«Hery Mifanandrina»
Toko 8 - Ny Fitsarana An’i Jesosy
Raha niala ny lanitra ireo anjely dia nametraka ny satroboninahitra mamirapiratr’ izy ireo tamin’alahelo tsy afaka ny nitondra izany mantsy ry zareo raha toa ka mbola miaritra fijaliana ny lehiben’izy ireo, ary mbola nitondra satroka tsilo. Tao anatin’ny efitrano fitsarana dia sahirana mafy mihitsy I Satana sy ireo anjeliny mba handrava ny fahatsapana maha-olona rehetra sy ny fifanarahana maha-olombelona rehetra. Navesatra ny votoatin-dresaka ary voaloton’ny fisarihan’izy ireo. Ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholona dia voasarik’izy ireo mba hampahory sy hiteny ratsy an’I Jesosy, tamin’ny fomba farany izay sarotra entina indrindra raha amin’ny maha-olombelona. Nanantena I Satana fa izany fitenena-dratsy sy izany fampijaliana izany dia hahatonga ny Zanak’Andriamanitra hanonona fitarainana ary amin’izany dia hampiseho ny herin’Andriamanitra izay ananany Izy, ka hanala ny tena ny avy eo an-tanan’ny vahoaka, ary amin’ny izay dia tsy ho tanteraka ny drafi-panavotana. HM58 23.5
Taorian’ny famadihana, dia nanaraka an’ny Tompony I Petera. Nanontany tena tamim-piahiahiana fatratra ny amin’ izay hataon’ ny olona amin’ i Jesosy i Petera. Nefa rehefa nampangaina ho iray tamin’ireo mpianany izy, dia nandà izany izy. Natahotra ny ainy izy. Rehefa nomelohina ho anakiray tamin’ireny, izy dia nilaza fa tsy fantany velively io olona io. Voamarika tamin’ ny fahadiovan’ ny teniny anefa ny mpianatra, ary Petera, mba handreseny lahatra azy ireo fa tsy iray tamin’ireo mpianatr’I Jesosy izy, nandà Azy fanintelony miaraka amin’ny fiozonozonana sy fianianana izy. Jesosy, izay lavidavitra kely an’i Petera, nitodika nijery azy tamim-panakianana feno alahelo. Ary dia tadidiny ny teny izay nolazain’I Jesosy taminy tao amin’ny efi-trano ambony, ary koa ilay fanambarana nataony tamin-kafanan-po tamin’ iny fotoana iny hoe: “Na dia ho tafintohina noho ny Aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay”. Nandà ny Tompony izy, ary tamin’izay dia niaraka tamin’ny fiozonozonana sy fianianana mihitsy. Nefa ny fijerin’i Jesosy dia nanohina ny fon’ i Petera teo no ho eo ihany, ary voavonjy azy. Nitomany tamim-pangidiana izy ary nibebaka noho ny fahotany lehibe ary niova fo, ka dia niarina mba hampahery ireo rahalahiny. HM58 23.6
Nangatahin’ny vahoaka mafy ny ran’I Jesosy. Nokapohin’izy ireo tamin-kasiahana Izy, ary nampanaovina akanjon’ny mpanjaka mivolonjaky efa tonta iray Izy, ary nosatrohany satroboninahitra, tsilo teo ambonin’ny lohany masina. Nasian’izy ireo volotara teny an-tànany, ho fanarabiany Azy dia niankohoka teo anatrehany ireo sady niarahaba Azy hoe: Arahaba ry mpanjakan’I Jiosy! Ary rehefa avy teo dia nesorin’ izy ireo avy teny an-tanany ny volotara ary nokapohin’izy ireo tamin’iny tambonin’ny lohany Izy ka dia mahatonga ny tsilo tamin’ ny satroboninahiny hilentika ny fihirifany izany ka nampivoaka ny rà mitete ho eo amin’ny tarehiny sy volom-bavany izany. HM58 24.1
