«Hery Mifanandrina»
Toko 23 - Ilay Hafatr’ Ilay Anjely Voalohany
Hitako fa namaky am-pahibemaso ilay fotoana tamin’ ny 1843 Andriamanitra. Hanaitra ny vahoaka no tanjony, ary hitondra azy ireo amin’ny fisedrana izay tsy maintsy hanapahany hevitra na ho resy lahatra ny amin’ny fahamarinana ireo na hanohitra. Maro ireo mpitondra fivavahana no resy lahatra noho ny fanazavana ireo vanim-potoana ara-paminaniana tsy nisy diso, ary ny sasany mandà ny avonavony, ny raharahany, ary ny fiangonany mba handeha amin’ ny toerana iray ho amin’ iray hafa koa hitory ny hafatra. Ary satria tsy nisy afatsy vitsy tamin’ireo izay nihambo ho mpitondra fivavahan’I Kristy no nandray am-po ilay hafatra avy any andanitra, dia nampiandraiketina tamin’ireo maro izay tsy mpitory akory ilay asa. Maro no nandao ny tanimboliny mba hampanakoako ilay hafatra, ary tamin’ izay ny sasany dia nantsoina mba handao ny toerampiasany sy ny fivarotany. Nisy koa aza ireo sasany izay nanao ny raharahany an-kalalahana izay voatery nandao ny asany mba hiditra amin’ilay asa izay tsy tian’ny olona dia ny fizarana ilay hafatr’ilay anjely voalohany. Nanary ireo hevi-disony sy ny fomba fahitana diso ireo mpitondra fivavahana, ka dia niray tamin’ny fanambarana ilay fiavian’I Jesosy. Tohina ny fon’ny vahoaka manerana ny toerana rehetra izay nilaza an’ilay hafatra. Nibebaka ireo mpanota, nitomany, sy nivavaka mba hahazoany amin’ny famelan-keloka amin’ ireo fahotana, ary ireo izay nanana fiainana feno haratsiam-panahy dia dodona fatratra ny mba hanarenana izany arak’ izay azo atao, dia ireo ratsy efa nataony. HM58 51.8
Mahatsiaro-tena ho be ahiahy ireo ray aman-dreny noho ny amin’ ireo zanany. Ireo izay nandray ny hafatra dia niasa mafy tokoa tamin’ireo namany na havany ary ireo ray aman-dreniny izay mbola tsy niova fo. Resy lahatra tamin’ny lanjan’ilay hafatra lehibe izy ireo ka dia nampitandrina sy nitalaho tamin’izy ireo mba hiomana ny amin’ilay fiavian’I Zanak’olona. HM58 52.1
Tsy maintsy amim-pamoizam-po sy fanamafian-katoka no handavan’ ireo an-karihary dia ireo izay manaraka izany fijoroana ho vavolombelona izany. Ilay asa fanadiovam-panahy dia nitarika ho amin’ny fandaozana ny fitiavana ny zavatr’izao tontolo izao, ho amin’ny fanamasinanaol izay tsy mbola ary hita teo aloha. HM58 52.2
An’arivony maro ireo olona voatarika mba hanaiky ny fahamarinana izay notorian’I William Miller, ary mpanompon’Andriamanitra maro no nitsangana tamin’ny fanahy sy ny herin’I Elia mba hitory ilay hafatra. Ireo izay nitory ity hafatra lehibe ity, toy an-dry Jaona ilay mpialoha an’I Jesosy, dia nahatsiaro tena ho voatery hametraka ny famaky eo amin’ny fototry ny hazo ary miantso ny olona mba hamoa voa mendrika ny fibebahana. Ny fijoroana vavolombelon’izy ireo dia natao mba hifohazan’ ny fiangonana, azy amin-kery ary hampiharihary ny tena toetrany marina. Ary raha nomena ilay fampitandremana lehibe mba handosirana an’ ilay fahatezerana no ho avy, dia maro tamin’ireo izay nikambana tamin’ny fiangonana no nandray ilay hafatramahavonjy. Hitan’izy ireo ny fiverimberenan’ny fahotany, dia, tamin-dranomasom-pangidian’ny fibebahana, tamim-pangirifiriam-panahy lalina, no nanetren’izy ireo tena teo anatrehan’Andriamanitra. Ary satria nitoetra tamin’izy ireo ny Fanahin’Andriamanitra, dia nanampy azy ireo tamin’ny fampanakoakoana an’ilay antso mafy manao hoe: “Matahora an’Anandriamanitra, ka omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarany.” HM58 52.3
