Hery Mifanandrina

12/44

Toko 10—Ny fandrosoan’ ny fanavaozana ara-pivavahana tany Alemaina

Nampiraviravy tanana an’ i Alemaina manontolo ny fanjavonan’ i Lotera tamin’ ny fomba miafinafina. Re hatraiza hatraiza ny famotopotorana nikasika azy. Niely ny tsaho hafahafa indrindra ary betsaka no nino fa efa maty novonoina izy. Nisy ranomaso be, tsy teo amin’ izay nitonona ho sakaizany fotsiny ihany, fa teo amin’ ny olona an’ arivony izay tsy niandany ampahibemaso tamin’ ny Fanavaozana arapivavahana koa. Maro no niozonozona sy nivoady tamin’ ny fomba manetriketrika fa hamaly faty azy. HM 187.1

Tora-kovitra ireo mpitarika avy any Roma nahita ny fidedadedan’ ny afon’ ny fihetseham-po nankahala azy ireo. Na dia diboky ny hafaliana aza izy tamin ny voalohany tamin’ ny fiheverana an’ i Lotera ho maty, vetivety foana kosa dia nitady fierena tsy ho azon’ ny fahatezeran’ ny vahoaka izy. Ny asa feno fahasahiana be indrindra nataony teo anivon’ ny fahavalony dia tsy mbola nahavery hevitra azy ireo toy izao izy nalana teo aminy izao. Ireo izay romotra nitady izay hanapotehana ilay mpanavao fivavahana be herim-po dia raiki-tahotra ankehitriny kanefa izao izy dia babo tsy manan-kery. «Ny hany lalana hamonjena antsika, hoy ny anankiray, dia ny handrehitra fanilo, ary handeha hizaha an’ i Lotera eran’ izao tontolo izao manontolo, ka hamerina azy eo amin’ ny firenena izay mitaky azy». D’Auhigiw, boky 9, toko 1. Toa tsy nanan-kery ny didy navoakan’ ny amperora. Feno hatezerana ireo iraky ny papa raha nahita fa tsy nampiraika firy izany mihoatra noho izay nanjo an’ i Lotera. HM 187.2

Ny vaovao nilaza fa amin’ ny toerana azo antoka izy, na dia nigadra aza,. dia nampitony ny tahotry ny vahoaka, ary vao mainka nampirongatra ny hafanam-pony ho azy. Novakiana tamin’ ny risi-po tsy mbola nisy toy izany ny boky nosoratany. Nitombo be dia be ny isan’ ny olona nanaraka ny hevitra notohanan’ ity lehilahy be herim-po izay niaro ny tenin’ Andriamanitra, tao anivon’ ny toejavatra hafahafa sy mampatahotra. Nitombo hery hatrany ny Fanavaozana ara-pivavahana. Nipoitra hatraiza hatraiza ny voa nafafin’ i Lotera. Nahavita asa tsy efan’ ny fanatrehany ny tsy naha-teo azy. Nisy mpiasa hafa nahatsapa andraikitra vaovao, nony nalana ilay lehibe mpitarika azy. Finoana sy hafanam-po vaovao no nentiny niroso mba hanao izay azony atao tsy hahavoasakana ny asa izay efa natomboka tamin’ ny fomba mendrika tokoa. HM 188.1

Tsy nitomoe-poana tsy akory i Satana. Nandramany izao izay efa nandramany tamin’ ny fihetsiketsehana hafa rehetra ho amin’ ny fanavaozana dia ny hamitaka sy ny hanapotika ny vahoaka amin’ ny fanolorana azy asa sandoka ho takalon’ ny tena izy. Tahaka ny nisian’ ny kristy sandoka tamin’ ny taonjato voalohany niorenan’ ny fiangonana kristiana no nitsanganan’ ny mpaminany sandoka koa tamin’ ny taonjato fahenina ambin’ ny folo. HM 188.2

Nisy olona vitsivitsy, nihetsi-po lalina noho ny fihetsiketsehana ara-pivavahana niseho tamin’ izay nihevitra fa nandray fanambarana manokana avy amin’ ny Lanitra, ka nihambo ho nirahin’ Andria-manitra hitondra ny Fanavaozana ara-pivavahana eo amin’ ny fahafenoany, satria hoy izy ireo, nalefaka ihany no nanombohan’ i Lotera azy. Raha ny marina anefa dia nandrava ny asa izay efa nataony izy. Notsipahiny ny foto-kevitra lehibe izay tena niorenan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana dia ny fanekena fa ny tenin’ Andria-manitra no fitsipika ampy dia ampy; ary io mpitari-dalana tsy mety diso io dia nosoloiny filamatra miovaova sy tsy azo antoka avy amin’ ny fihetseham-po sy ny saim-pantatry ny tenany ihany. Rehefa voailika toy izany ilay tena mpanondro azo antoka ny fahadisoana sy ny lainga, dia nivoha ny varavarana nidiran’ i Satana mba hifehy ny saina araka izay tiany. HM 188.3