Sarotra tamin’ny anjely ny niaritra izay niseho teo imasony. Naniry ny hanafaka an’i Jesosy tamin’ny tanan’ireo izy ireo; nefa nandrara azy ireo ny anjely mpibaiko, ary milaza fa avotra lehibe no tokony haloa ho an’ny olombelona; dia tokony ho fanatitra feno; izay hitondra fahafatesana ho an’Ilay manana ny fahefana amin’ny fahafatesana. Fantatr’ i Jesosy fa ireo anjely dia nanatrika ny toe-javatra rehetra izay nisehoan’ny fanetren-tenany. Hitako fa ny anjely farany maleny indrindra iray aza dia ampy handevona ireto vahoaka marobe ireto sy hanafaka an’i Jesosy. Fantany fa raha nangataka izany amin’ny Rainy Izy, dia anjely maro no tonga eo no ho eo hanafaka Azy. Kanefa, zava-dehibe tokoa ny hiaretan’i Jesosy fisafoky ny olombelona ratsy fanahy, mba hahatanteraka ny drafi-panavotana. HM58 24.2
Dia io Jesosy nipetraka, maleny fanahy sy manetry tena eo anoloan’ireto vahoaka vinitra ireto, mandritra izay dia notevatevain’izy ireo tamin’ny fomba ratsy indrindra Izy. Nororan’izy ireo ny tavany, tava indray andro any ireo olona ratsy fanahy haniry ny hiafina Azy, izay hanazava ny tananan’ Andriamanitra amin’ ny fahazavana manjelanjelatra kokoa noho ny an’ ny masoandro, kanefa tsy nanao an’ otri-po na dia kely akory aza tamin’ireo mpanao ratsy Azy ireo i Jesosy. Natsangany tamim’ pahalemem-panahy ny tanany, ka nofafany izany. Nosaroman’izy ireo akanjo tonta iray ny lohany, notampenan’izy ireo ny masony, ary dia nokapohin’izy ireo tamin’ny tarehiny Izy ary niantsoantso ireo hoe: “Maminania, iza taminay no mikapoka Anao?” Nientana ny fon’ireo anjely; ary tian’izy ireo ny hanavotra Azy miaraka amin’ izay saingy, nihazona azy ireo ny lehibeny. Ny sasany tamin’ ireo mpianatra nahazo ny fahatokian’ ireo lehibe Jiosy ary afaka hampiditra amin’ ny fitsarana mba hahazoany manatrika ny fittsarana an’ i Jesosy ary hijoroany ho vavolombelon’ ny fitsarana Azy. Niandry izy ireo ny mba hahita ny fisehoan’ ny’ny ny herin’Andriamanitra izay nananany, sy ny mba hanavotany ny tenany avy amin’ny tanan’ireto fahavalony ireto, ary dia hanasazy azy ireo nohon’ ny fampijaliany izay nataon’izy ireo taminy. Niakatra sy nidina ny fanantenan’izy ireo arakaraky ny toe-javatra miseho. Indraindray nisalasala izy ireo, ary natahotra ny ho voafitaka. Nefa ilay feo reny tao amin’ny tendrombohitra ny fiovan-tarehy, ary ny voninahitra izany hitan’ny mason’ireo tany, dia nampahery azy ireo fa Zanak’Andriamanitra marina tokoa Izy. Notadidiny ireo toe-javatra nanaitra izay natrehin’izy ireo, ny fahagagana izay hitan’izy ireo nataon’I Jesosy tamin’ny fanasitranana ny marary, nampahiratra ny mason’ireo jamba, nampalady ny sofiny marenina, nandidy sy ny nandroaka ny devoly, nanangana ny maty ho amin’ny fiainana, eny fa raha nandidy ny rivotra Izy, dia nanaiky Azy izany. Tsy afaka hino izy ireo fa ho faty Izy. Nanantena foana izy ireo fa mbola hitsangana amin-kery Izy hahita Azy mandrakariva hampiseho ny heriny sy ny fahefany hanaparitaka ireo vahoaka lian-drà toy izay nataony tamin’ ny nidirany tao amin’ ny tempoly mba handroaka ny mpivarotra izay nanao ny tranon’ Andriamanitra ho toeram-pivarotana ary dia nandositra teo anatrehany ireo toy izay enjehin’ andia-miaramila mirongo fiadiana. Ny mpianatra dia nanantena fa hampiseho ny heriny i Jesosy, ary handresy lahatra ny rehetra fa Izy no Mpanjakan’ny Israely. HM58 24.3
