanahy indrindra, mahay manaja indrindra amin’ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao (...) tsisy ao anaty boky ity tohiny manaraka ity: Eo amin’ny fiainan’izy ireo no tokony hiseho ny asa tsaran’ny tsy fitiavantena. — TMF, t. 119. FK 341.1