Ny anankiray tamin’ ireo mpaminany ireo nihambo ho nampianarin’ ny anjely Gabriela. Nisy mpianatra iray izay niaraka taminy niala tamin’ ny fianarany ary nilaza fa Andriamanitra mihitsy no nanome azy fahendrena hoenti-manazava ny teniny. Niray tamin’ ireo koa ny hafa izay efa nirona rahateo ho amin’ ny fitompoan -teny fantatra.Tsy kely tsy akory ny fahataitairana vokatry ny fiasan’ ireo mafana fo ireo. Nahatonga ny vahoaka hatraiza hatraiza hahatsapa ny ilàna fanavaozana ny toritenin’ i Lotera, ka ankehitriny dia nisy olona tena tso-po marina voafitaky ny hambon’ ireo mpaminany vaovao. HM 188.4

Nankany Wittenberg ny mpitarika an’ io fihetsiketsehana io ka nitondra ny fihamboany teo amin’ i Melanchton sy ireo mpiaramiasa aminy. Hoy izy ireo: «Nalefan’ Andriamanitra hampianatra ny vahoaka izahay. Niresadresaka mivantana tamin’ ny Tompo izahay; fantatray izay ho avy; raha fintinina, dia apostoly sy mpaminany izahay, ary hanohana anay amin’ izany i Lotera, mpampianatra ngezalahy».Ibid, boky 9, toko 7. HM 189.1

Gaga sady very hevitra ireo mpanavao fivavahana. Zavatra tsy mbola hitany hatramin’ izay izao, ary tsy fantany izay tokony atao. Hoy i Melanchton: «Marina fa misy fanahy mahagaga ao amin’ ireo olona ireo, nefa fanahy inona ? . . . Etsy andaniny anefa dia aoka isika hitandrina tsy hamono ny Fanahin’ Andriamanitra, ary etsy ankilany, aoka hitandrina andrao ho voatariky ny fanahin’ i Satana». Ibid, boky 9, toko 7. HM 189.2

Vetivety dia niseho ny vokatry ny fampianarana vaovao. Voata-rika hanao an-tsirambina ny Baiboly ny vahoaka na hametraka an’ izany tanteraka aza. Voakorontana ny sekoly. Nanao tsinontsinona izay fifehezana rehetra ny mpianatra, ka nandao ny fianarany sy niala tamin’ ny Oniversite. Ny olona izay nihevitra ny tenany ho afaka hamelona sy hanara-maso ny asan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana dia tsy nahita fahombiazana afa-tsy tamin’ ny nitondrany izany teo amoron-tevana. Nahazo toky indray izao ny Romanista ka diboky ny hafaliana nihorakoraka hoe:. «lndray maka sisa, dia ho antsika ny zavatra rehetra». Ibid, boky 9, toko 7. HM 189.3

Rehefa nandre izany zavatra nitranga izany tany Wartburg i Lotera, dia hoy izy feno ahiahy: «Matetika no efa nampoiziko fa halefan’ i Satana amintsika izao antambo izao». Ibid, boky 9, toko 7. HM 189.4

Tsinjony ny tena toetra amam-panahin’ ireo olona mihambo ho mpaminany ireo ka hitany ny loza nananontanona ny fahamarinana. Ny fanoherana nataon’ ny papa sy ny amperora dia tsy nahatonga azy hitebiteby be sy ho oriory toy izao ankehitriny izao. Avy amin’ ireo izay mitonona ho sakaizan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana no nipoiran’ny tena fahavalo gaigilahy indrindra. Ireo fahamarinana izay nitondra fifaliana sy fampiononana lehibe indrindra ho azy izao no nampiasaina hiteraka fifandirana sy korontàna tao amin’ ny fiangonana. HM 189.5

Teo amin’ ny asa fanavaozana, dia ny Fanahin’ Andriamanitra no nampirisika an’ i Lotera handroso, ary voatarika lavitra kokoa noho izay noheveriny izy. Tsy nikasa ny hiakatra ho amin’ izao toerana misy azy izao izy, na hanao fanovana lasa lavitra toy izao. Fitaovana fotsiny teo am-pelatanan’ ny Hery tsy voafetra izy. Matetika aza izy no tora-kovitra tamin’ ny vokatry ny asany. Hoy izy indray mandeha: «Raha fantatro fa nanimba olona iray ny fampianarako, olona iray monja, na dia ambany sy tsy fantatr’ olona aza, izay zavatra tsy mety ho vitany, satria Filazantsara tena izy io dia aleoko maty im-polo heny toy izay handà izany». Ibid, boky 9, toko 7. HM 190.1

