Fanompoana Kristianina
Finoana
Mila mino an’Andriamanitra ny mpiasa ho an’Andriamanitra. Mihevitra ny asan’ireo Izy. Misy tombambidy Aminy ny asa ataony. Misy iraka masina irahina hiara-miasa amin’ireo mpiara-miasa amin’Andriamanitra. Rehefa mihevitra isika fa tsy hanao araka izay nambarany Andriamanitra, sy hoe tsy manana fotoana hijereny ny mpiasany Izy, dia manala baraka ilay Mpanao antsika isika. - SW, 2 Aog. 1904. FK 328.2
Mila manana finoana matanjaka ny mpiasa ho an’Andriamanitra. Mety hampihoron-koditra ny miseho ivelany; kanefa amin’ny ora maizina indrindra dia indro misy fahazavana avy any an-koatra. Ny herin’ireo izay tia sy manompo an’ Andriamanitra amim-pinoana dia hohavaozina isan’andro isan’andro. - GW, t. 262. FK 328.3
Ao amin’ny finoana tena izy dia misy fifaliana, misy fotokevitra tsara fototra ary misy fikasana hentitra izay tsy lefin’ny fotoana sy ny asa mafy maharitra. - HF, t. 119 FK 328.4
Niharan-doza matetika ny fiainany ary toa sarotra tontosaina ny andraikitra. Manangana fahalevonana tsy azo ihodivirana eo anoloany sy fanandevozana na fahafatesana avy aoriany ny fomba fisainany. Mazava anefa ny feon’Andriamanitra miteny aminy hoe: “Mandrosoa!” Antsika ny mankatò ny teny nomena. Tsy mampaninona na dia tsy mahita ny any ankoatry ny haizina aza ny masontsika ary na efa mitsoboka ny rano mamanala aza ny tongotsika. Misy mandrakariva ny zavamisakana eo anoloan’ny fanahy misalasala sy tsy mino. Tsy ho tonga mpankatò na oviana na oviana ny olona izay mangataka andro hisian’ny tsy fisalasalana intsony na tsy hisian’ny faharesena intsony vao hankatò. Ny fisalasalana mibitsika hoe: “ Andraso aloha ho afaka ny fefy misakana dia ho hitanao ny lalana mazava ”. Fa amin-kerim-po kosa no itenenan’ny finoana izay “manantena ny zavatra rehetra” sy “ mino ny zavatra rehetra” hoe “Mandrosoa!” - PM, tt. 287,288. FK 328.5