Vontom-panemenana mangidy sy henatra I Jodasy taminy fihetsika feno hafetsena tamin’ny namadihany an’I Jesosy. Ary rehefa nahita ny fampijaliana izay niaretan’I Jesosy izy, dia resy izy. Tiany ny Mpamonjyy kanefa ny vola no tiany kokoa. Tsy noeritreritiny fa Jesosy dia hanela ny tenany horaisin’ireto vahoaka izay nentiny tao an-tsaha ireto. Nieritreritra izy fa hanao fahagagana I Jesosy ary hanafaka ny tenany amin’ny tanan’izy ireo. Kanjo raha nahita an’ireto vahoaka maro tao amin’ny efitrano fitsarana, izay liana ny rany izy, dia nahatsapa ny halalin’ ny nataony izy. Ary nandritra izay fotoana izay, dia maro no nanameloka an’I Jesosy tamin-kafanam-po, ary namakivaky ny vahoaka I Jodasy ary niaiky fa nanota izy tamin’ny nanadihany ny rà tsy manan-tsiny. Naveriny tamin’ireo mpisorona ny vola, ary nitalaho izy ny mba hanafahana an’I Jesosy, tamin’ny fanambarana fa tsy mana-tsiny tanteraka Izy. HM58 24.4
Ny fotoana fohy izay nisian’ ny korontana sy ny fifanjevoana ary nandritr’ izany ireo mpisorona dia nangina.Tsy tian’izy ireo mantsy ny hahafantaran’ny vahoaka fa naka ny iray tamin’ny mpianatr’I Jesosy izy ireo mba hamadika Azy, ho eo an-tananany. Tsy nirin’ izy ireo ho fantatra ny fomba nifanakanan’ izy ireo an’ i Jesosy tahaka ny mpangalatra ary ny nihazonana Azy an-tsokosoko. Fa ny fiaiken’I Jodasy, ny fihaodikodiny sy ny fahamelohany izay hita taratra teo aminy, dia maneho an’ ireto mpisorona teo anatrehan’ny vahoaka fa fankahalana no nisamborany an’i Jesosy. Rehefa nanambara tamin’ny feo mahery I Jodasy fa tsy manan-tsiny I Jesosy, dia namaly azy ny mpisorona hoe: “Inona no hidiranay amin’izany” Anao irery izany! Azon’izy ireo teo ambany fahefan’izy ireo I Jesosy ary dia nanapa-kevitra ny hitazona azy ireo. Voatatotrin’ny tebiteby i Jodasy, dia nanipy ny vola izay nataony tsinontsinona teo an-tongotr’ ireo izay naniraka azy ankehitrio, mihetsi-pony tahotra noho ny heloka bevava nataony, ka lasa nanaton-tena. HM58 25.1
Tao anatin’io vahoaka be io dia maro ireo izay nankasitraka an’I Jesosy, ary ny tsy famaliany ireo fanontaninana marobe izay napetraka taminy dia nahazendana tokoa ny vahoaka. Tamin’ireo famazivaziana sy fanarabiana ary herisetra dia tsy nisy fahatezerana, tsy nisy fanehoana tebiteby akory nisoritra teo amin’ny endriny. Nitoetra ho mendrika sy tony Izy. Tanteraka sy mendrik’haja. Nijery Azy tamin-pahagagana ny mpijery. Nampitovian’izy ireo ny toetrany tanteraka, ny fahatoniany, ny fitondra tena mendrika tamin’ireo izay nipetraka nitsara Azy, dia nifampilaza izy ireo fa Izy dia nitovy kokoa amin’ny mpanjaka izay manana fahefàna fa