Ankehitriny anefa dia Wittenberg indrindra, ilay manda famaharan’ ny Fanavaozam-pivavahana no, indro. fa ibosesehan’ ny fitompoan-teny fantatra sy ny fisainana tsy tan-dalàna. Izao toejavatra mampalahelo izao dia tsy vokatra avy amin’ ny fampianaran’ i Lotera tsy akory, kanefa ireo fahavalony dia nampiely eran’ i Alemaina fa izy no tompon’ andraikitra amin’ izany! Tao amin’ ny fangidiam-panahiny dia velom-panontaniana indraindray izy hoe: «Izao ve ary no fiafaran’ ity asa lehiben’ ny Fanavaozam-pivavahana ity?» Ibid, boky 9, toko 7. HM 190.2

Raha nitolona tamin’ Andriamanitra tamim-bavaka indray izy. dia nitobaka tao am-pony ny fiadanana. «Tsy ahy ny asa. fa Azy», hoy izy: «Tsy havelanao ho simban’ ny finoanoam-poana na ny fitompoan-teny fantatra izany». Nanjary tsy zakany intsony ny mieritreritra ny tenany mijanona elaela kokoa lavitra ny ady amin’ izao zava-tsarotra izao. Nanapa-kevitra ary izy fa hiverina any Wittenberg. HM 190.3

Tsy niandry izy fa niroso ho amin’ izao dia mampidi-doza izao. Lfa voaroaka tsy ho anisan’ ny olom-pirenena intsony izy. Nanana fahafahana malalaka hamono hahafaty azy ireo fahavalony: voarara tsy hanampy na hampiantrano azy ny sakaizany. Nampiasa fitsipika henjana indrindra hoenti-manohitra ireo mpanaraka azy ny fitondran’ ny amperora. Hitany anefa fa notandindomin-doza ny asan’ ny filazantsara, ka dia nivoaka tsy tamin-tahotra tamin’ ny anaran’ i Jehovah hiady ho an’ ny fahamarinana izy. HM 190.4

Izao no nolazain’ i Lotera tao amin’ ny taratasy nalefany ho an’ ny filohan’ i Saxe, rehefa avy nanambara ny fikasany hiala tany Wartburg izy : «Aoka ho fantatry ny andriamanjaka ta ho any Wittenberg eo ambany fiarovan’ Ilay ambony lavitra noho ny andrian-dahy sy ny filoham-panjakana aho. Heveriko fa tsy tokony hangataka ny fiarovan’ ny andriamanjaka aho, ary sanatria ny haniry ny fiarovanao ahy, fa izaho no tokony hiaro anao. Raha fantatro fa afaka na te-hiaro ahy ianao, andriamanjaka, dia tsy ho any Wittenberg mihitsy aho. Tsy misy sabatra afaka hanampy ity asa ity. Andriamanitra irery no tsy maintsy manao ny zavatra rehetra, ary tsy ilana fanampiana na fisalovanan’ olona. Izay manana finoana lehibe indrindra no afaka manampy indrindra». Ibid, boky 9, toko 8. HM 191.1

Tao amin’ ny taratasy faharoa nosoratany teny an-dalana ho any Wittenberg, dia izao no nanampin’ i Lotera: «Vonona ny hisetra ny tsy fankasitrahan’ ny andriamanjaka sy ny fahatezeran’ izao tontolo izao manontolo aho. Moa va tsy ondriko ny mponina ao Wittenberg? Moa ve tsy nankinin’ Andriamanitra tamiko ireo? Ary tsy tokony hanolotra ny tenako ho faty ho azy ireo va aho, raha ilaina izany? Ary tsy izany ihany, fa matahotra ny hahita fikomiana mahatsiravina eto Alemaina aho, izay hanafaizan’ Andriamanitra ny firenentsika. Ibid, boky 9, toko 7. HM 191.2

Tamim-pitandremana sy tamim-panetren-tena fatratra, nefa tamim-piniavana hentitra no nirosoany ho amin’ ny asany. «Amin’ ny alalan’ ny teny hoy izy, no tsy maintsy handresentsika sy hanapotehantsika izay naorina tamin’ ny alalan’ ny herisetra. Tsy hampiasa hery hoenti-manohitra ny finoanoam-poana sy ny tsy finoana aho. . . Tsy misy na iza na iza azo atao terivozona. Ny fahafahana no tena maha-izy ny finoantsika». Ibid, boky 9, toko 8. HM 191.3

Vetivety dia niely eran’ i Wittenberg fa tafaverina i Lotera ary hitory teny. Nivory maro avy teny rehetra teny ny vahoaka ka feno hipoka ny fiangonana. Raha niakatra teny amin’ ny polipitra izy, dia nampianatra, nampahery sy nananatra tamim-pahendrena lehibe sy tamim-pahalemem-panahy. Nikasika ny fihetsiky ny sasany izay nampiasa fomba mahery vaika tamin’ ny fanafoanana ny lamesa, dia hoy izy: HM 191.4