Ny fanambarana mialoha ny andro voafaritra mazava mikasika ny farany dia nampirongatra fifanoherana lehibe teo am-povoan’ ny fiaraha-monina, hatramin’ ny mpitandrina teny ambony’ ny polpitra ka hatramin’ ny mpanota faraidiny sy tsy mifaditrovana. “Tsy misy mahalala na ny andro na ny ora” izay no feo re avy tamin’ireo mpitondra fivavahana mpihatsaravelasihy sy ireo mpananihany feno fasahiana. Tsy nisy na dia iray tamin’izy ireo aza no nanaiky hampianarina , na hahits’ ireo izay nanondro ny taona izay ninoany fa hifaranan’ ny fe-potoana ara-paminaniana ary nasainy manamarika ireo famantarana ny fahatomoran’ ny fiavian’ i Kristy tsy ho ela izy ireo , eny fa mety efa am-baravarana. Maro tamin’ireo mpiandry ondry izay nihambo ho tia an’I Jesosy no nilaza fa : “tsy mahita na dia fatiantoka iray aza amin’ ny fitoriana ny fiverenan’ i Kristy izahay, fa ny toherinay kosa dia ny fanondroana daty mazava”. Namaky ny fon’izy ireo Andriamanitra izay nahita ny zava-drehetra. Tsy tian’izy ireo ny filazana fa ho avy tsy ho ela Jesosy. Fantatr’izy ireo mantsy fa tsy hahazaka fisedrana ny fiainan’izy ireo izay nifanohitra ny amin’ny kristianina , satria tsy mba nandeha tamin’ilay lalana feno fanetren-tena izay nosoritan’ i Jesosy izy ireo. Nanakana ny fanaovana ilay asan’Andriamanitra ireo mpiandry ondry sandoka ireo.Ny fahamarinana izay nambara tamin-kery mandresy lahatra manetsika ny vahoaka, ary tahaka an’ ilay mpiandry varavaran’ ny tranomaizina tany Filipy, dia nanomboka nanontany izy ireo: “Inona no mety hataoko mba hovonjena aho?”. Nefa ireo mpiandry ondry ireo nandeha teo anelanelan’ny fahamarinana sy vahoaka, ary nitory ireo zava-mahafinaritry ny sofina mba hitondra azy ireo hiala amin’ny fahamarinana. Nikambana tamin’I Satana sy ny anjelin’izy ireo , ka niantsoantso hoe: “fiadanana , fiadanana”, amin’ izany anefa tsy nisy fiadanana na dia kely akory. Ireo izay tia ny fiadanany kanefa tsy miahiahy na dia kely akory aza ny firaisany amin’ Andriamanitra dia hijanona ao amin’ ny fahatokiana ny momba ny aranofony. Hitako fa vohatsikaritr’ireo anjelin’Andriamanitra avokoa ireo zavatra rehetra ireo , ary ny fitafiampiandry ondry tsy nohamasinina dia nihoson-dran’ireo mpanota maro ireo. Maro tamin’ireo mpitondra fivavahana no tsy nanaiky ilay hafa-pamonjena , ka dia nanakana koa ireo izay tokony handray izany. Eo amin’izy ireo ny ran’ireo fanahy ireo. Mpitorin-teny sy vahoaka maro no nanatona mba hanohitra ilay hafatra avy any an-danitra. Nikambana hanenjika an’i William Miller sy ireo izay nanampy azy tamin’ny asany izy ireo. Koa dia maro ireo lainga nafafy mba hanimbana ireo hery miasa mangina avy aminy tamin’ny fotoana isan-karazany. Im-betsaka taorian’ny nanambarany tamim-pahatsorana ilay toro-hevitr’Andriamanitra , izay nampitoetra ny fahamarinana mandidy tao am-pon’ireo izay nihaino azy , dia mirehitra taminy ny fahatezeran’ny sasany ka rehefa nandao ilay toeram-pivoriana izy dia miambina azy ny sasany tamin’ireo mba hanaisotra