Fanompoana Kristianina
Amin’Ny Fo Manontolo
Natao hiavaka ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny mahavahoaka iray manompo an’Andriamanitra azy amin’ny fahafenoany sy amin-kafaliana tanteraka, tsy maka voninahitra ho an’ny tenany, sy mahatsiaro fa tamin’ny fanekena miezinezina indrindra no nanolorany ny tenany hanompo ny Tompo, ary Izy irery ihany - TFC, b. 9, t. 17. FK 331.2
Lehilahy sy vehivavy manolotra manontolo ny fony sy tapa-kevitra tanteraka no mahajoro ankehitriny. Nanavaka ny mpanara-dia Azy hatrany hatrany i Kristy ambarapahatongan’ny fotoana iray ka raikambin’ny folo sy vehivavy vitsivitsy mahatoky sisa no nanara-dia Azy, mba ho fototry ny fiangonana kristianina. Misy ireo hiverin-dalana rehefa misy enta-mavesatra hozakaina, kanefa rehefa mazava ny fiangonana manontolo, dia hahazo herim-po, hihira sy hihiaka izy, ho tonga ravoravo; ka hijery azy. Rehefa lasa ny hafanampo dia Kaleba mahatoky vitsy sisa handroso eny anoloana sy hanana foto-kevitra tsy voahozongozona. Ireo no sira izay mihazona ny tsiro. Rehefa mihamafy ny asa dia mampitombo ny tena mpanampy azy ny fiangonana. - TFC, b. 5, t. 130. FK 331.3
Tsy misy olona afaka hahita fahombiazana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra afa-tsy ao amin’ny fanolorany ny fony manontolo ho amin’ny asa ka ahatsapany fa fatiantoka avokoa ny zavatra rehetra noho ny fihoaran’ny fahalalana an’i Kristy. Ny olona mametraka fepetra dia tsy mety ho mpianatr’i Kristy ary tsy mety ho mpiara-miasa Aminy koa. — IFM, t. 280.4. FK 332.1
Tsy hamato-tena amin’ny fandrika ara-barotra izy, na hiditra amin’ny orinasa mpandraharahana miaraka amin’ny tsy mpino; satria hisakana azy amin’ny asa omen’Andriamanitra izany. - TFC, b. 9, t. 19. FK 332.2
Tsy manaiky fanompoana mizarazara ny Mpamonjy Tsy maintsy mianatra isan’andro ny hevitry ny hoe manolo-tena ny mpiasa ho an’Andriamanitra. - GW, t. 113. FK 332.3