«Tsy tsara ny lamesa; manohitra izany Andriamanitra; tokony hofoanana izany; ary tiako raha voasolo amin’ ny sakafo atolotry ny filazantsara izany eran’ izao tontolo izao manontolo. Nefa aoka tsy hisy na iza na iza ho voaendaka hiala amin’ izany amin’ ny alalan’ ny hery. Tsy maintsy apetratsika eo am-pelatanan’ Andriamanitra izany. Ny teniny no tsy maintsy miasa, fa tsy isika. Nahoana ary? hoy ny fanontaniana. Satria tsy tazoniko eto an-tanako tahaka ny fitanan’ ny mpanao vilany tany ny tanimanga ny fon’ ny olona. Manana zo hiteny isika; fa tsy manana zo hanao na inona na inona isika. Aoka hitory isika; an’ Andriamanitra ny sjsa. Raha mampiasa hery aho, inona no ho azoko? Tarehy ratsy, fombafomba ivelambelany, fakan-tahaka, sy baikon’ olombelona sy fihatsarambelatsihy. . . Nefa tsy hisy fahatsoram-po, na finoana, na fitiavana. Rehefa tsy ao ireo telo ireo, dia foana daholo ny zavatra rehetra, ary tsy ho foiko hotakalony na ny zava-bitika indrindra aza, raha izany no ho vokany. . . Mahavita be kokoa amin’ ny alalan’ ny teniny samirery Andriamanitra mihoatra noho ianao sy izaho ary izao tontolo izao amin’ ny alalan’ ny herintsika mitambatra. Ny fo no hazonin’ Andriamanitra; ary rehefa azo ny fo, dia azo ny zavatra rehetra. . . HM 191.5

Hitoriteny aho, hiady hevitra sy hanoratra; nefa tsy nanery na iza na iza aho, fa asa atao an-tsitrapo ny finoana. Jereo izay nataoko. Nitsangana nanohitra ny papa, ny varotra famelan-keloka sy ny papista aho, fa tsy nampiasa herisetra na tabataba. Ny tenin’ Andria-manitra no narosoko. Nitoriteny sy nanoratra aho izay ihany no nataoko. Ary na dia natory aza aho, dia nandresy ny fahefan’ ny papa ny teny izay notoriko, hany ka na ny andriandahy na ny amperora tsy nandratra azy toy izany. Nefa tsy nanao na inona na inona aho; ny teny ihany no nanao ny zavatra rehetra. Raha tiako ny nampiasa hery, dia angamba ho safotry ny ra Alemaina iray manontolo. Inona anefa no ho vokatr’ izany? Faharavana sy fahasimbana ho an’ ny vatana sy ny fanahy. Noho izany dia mijanona ho tony aho, ka navelako handeha irery mamakivaky ny tany ny tenin’ Andriamanitra». Ibid, boky 9, toko 8. HM 192.1

Isan’ andro isan’ andro, mandritra ny herinandro manontolo, dia nitohy nitoriteny tamin’ ny vahoaka marobe mafana fo i Lotera. Resy ny fanangolen’ ny fahataitairana vokatry ny fandraisana an-tendrony ny tenin’ Andriamanitra. Namerina ny vahoaka voatarika tamin’ ny lalan-diso ho amin’ ny lalan’ ny fahamarianana ny herin’ny filazantsara. HM 192.2

Tsy nirin’ i Lotera ny hihaona tamin’ ireo mpitompo teny fantatra izay nitera-doza betsaka ny asany. Fantany fa olona tsy manan-tsaina mandanjalanja ara-dalàna sy tsy mahafehy ny firehetampony izy ireo, olona izay nihambo ho nandray fahazavana manokana avy any an-danitra, ka tsy mahazaka ny fanoherana malefaka indrindra eny na dia ny anatra sy ny torohevitra feno fahalemempanahy indrindra aza. Nandrombaka ho an’ ny tenany ny fahefana fara-tampony izy ka nandidy ny olona rehetra hanaiky tsy misy adihevitra ny fihamboany. Nefa raha mangataka ny hihaona taminy ireo, dia nanaiky izy; ary nahomby indrindra ny fomba nanehoany ny fihamboany ka niala avy hatrany tao Wittenberg ireo mpisoloky. HM 192.3

Voasakana kelikely aloha ny hevi-poana; taona maro tatý aoriana anefa dia nirongatra tampoka tamin-kery bebe kokoa sy nisy vokany nahatsiravina kokoa izany. Hoy i Lotera ny amin’ ireo mpitarika io fihetsiketsehana io; «Soratra maty fotsiny» ho azy ny Soratra Masina, nefa izy rehetra miantsoantso hoe: «Ny Fanahy! ny Fanahy!» Milaza marina tokoa aho anefa fa tsy hanaraka azy any amin’ izay hitarihan’ ny fanahiny azy aho. Andriamanitra anie, noho ny famindrampony, hiaro ahy tsy ho ao amin’ ny fiangonana tsy misy afa-tsy olo-masina. Maniry ny hiara-mitoetra amin’ ny olona tsotra, ny malemy, ny marary izay nahalala sy nahatsapa ny fahotany aho, izay misento sy mitoloko mandrakariva amin’ Andriamanitra, hatrany amin’ ny ati-fanahiny lalina indrindra mba ahazoany fampiononana sy fanohanana avy Aminy. . . Ibid, boky 10, toko 8. HM 193.1