tsy sahala na dia kely akory aza, amin’ireo mpanapaka tsirairay. Tsy nanana endrikin’ny mpanao ratsy na dia kely akory aza Izy; nalemy ny fijeriny, madio ary tsy nisy tahotra, lehibe sady avo ny handriny izay nampiseho tanteraka fitiavana sy fitsipipitondra-tena ambony. Ny faharetany sy ny fahazakany dia tsy toy ny an’olombelona mihitsy, ka nampangovitra ny maro. Ka na dia I Heroda sy Pilato aza dia very hevitra tanteraka tamin’ny fitondran-tenany mendrika sy mitovy amin’ny an’Andriamanitra. HM58 25.2
Hatrany am-piandohana I Pilato dia resy lahatra fa Izy dia tsy mitovy amin’ny olona mahazatra rehetra, fa manana toetra tonga lafatra. Nino tanteraka Azy ho tsy manan-tsiny izy na dia tamin’ ireo zavatra rehetra niampangana Azy aza. Ny anjely izay nanatrika ny fandehan-javatra rehetra dia nahatsikaritra ny faharesendahatr’i Pilato, ary nanaraka ny fitoerany sy famindram-pony ho an’I Jesosy izany; ary mba hanakanona, azy amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fihetsika mampatahotra mba hanomboana an’i Jesosy dia nirahina ny anjely iray ho any amin’ ny vandin’I Pilato, mba hampahafantatra azy tamin’ny alalan’ny nofy fa Zanak’Andriamanitra no Jesosy, ary tsy manan-tsiny Izy. Nandefa taratasy hainga ho an’I Pilato izy fa mijaly mafy izy tamin’ny nofiny noho ny amin’i Jesosy, ary nampitandrina azy mba tsy hanao na inona na inona amin’io olo-masina io. Nihazakazaka malaky noamakivaky ny vahoaka ny mpitondra ny hafatra, ary nanolotra izany taratasy izany ho an’i Pilato. Rehefa namaky izany torohevitra izany izy dia nangovitra sady niova hatsatra. Teo no ho eo ihany izy dia nieritretitra fa tsy tokony hanao na inona na inona ny amin’ izay hahafaty an’ i Jesosy izy. Fa raha tian’izy ireo ny ran’I Jesosy, izy dia tsy afaka hampanana azy ireo amin’izany noho ny fanampiany; fa hitady hevitra mba hanafahana Azy. HM58 25.3
Rehefa fantatr’i Pilato fa Heroda dia tany Jerosalema dia nahatsiaro ho maivana ery izy, ary niriany ny hanala ny tenany amin’ny fiandraiketana ny momba ny fitsarana sy ny fanamelohana an’I Jesosy. Nalefany haingana niaraka tamin’ireo mpiampaga Izy ho any amin’I Heroda. Ity farany ity dia tena mpanota mafy hatoka. Ny namonoany an’I Jaona Mpanao batisa dia nanela loto na pentina tao amin’ny feon’ny fieritreretany tao, izay tsy hainy nialana raha izy tenany ihany. Ary raha nahare ny amin’I Jesosy izy sy ireo fahagagana izay nataony, dia nieritreritra izy fa i Jaona Mpanao batisa no nitsangana tamin’ny maty. Natahotra sy nangovitra tampoka teo izy, satria nanameloka azy ny eritreriny. Napetrak’I Pilato teo am-pelatanan’I Heroda I Jesosy. Noeritreretin’I Heroda fa io fihetsika io dia fiaiken’I Pilato ny heriny, ny fahefany ary ny fitsarana. Mpifahavalo mantsy ireo governora roa ireo talona kelin’ izay, fa nihavana nanomboka teo. Faly I Heroda raha nahita an’I Jesosy, satria miandry ny hanaovany fahagagana ho fahafinaretana ho azy izy. Nefa ny asan’i Jesosy tsy fanomezan-pahafaham-po ny fahalianan-kijery ny hihaino zavatra fotsiny ihany tsy akory na koa fitadiavana ny fahatokianao manokana. Ny fahefan’Andriamanitra mahagaga izay nananany dia tsy nampiasaina afa-tsy ho famonjena ny hafa, fa tsy natao an’ny tombon-tsoan’ ny samirery. HM58 25.4