ny ainy. Kanefa nirahin’Andriamanitra ireo anjeliny mba hiaro ny ainy , ary nitondra azy niala soa aman-tsara ny fahatezeran’ireo vahoaka. Satria mbola tsy vita tanteraka ny asany. Nandray ny hafatra tamimpifaliana ireo izay fatra-pitia vavaka. Fantatr’izy ireo fa avy amin’ Andriamanitra izany ary nambara tamin’ny fotoana izay nahamety azy tokoa. Nijery tamim-pahalianana tanteraka ny vokatr’ilay hafatry ny lanitra ny anjely, ary rehefa niala sy nandà izany ireo fiangonana dia nivory niaraka tamin’I Jesosy tamin’alahelo izy ireo. Nampitodika ny tavany niala tamin’ireo fiangonana Izy , ary nandidy ny anjeliny mba hijery amimpahatokiana ireo olom-bitsy sarobidy izay tsy mandà ilay hafatra, satria hamirapiratra amin’izy ireo ny hazavana hafa. HM58 52.4
Hitako fa raha nitia ny fisehoan’ilay Mpamonjy ireo izay mihambo ho kristianina, raha nipetraka taminy ny fitiavany, raha nahatsapa izy ireo fa tsy misy amin’ izay ety an-tany afa-mitaha Aminy, dia tokony ho nandray am-pifaliana tamin’ilay fanambarana ny fahatongavany izy ireo. Fa ny fahatezerana izay nasehony , raha nandre ilay fiavian’ny Tompony dia porofo mivaingana fa tsy tia Azy izy ireo. Nihobim-pandresena I Satana sy ny anjeliny ary natsipiny teo an-tavan’I Kristy Jesosy sy ireo anjeliny masina, fa ireo izay atao hoe vahoakany dia tsy nanana afa-tsy fitiavana kely an’I Jesosy ka dia tsy naniry akory ny fisehoany fanindroany. HM58 53.1
Hitako ireo vahoakan’Andriamanitra izay niandry tamim-pifaliana , hitsena ny Tompony, niomana ho amin’ ny zavatra hiseho. Nirin’Adriamanitra anefa ny hizaha toetra azy ireo. Nandrakotra fahadisoana tamin’ilay fanisana ireo vanim-potoana ara-paminaniana ny tanany. Ireo izay nikatsaka ny Tompony dia tsy nahita izany , toy izany koa ireo nana-pahaizana, izay nanohitra ny famerana ilay fotoana, tsy nahita ilay fahadisoana. Tian’Andriamanitra ny hahitan’ireto vahoakany fahadisoam-panantenana. Lasa ny fotoana nefa tsy tonga ny Tompo ary kivy sy malahelo ireo izay nitsena ny Tompony tamim-pifaliana. Nandritra izany, nifaly ireo izay tsy tia ny fisehoan’I Jesosy , fa nanaiky ilay hafatra noho ny tahotra fotsiny ihany dia tena nahatsiaro sambatra satria tsy tonga tamin’ilay fotoanan’ny fiandrasana Izy.Tsy nahakasika ny fony sy nanadio ny fiainany , ny fiaikeny. Ny fandalovan’ ny vanim-potoana izay voatondro dia maneho marimarina ny tena toe-pon’ izy ireo. Izy ireo no voalohany nivadika nanaratsy sy nihomehy ireo diso fanantenana, sahiran-tsaina izay tena tia ilay fisehoan’ny Tompony marina. Hitako ny fahendren’Andriamanitra tamin’ny fisedrany ireo vahoakany sy tamin’ny nanomezany azy ireo vato fitsapana mba hahitana ireo izay mihasoa sy hihemotra sy hiverin-dalana amin’ny ora fitsapana. HM58 53.2
Nijery tamim-pitiavana ireo izay nifikitra tamin’ilay fanantenana mamy mba hahita Ilay tia ny fanahin’izy ireo I Jesosy sy ny anjelin’ny lanitra iray manontolo. Nanidintsidina nanodidina azy ireo ireo anjeliny mba hanohana azy ireo amin’ny ora fitsapana. Ireo rehetra izay nanao tsinotsinona ny fandraisana ilay hafatra avy any an-danitra dia navela tao anaty haizina , ary nirehitra tamin’izy ireo ny fahatezeran’ Andriamanitra, satria tsy nandray ilay hazavana izay nalefany avy any an-danitra izy ireo. HM58 53.3