Thomas Münzer, ilay nihetsiketsika indrindra tamin’ ireo mpitompo teny fantatra, dia olona manam-pahaizana be tokoa, izay raha voatarika tsara, dia nety nahatonga azy nahavita soa; nefa tsy nianatra ny foto-kevitra voalohany eo amin’ ny fivavahana marina izy; «Feno ny faniriana hanova an’ izao tontolo izao izy nefa hadinony, tahaka ny fanaon’ ny entin-kafanam-po rehetra, fa tsy maintsy manomboka amin’ ny tena ny fanavaozana». Ibid, boky 9, toko 8. Nanana hambom-po hahazo toerana ambony sy hanapaka ny hafa rehetra izy ka tsy tiany ny ho amin’ ny laharana faharoa, eny na dia ny hanarakaraka an’ i Lotera aza. Nambarany fa raha nanolo ny fahefan’ ny papa tamin’ ny fahefan’ ny Soratra Masina ireo mpanavao fivavahana dia nanangana fotsiny endriky ny fahefana papaly hafa. Fa izy tenany, hoy ny fihamboany, no efa nirahin’ Andriamanitra hampiditra ny tena fanavaozana marina. Izay manana io fanahy io, hoy Miinzer, «no manana ny finoana marina na dia tsy mbola nahita ny Soratra Masina na oviana na oviana aza izy teo amin’ ny fiainany» —Ibid, boky 10, toko 10. HM 193.2

Nanolo-tena hanjakan’ ny zavatra tsapany fotsiny ireo mpampianatra mpitompo teny fantatra ireo, ka noraisiny ho feon’ Andriamanitra ny eritreriny sy ny fihetseham-pony, noho izany dia lasa lavitra dia lavitra izy ireo teo amin’ ny lalan-diso. Nisy nandoro ny Baiboly ka nanao hoe: «Mahafaty ny soratra, fa ny fanahy no mahavelona». Ny fampianaran’ i Miinzer dia nifanitsy tamin’ ny fitiavan’ ny olona zava-mahagaga, sady nanome fahafaham-po ny avonavony tamin’ ny fametrahany na dia tsy nolazainy mivantana aza, ny hevitra amam-pisainan’ olombelona ho ambonin’ ny tenin’ Andriamanitra. An’arivony ny olona nandray ny fampianarany. Tsy ela dia nampangainy avokoa ho tsy nety ny fandaminana rehetra eo amin’ ny fanompoam-pivavahana ho an’ ny besinimaro, ary nambarany fa fitadiavana hanompo an’ Andriamanitra sy Beliala ny fankatoavana ny andriamanjaka. HM 193.3

Ny sain’ ny vahoaka izay efa nanomboka nitsipaka ny ziogan’ ny fahefana papaly dia nanjary tsy nahazaka koa ireo fameperana ataon’ ny fahefam-panjakana. Ny fampianaran’i Miinzer ta-hanova ny zavatra rehetra, izay nihambo ho neken’ Andriamanitra dia nitarika ny olona hanapaka ny fatoran’ ny fifehezana rehetra ary hanaiky tsy misy fepetra ny fitarihan’ ny hevi-diso efa nibahana rahateo tao an-tsainy sy ny filany ambany. Nisy fikomiana sy ady mahatsiravina indrindra nanaraka izany, ka vonton-dra ny tany Alemaina. HM 194.1

Nanindry an’ i Lotera indroa heny ankehitriny ilay adin-tsaina nihatra aman’ aina nisy efa ela tokoa izao, tany Erfurt, raha hitany fa ny fanavaozana ara-pivavahana no voampanga ho niavian’ ny vokatry ny fandraisana an-tendrony. Nanambara ireo andriandahy niandany tamin’ ny papa — ary maro ny olona no nino izany — fa ny fikomiana no tsy maintsy ho vokatry ny fampianaran’ i Lotera. Na dia tsy nisy fanorenana na dia kely aza io fiampangana io dia tsy maintsy nampahory indrindra ilay mpanavao fivavahana. Toa mafy loatra noho izay mety ho zakany ny fahitana fa aetry toy izao ny fahamarinana hitovy laharana amin’ ny fitompoan-teny fantatra tsy mendrika indrindra. Tetsy ankilany, nankahala an’ i Lotera ireo mpitarika, ny fikomiana satria tsy vitan’ ny nanohitra ny fampianarany sy nandà ny fihamboany ho nandray ny tsindrimandry avy amin’ Andria-manitra fotsiny izy fa mbola nolazainy koa fa mpikomy amin’ ny fahefam-panjakana. Ho setrin’ izany dia nampangain’ izy ireo ho mpieboebo foana izy. Toa nahatonga ny andriana sy ny vahoaka ho samy nankahala azy izy. HM 194.2