Tsy namaly na inona na inona tamin’ireo fanontaniana maro izay napetrak’i Heroda taminy i Jesosy. Tsy manaly ireo fanontanian’ireo fahavalony izany niampanga Azy tamin-kafanam-po. Romotra I Heroda satria hita fa tsy natahotra ny fahefany I Jesosy, ka dia nihomehy, namazivazy sy nanevateva Ilay Zanak’Andriamanitra niaraka tamin’ireo miaramilany izy tamin’ izany fotoana izany. Dia talanjona I Heroda tamin’ireo fihetsikan’Andriamanitra sy toetra mihajan’I Jesosy, na dia teo aza ny fanaovan-dratsy nampangidy Azy izay nataon’ ireo taminy. Ary mba tsy hanamelohany Azy dia naveriny indray tany amin’ I Pilato Izy. HM58 25.5
Naka fanahy an’I Pilato Satana sy ireo anjeliny tamin’io fotoana io, ary nikely aina ny hitondra azy ho any amin’ ny faharavan’ny tenany manokana. Nanome soso-kevitra azy izy ireo fa raha tsy handray anjara amin’ny fanamelohana an’I Jesosy izy hanao izany ny hafa; ho henonao izay, ny vahoaka dia nangetaheta ny rany, ary raha tsy manolotra an’I Jesosy ho fantsihana izy, dia ho very ny fahefany, ary ny voninahiny ety antany, ary dia ampangaina ho mpino io mpamitaka io, araka ny fiantsoan’izy ireo Azy izy. Nanaiky ny fahafatesan’ I Jesosy I Pilato noho ny fahatahorany ny fahaverezan’ ny heriny sy ny fanapahany. Kanefa nametraka ny ran’I Jesosy teo ambonin’ireo mpianpanga Azy izy, ary ny vahoaka rehetra nandray izany sady niantsoantso hoe: “Adinina aminay sy ny taranakay anie ny rany”, Tsy nanamarina an’I Pilato anefa izany. Meloka noho ny ran’I Kristy izy. Nohon’ny fitiavany tombontsoa ho an’ny tenany nanokana, ny fitiavana ny voninahitra avy amin’ny olo-mana-kanjan’ny tany dia nanolotra olona tsy nanan-tsiny iray ho faty izy. Raha nanaraka ny feon’ny fieritreretany izy, dia tsy nanao na inona na ninona taminy fanamelohana an’I Jesosy. HM58 25.6
Ny toetra amam-pitenin’ I Jesosy nandritra ny fitsarana Azy dia nametraka fientanam-po lalina tao antsain’ ireo vahoaka betsaka nanatrika izany toe-javatra izany. Ny vokatr’izany hery manintona niasa izany dia hita maso taorian’ ny nitsanganany tamin’ ny maty. Betsaka tamin’ ireo izay nanampy ho isan’ ny fiangonana no nanaiky an-kariary tamin’ ny andro nitsarana an’ I Jesosy. HM58 26.1
Lehibe dia lehibe ny haromotan’ I Sataana nony hitany fa ireo habibiana rehetra izay tolo-tsaina nomeny ny Jiosy hamelazany an’ I Jesosy dia tsy nahatonga Azy himonomonona na dia kely akory aza. HM58 26.2
Hitako fa, na dia naka ny toetran’olombelona aza I Jesosy, dia nihazona Azy ny hery sy ny herintsaina izay avy any an-danitra, ary tsy niala tamin’ny sitrapon’ny Rainy Izy na dia tamin’ny zavatra bitika indrindra aza. HM58 26.3
Jereo Matio 26:57-75, 27:1-31; Marka 14:53-72, 15:1-20; Lioka 22:47-71, 23:1-25, Jaona toko 18, 19:1-16. HM58 26.4