Fanompoana Kristianina

162/272

Ny Fiarovan’Andriamanitra

Fa na dia tsy hisy fiatoana mihitsy aza ny fifanoherana, dia tsy hisy na dia iray aza hitolona samirery. Hanohana sy hiaro izay rehetra mandeha amin’ny fanetren-tena eo anatrehan’Andriamanitra ny anjely. Tsy hamadika na oviana na oviana izay matoky Azy ny Tompo. Rehefa manatona Azy, Izay be fangorahana sy fitiavana, mba hitaky ny fiarovana azy amin’ilay ratsy ny zanany, dia hovelariny eo anoloan’ny fahavalo ny fanevany. Aza mikasika azy ireo, hoy Izy taminy, fa Ahy ireo, vita sokitra eo am-pelatanako ireo. - MM, t. 464. FK 233.2

Akaiky dia akaiky ireo izay mijaly noho ny fitiavana ny fahamarinana ny lanitra. Mampifanaraka ny tombontsoany amin’ireo olona mahatoky Kristy, mijaly miaraka amin’ireo olo-masiny Izy ary izay manjo ireo dia manjo Azy koa. Ny hery izay vonona hanafana ny olona amin’ny loza ara-batana na amin’ny fahoriana ara-panahy, dia vonona hamonjy azy ireo koa amin’ny loza faran’izay lehibe indrindra, ka mahatonga ny mpanompon’Andriamanitra ho afaka hitana ny fahamarinany eo amin’ny toe-javatra rehetra sy handresy noho ny fahasoavan’Andriamanitra. - MM, t. 446. FK 233.3

Toa hoatran’ny hadinon’ny Tompo matetika ireo loza mananontanona ny Fiangonany mbamin’ny famelezana ataon’ny fahavalo aminy. Aoka anefa tsy hisaina izany isika, fa tsy misy tiany kokoa na iza na iza eto an-tany. Tsy hanome alalana izao tontolo izao hanala baraka io Fiangonana io Izy. Tsy avelany ho resin’ny fakam-panahy ataon’ny fahavalo ny zanany. Tsy hataony ho tsy manan-tsiny izay tsy manampahamendrehana, nefa kosa hanehoany famindrampo izay mibebaka amin’ny fony tokoa. - MM, tt. 479, 480. FK 234.1