Diboky ny hafaliana ireo mpomba an’ i Roma, nanantena ny hahita maso ny firodanan’ ny Fanavaozana ara-pivavahana haingana dia haingana, koa dia nomeny tsiny i Lotera, na dia momba ireo fahadisoana izay efa niezahany fatratra aza ny hanitsy azy. Nilaza lainga ireo antokon’ olona mpandray an-tendrony, raha manambara fa tsy an-drariny loatra ny natao taminy, nahomby izy anefa tamin’ izany satria niandany taminy ny ankamaroan’ ny olona dia araka ny miseho matetika amin’ ireo miandany amin’ ny ratsy: toy ny manjary heverina ho toy ny maritiora izy ireo. Noho izany dia ireo nampiasa ny heriny rehetra hanoherana ny Fanavaozana ara-pivavahana no nampangoraka sy nohindrahindraina fa nianjadian’ ny halozana sy ny fampahoriana. Izany no asan’ i Satana entanin’ ny toe-tsaina fiko-miana izay niseho voalohany tany an-danitra. HM 194.3

Mitady mandrakariva hamitaka ny olona i Satana ary mitaona azy hanao ny fahotana hoe fahamarinana, ary ny fahamarinana hoe fahotana. Akory ny fahombiazan’ ny asany! Impiry moa no nohelohina sy nomen-tsiny ireo mpanompon’ Andriamanitra satria nijoro tsy tamin-tahotra hiaro ny fahamarinana izy! Ny olona izay tsy inona fa fiasan’ i Satana no deraina sy hasohasoana, ary heverina ho maritiora mihitsy aza, fa ireo izay tokony hoderaina sy hotohanana kosa noho ny fahatokiana an’ Andriamanitra, dia avela hijoro irery, ahiahiana sy hamavoina. HM 195.1

Mbola manao ny asa famitahany mandrak’ androany ny fahamasinana sandoka, ny fanamasinana mandainga. Endrika maro no hisehoan’ ilay toe-tsaina efa nisy tamin’ ny andron’ i Lotera, nampiala ny saina amin’ ny Soratra Masina sy mitarika ny olona hanaraka ny fihetseham-po sy ny hevitry ny tena ka tsy hilefitra amin’ ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra. Anankiray amin’ ireo fitaka mahomby indrindra fanaon’ i Satana io manome soketa ny fahadiovana sy ny fahamarinana io. HM 195.2

Tsy natahotra i Lotera hiaro ny filazantsara tamin’ ny famelezana rehetra avy tatsy sy taroa. Niseho ho fiadiana mahery amin’ ny fifandonana rehetra ny tenin’ Andriamanitra. Io teny io no nentiny niady tamin’ ny fahefana norombahin’ ny papa, sy tamin’ ny hevitsaina nitompoana ho marina notanan’ ireo mpampianatra ary mbola izany koa no nijoroany tsy azo nohozongozonina tahaka ny vatolampy raha nanohitra ireo hevi-poana izay nitady hiray tamin’ny fanavaozana ara-pivavahana izy. HM 195.3

Ireo hery nanohitra ireo dia samy nampihataka ny Soratra Masina amin’ ny fombany avy ka nanandratra ny fahendren’ olombelona ho loharanon’ ny fahamarinana sy ny fahalalana ara-pivavahana. Ny fironan-kevitra nanandratra ny saina dia nanao ny saina mandanjalanja ho sainpy ka io no nentiny nitsara ny fivavahana. Ny firehana hanaiky ny fivavahana romana izay mihambo fa ilay pretra fara-tampony ao aminy dia nahazo tsindrimandry mivantana tsy misy fahatapahany mihitsy avy amin’ ny apostoly ary tsy manam-piovana na oviana na oviana, dia manome toerana malalaka hivalamparan’ ny karazanjavatra mihoapampana rehetra mbamin’ ny fahalovana izay sarontsaronana amin’ ny kapaotim-pahamasinan’ ny hafatra napetraka tamin’ ny apostoly. HM 195.4

Ny tsindrimandry nialokalofan-dry Miinzer sy ireo mpiaraka aminy dia tsy avy amin’ ny loharano ambony kokoa noho ny haitraitran’ ny saina lava elatra loatra, ka mitsipaka ny fahefana rehetra, na ny an’ ny olombelona na ny an’ Andriamanitra. Ny tena fivavahana kristiana marina dia mandray ny tenin’ Andriamanitra ho trano firaketan’ ny fahamarinana avy amin’ ny tsindrimandry sy fisedrana ny tsindrimandry rehetra. HM 196.1

