Fanompoana Kristianina

153/272

Ny Ilàna Ny Fanenjehana

Rehefa naparitaky ny fanenjehana izy dia nandroso ka feno hafanam-po misionera. Tsapany ny halehiben’ny andraikitra eo amin’ny asa nanirahana azy. Fantany fa teo am-pelatanany ny mofon’aina ho an’izao tontolo izao maty noana; koa noteren’ny fitiavan’i Kristy izy hizara io mofo io ho an’izay rehetra mila izany. Niasa tamin’ny alalan’ireo ny Tompo. Na taiza na taiza nalehany, dia sitrana ny marary ary notorina tamin’ny mahantra ny filazantsara hampanan-karena azy. - VM, t. 95 FK 223.1

Tian’Andriamanitra raha homen-danja lehibe ny fisedrana ny fahamarinana, ka hahatonga izany ho lohahevitra iompanan’ny fandinihana sy ny fifanakalozan-kevitra, eny, fa na dia amin’ny alalan’ny fanivaivana atao aminy aza. Tokony hohetsiketsehina ny sain’ny olona. Ho fomba ampiasain’Andriamanitra hiteraka fandinihana sy hampifoha ny fisainana mba tsy hatoritory ny adihevitra be sy ny fanakianana ary ny fanaratsiana rehetra. - TFC, b. 5, t. 453. FK 223.2