Ireo kristianina nahatoky, diso fanantenana lalina, izay tsy nahafantatra hoe ahoana marina no tsy niverenan’ ny Tompony; nefa tsy navela tao anatin’ ny haizina izy ireo. Notarihina handinika ny Baiboly indray izy ireo mba handalina bebe kokoa ireo vanim-potoana ara-paminaniana. Nalain’ ny tanan’ ny Tompo ny sarona izay manafina ny marika ka dia nazava ilay fahadisoana. Ary hitan’ ireo mahatoky fa ny vanim-potoana arapaminaniana dia mitondra hatrany amin’ ny 1844, ary koa ny foto-kevitra mitovy aminy izay natolotr’ izy ireo mba ho entina hampisehoana fa nifarana tamin’ ny 1843 izany, dia azo hamarinina fa tsy maintsy nifarana tamin’ ny 1844 izany. HM58 53.4
Ny fahazavan’ ny Tenin’ Andriamanitra no nanazava ny fomba fahitan’ izy ireo, ary nahatsikaritra fahatarampotoana izy ireo. ” Raha tara ny fahitana, andraso Izy”. Nohon’ny fitiavan’izy ireo ny fahatongavan’I Jesosy eo no ho eo dia tsy hitan’izy ireo ny fahataran’ilay fahitana , izay nokajiana mba hampibaribary ireo izay niandry marina. Dia nanondro fotoana hafa indray ry zareo. Ary tamin’ izay dia hitako fa maro tamin’izy ireo no tsy afa-nihoatra an’ ilay fahadisoam-panantenana lehibe izay nahazo azy ireo , ka hanao zotom-po sy hery mitovy amin’izay nampiseho ny finoan’izy ireo tamin’ny1843. HM58 53.5
Nihobim-pandresena noho ny amin’izy ireo i Satana sy ny anjeliny ary ireo izay tsy nandray ilay hafatra dia nifampiarahaba noho ilay fahotan’izy ireo lavitra tamin’ny fitsarany , sy ny fahendreny tamin’ny tsy fandraisana io nofinofy io araka ny niantsoany azy. Nefa tsy fantatr’izy ireo fa nandà ny sosokevitr’Andriamanitra izy ireo , ary niara-niasa tamin’ny Satana sy ny anjeliny izy ireo mba hanao izay hahasahiran-tsaina ireo vahoakan’Andriamanitra izay niaina araka ilay hafatra izay nomena azy ireo avy any an-danitra. HM58 53.6
Tao am-piangonana dia noporetina ireo izay nino ilay hafatra. Tahotra no nahazo azy ireo tanatin’izay fotoana izay , noho izany dia tsy nanao araka izay sitraky ny fony izy ireo , kinanjo, taorian’ ny andro sasany dia nanambara ny tena fihetseham-pony marina izy ireo. Nirian’izy ireo noho izany ny hampangina ilay vavolombelona dia ireo izay niandry an’ i Kristy, nahatsapa fanerena dia ny tsy maintsy hahaizan’ izy ireo hanambara fa ireo vanim-potoana ara-paminaniana izay nivalampatra hatramin’ny taona 1844. Tamim-pahazavana no nanazavain’izy ireo ny fahadisoany sy nanomezan’izy ireo ny antony nahatonga azy ireo niandry ny Tompony tamin’ny 1844. Tsy nahita holazaina intsony ireo mpanohitra mba hanoherana ireo antony izay manan-kery izay nomena. Nirehitra tamin’izy ireo ary ny fahatezeran’ireo fiangonana. Efa nanapakevitra sy tsy hihaino ny fanaporofoana izy ireo ka dia nanidy ny fiangonany ilay vavolombelona sao dia henon’ireo sasany izany. Koa dia , noroahina niala ny fiangonana ireo izay tsy nahasahy nanafina ho an’ny hafa ilay fahazavana izay nomen’Andriamanitra azy ireo. Niaraka tamin’izy ireo anefa I Jesosy ka dia nifaly tamin’ny fahazavan’ny endriny izy ireo. Noho izany dia niomana izy ireo mba handray ilay hafatry ny anjely faharoa. HM58 53.7
Jereo Daniela 8:14; Habakoka 2:1-4 ; Malakia toko 3 & 4 ; Matio 24:36 ; Apokalypsy 14:6-7. HM58 53.8