Raha avy any Wartburg i Lotera dia namita ny fandikana ny Testamenta Vaovao izy, ka vetivety dia nomena ny vahoaka alemana tamin’ ny fiteniny ny filazantsara. Tamim-pifaliam-be no nandraisan’ izay rehetra tia ny fahamarinana io dikan-teny io, fa nandà izany tamim-paniratsirana kosa ireo izay nifidy ny lovan-tsofina sy ny didin’ olombelona. HM 196.2

Nanahy mafy ireo pretra raha nihevitra fa ho afaka hifandahatra aminy momba ny foto-kevitry ny tenin’ Andriamanitra izao olontsotra izao ka ho hita miharihary amin’ izay ny tsy fahaizany. Tsy nanan-kery hoenti-manohitra ny sabatry ny Fanahy ny fiadian’ ny hevitra ara-nofo nalahany. Novorin’ i Roma ny fahefany rehetra hanakanana ny fielezan’ ny Soratra Masina, nefa samy tsy nisy vokany avokoa na didy na fandrahonana, na fampijaliana. Arakaraka ny nanamelohany sy nandrarany ny Baiboly, dia vao mainka nahaliana fatratra ny vahoaka ta-hahalala izay tena ampianariny. Izay rehetra nahay namaky teny dia nazoto nianatra ny tenin’ Andriamanitra ho an’ ny tenany. Nentiny niaraka taminy hatraiza hatraiza izany, ka novakiny sy naverimberiny novakina ary tsy nety afa-po izy mandrapahaizany tsianjery ampahany betsaka taminy. Rehefa hitan’ i Lotera ny fankasitrahan’ ny olona ny Testamenta Vaovao dia natombony avy hatrany ny fandikana ny Testamenta Taloha, ary navoakany tsikelikely arakaraka ny nahavitany. HM 196.3

Noraisin’ ny olona tamim-pifaliana ny bokin’ i Lotera na tany an-tanàn-dehibe na tany amin’ ny vohitra madinika. Izay nosoratan’ i Lotera sy ny sakaizany, dia naelin’ ny hafa kosa. Nisy relijiozy izay niaiky marina ny tsy maha-ara-dalàna ny fitsipika mandidy hitokamonina ka naniry ny hanolo ny fiainana nidonanahany ela tamin’ ny fiainana hampiasany marina ny heriny ; tsy ampy fahalalana anefa izy ireo hoenti-mitory ny tenin’ Andriamanitra, ka nitety ny faritany izy, nitsidika ny vohitra kely sy ny trano bongo rehetra izay nivarotany ny bokin’ i Lotera sy an’ ireo namany. Vetivety dia nifanizina eran’ i Alemaina ireny mpampiely boky be herim-po ireny. Ibid, boky 9, toko 11. HM 196.4

Nodinihin’ ny olona tamim-pahalianana fatratra ireny soratra ireny na manan-karena izy na mahantra, na avara-pianarana izy na tsia. Amin’ ny alina, dia mamaky izany amin’ ny feo mafy sy mampianatra ao an-tanàna ho ren’ ny antokon’ olona vitsivitsy mitangorona eo amorom-patana. Ny ezaka rehetra natao dia nahazoana fanahy resy lahatry ny fahamarinana, izay nampianatra ny vaovao mahafaly tamin’ ny hafa rehefa nandray ny teny tamim-piravoravoana. HM 197.1

Voaporofo ny teny avy amin’ ny tsindrimandrin’ Andriamanitra manao hoe: «Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina» 1. — Nisy asany ny fandinihana ny Soratra Masina ka nahatonga fiovana lehibe teo amin’ ny saina sy ny fon’ ny vahoaka. Zioga vy izay nitana ny mpanompony tao amin’ ny tsy fahalalana sy ny fahambaniana no natambesatry ny fahefana papaly taminy. Nokendrena fatratra ny hitohizan’ ny fanarahana fombafomba nitory finoanoam-poana, fa kely bitika kosa no anjaran’ ny fo sy ny saina teo amin’ ny fanompoam-pivavahany rehetra. Ny toritenin’ i Lotera izay namelabelatra ireo fahamarinana mazava ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra, ary io Tenin’ Andriamanitra mihitsy taty aonana, izay napetraka teo am-pelatanan’ ny valala tsy mandady harona, no nampifoha ny hery natoritory teo amin’ ny vahoaka ka tsy nanadio sy nandratra ny toetrany fotsiny, fa nanome koa hery sy tanjaka vaovao ny sainy. HM 197.2

Olona avy amin’ ny saranga rehetra no hita nitana Baiboly teny an-tanany niaro ireo fampianaran’ ny Fanavaozana ara-pivavahana. Ny papista izay namela ny fandinihana ny Soratra Masina ho anjaran’ ny pretra sy ny relijiozy dia nitady azy ireo ankehitriny mba handroso ka hifandahatra amin’ ny fampianarana vaovao. Nefa, noho ireo sady tsy nahalala ny Soratra Masina no tsy nahafantatra ny herin’ Andriamanitra dia naharesy lahatra azy tanteraka ireo izay nampangainy ho bado sy «heretika». HM 197.3

