Fanompoana Kristianina

129/272

Planina Fanitarana Ny Fitsaboana

Ny Tompo dia hanome fahafahana ho an‘ireo fotodrafitr’asantsika efa mijoro mba hiara-miasa Aminy amin’fanohanana ireo rafitra vao mijoro. Ny ivon-toerana vaovao tsirairay dia tokony hojerena toy ny rahavavy manampy eo amin’ilay asa goavana fanambarana ny hafatry ny anjely fahatelo. Nomen’Andriamanitra fahafahana ireo fotodrafitr‘asantsika mba hanatanteraka asa izay ho toy ny vato miaina eo ambanin’fitondran’tanana iray tsy hita maso. Aoka hohetsehina izany vato manana heviny ara-pivavahana izany. - TFC, b. 7, t. 59. FK 194.2