«Mampalahelo, hoy ny mpanoratra katolika iray, fa efa noresen’ i Lotera lahatra ireo mpanaraka azy tsy hatoky tsindrimandry hafa afa-tsy ny Soratra Masina». D’Aubigne, boky 9, toko 11 HM 198.1

Nitangorona ny vahoaka nihaino ny fahamarinana narovan’ ny olona tsy nahita fianarana firy, eny izay niady hevitra momba izany tamin’ ny olona mahay nandaha-teny sy nanam-pahaizana momba ny teolojia aza. Niharihary ny tsy fahalalana mahamenatra teo amin’ ireo olona ambony ireo rehefa nosetrain’ ny fampianarana tsotra avy amin’ ny tenin’ Andriamanitra ny fonjan-kevitra narosony. Ny mpiasa tany, ny miaramila, ny vehivavy, eny na dia ny ankizy aza, dia havanana kokoa tamin’ ny fampianaran’ ny Baiboly noho ireo pretra sy ireo mpampianatra ngezalahy lalim-pahaizana. HM 198.2

Ny fahasamihafana nisy teo amin’ ny mpanaraka ny filazantsara sy ireo mpanohana ny finoanoam-poana papaly dia nibaribary koa teo amin’ ny avara-pianarana toy ny teo amin’ny sarambabembahoaka. Nifampitana tamin’ ireo mpiaro menavazan’ ny ambaratongam-pahefan’ ny papa, izay nanao an-tsirambina ny fianarana ny tenim-pirenena tsy fampiasa intsony sy ny haisoratra, . . .ireo tanora narani-tsaina liam-pahalalana ka nanadihady ny Soratra Masina sy nifankazatra tamin’ ireo sangan’ asan’ ny fahiny. Nanana saina mavitrika, ambony toetra sady nahery fo ireo tanora ireo ka vetivety dia nahatratra fahalalana tsy nisy afaka nifaninana taminy nandritra ny fotoana ela. . . Noho izany, rehefa nifanehatra tamin’ ny mpa-mpianatra ngezalahy niandany tamin’ i Roma na tamin’ ny fivoriana inona na tamin’ny fivoriana inona ireo tanora mpiaro ny Fanavaozana ara-pivavahana dia mora foana taminy ny namely azy tamimpahatokisana lehibe ka tratry ny fisalasalana ireny olona kely fahalalana sadaikatra mafy ary latsaka tamin’ ny fahafaham-baraka mendrika azy teo imason’ ny rehetra. Ibid, boky 9, toko 11. HM 198.3

Rehefa hitan’ ireo mpitondra fivavahana mpomba an’ i Roma fa nihena ny isan’ ny mpiangona tao aminy, dia nangataka ny fanampian’ ny mpitsara izy, ka nampiasa ny fomba rehetra teo ampelatanany nanao izay hiverenan’ ireo mpihaino azy. Nefa efa nahita izay mahafa-po ny zavatra notakian’ ny fanahiny tao amin’ ny fampianarana vaovao ny vahoaka, ka nihodina izy niala tamin’ ireo izay namahana azy ela tamin’ ny ampombo tsy mahasoa avy amin’ ny fombam-pivavahana mitory finoanoam-poana sy ny lovan-tsofìn’ olombelona. HM 198.4

Rehefa nirehitra tamin’ ireo mpampianatra ny fahamarinana ny fanenjehana, dia narahiny tsara ny tenin’ i Kristy hoe : «Ary raha manenjika anareo amin’ ny tanàna iray ny olona, dia mandosira ho any amin’ ny hafa»2. Tafatsofoka hatraiza hatraiza ny fahazavana. Nahita trano midanadana azony nidirana tany ho any ireo mpandositra, nipetraka tao izy ireo ka nitory an’ i Kristy, indraindray tao amin’ ny fiangonana, na rehefa tsy nomena azy izany tombon-tsoa izany, dia tany an-tokantranon’ ny olona, na koa an-kalamanjana. Na taiza na taiza nisy olona vonon-kihaino azy dia zary tempoly masina izany toerana izany. Ny fahamarinana izay notoriana taminkery sy tamim-pahatokiana toy izany, dia niely tsy azo notohaina. HM 199.1

Nantsoina foana ny fahefana ara-pivavahana sy ny fahefampanjakana hanapotika ny «herezia». Nampiasainy foana ny fonja, ny fampijaliana, ny afo sy ny sabatra. An’ arivony ny mpino no nanombo-kase ny finoany tamin’ ny rany, nefa mbola nandroso ihany ny asa. Vao mainka nampiely ny fahamarinana ny fanenjehana, ary ireo hevi-poana nitompoan-ko marina izay niezahan’ i Satana nakambana tamin’ ny fahamarinana dia vao mainka nampibaribary kokoa ny fahasamihafana misy eo amin’ ny asan’ i Satana sy ny asan’ Andriamanitra. HM 199.2